MNDPT Page officielle du Ministère du développement Numérique, des Postes et des Télécommunications de Madagascar. Informations en cours de préparation. Merci

17/09/2026

📍Riyad, Arabia Saodita | 14-17 Septambra 2026

👥 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟒 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐔𝐍𝐄𝐒𝐂𝐎 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐄𝐭𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐢𝐭𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐫𝐭𝐢𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲.

"𝑻𝒔𝒚 𝒉𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒛𝒂𝒎-𝒑𝒐𝒕𝒔𝒊𝒏𝒚 𝒊𝒏𝒕𝒔𝒐𝒏𝒚 𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂, 𝒇𝒂 𝒉𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒇𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒏𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒊𝒕𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒓𝒕𝒊𝒇𝒊𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚"

☝️ Noho izany, ilaina tohizana ireo ezaka amin’ny fampifandraisana ny Malagasy sy ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa nomerika, kanefa tsy maintsy ampitomboina ihany koa ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ho fiatrehana ny ho avy.

📍 Riyad, Arabia Saodita | 14-17 Septambra 2026🌐 Nanomboka ny 14 Septambra teo, mivory any Riyad, Arabia Saodita ireo tom...
16/09/2026

📍 Riyad, Arabia Saodita | 14-17 Septambra 2026

🌐 Nanomboka ny 14 Septambra teo, mivory any Riyad, Arabia Saodita ireo tomponandraiki-panjakana, manam-pahaizana ary mpiantsehatra iraisam-pirenena, ao anatin’ny Fihaonambe iraisam-pirenena faha-4 an’ny UNESCO momba ny Etikan’ny Faharanitan-tsaina Artifisialy. Hetsika izay hifarana rahampitso 17 Septambra. Firenena 60 no mpandray anjara ka nahazo fanasana manokana amin’izany i Madagasikara, izay soloin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Mahefa Andriamampiadana tena.

🚀 Ho an’i Madagasikara, fanamby lehibe no mipetraka: raha mbola eo am-panamafisana ny fidirany amin’ny tontolo nomerika ny firenena, an-kilany, an-daniny kosa dia mihazakazaka haingana ny fivoaran’ny teknolojia. Tsy afaka miandry ny fifehezana ireo teknôlôjia efa misy anefa isika vao hitrandraka ireo vaovao, satria ny fiandrasana dia mety hiteraka fahatarana vaovao indray.

💡 Noho izany, ilaina tohizana ireo ezaka amin’ny fampifandraisana ny Malagasy sy ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa nomerika, kanefa tsy maintsy ampitomboina ihany koa ny fahaiza-manao sy ny fahalalana mba tsy ho mpisitraka fotsiny i Madagasikara, fa ho mpandray anjara fototra sy ho isan’ireo mpamorona ihany koa.

🇲🇬 Nasongadin’i Madagasikara tany Riyad ny maha-zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena nomerika, anisan’izany ny fampidirana ny Teny Malagasy amin’ny fampiasana ny teknolojia sy ny Faharanitan-tsaina Artifisialy, mba hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka izany.

🤝 Farany, napetraka fa ny tena fahaleovantena nomerika dia tsy midika hoe mamorona irery akory, fa ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa tsy misy fiankinan-doha, ary ihany koa mahay misafidy sy mampifanaraka ny teknôlôjia amin’ny zava-misy eto an-toerana.

🎯 Nohamafisin’i Andriamatoa Minisitra, Mahefa ANDRIAMAMPIADANA àry fa "𝒕𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒉𝒂𝒛𝒂𝒌𝒂𝒛𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒏𝒋𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒌𝒏𝒐𝒍𝒐𝒋𝒊𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒐𝒎𝒂𝒍𝒚 𝒂𝒌𝒐𝒓𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒏𝒋𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚, 𝒇𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒉𝒊𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒆𝒛𝒂𝒌𝒂 𝒆𝒇𝒂 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏𝒚 𝒆𝒐 𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒐𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒗𝒚."

🤖 Mihazakazaka ny fivoarana koa amin’ity indray mitoraka ity, "𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒛𝒂𝒎-𝒑𝒐𝒕𝒔𝒊𝒏𝒚 𝒊𝒏𝒕𝒔𝒐𝒏𝒚 𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂, 𝒇𝒂 𝒉𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒇𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒏𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒊𝒕𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒓𝒕𝒊𝒇𝒊𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚", hoy izy.

𝟏𝟐 𝐬𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐 | 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
12/09/2026

𝟏𝟐 𝐬𝐞𝐩𝐭𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐 | 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚

𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

🇲🇬🚀 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔, 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗥𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗕𝗔𝗞𝗔𝗕𝗔𝗞𝗔📍 Paris |...
09/09/2026

🇲🇬🚀 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔, 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗥𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗘𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗕𝗔𝗞𝗔𝗕𝗔𝗞𝗔

📍 Paris | 9–10 Septambra 2026

Mandray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony Iraisam-pirenena mikasika ny Habakabaka any Paris i Madagasikara. Isan’ny lohahevitra lehibe resahina ao anatin’izany ny « Connectivité directe » na ny fampifandraisana mivantana amin’ny alalan’ny zanabolana.

👥 Misolo tena an’i Madagasikara ao anatin’ny Delegasiona Malagasy any an-toerana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa Mahefa Andriamampiadana.

🛰️ Ho an’i Madagasikara, ny teknôlôjia "Direct-to-Device" (D2D) dia vahaolana lehibe ahafahana manitatra ny fahafahana mifandray amin’ny tambajotra any amin’ireo faritra lavitra sy mbola tsy voarakotra, ka mandray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana ara-jeografika sy ara-nomerika.

📡 Manohana izany fivoarana izany i Madagasikara, saingy manamafy fa tokony hifototra amin’ny rafitra ara-dalàna sy ara-teknika mazava, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ary indrindra tokony hahatonga ny fifandraisan-davitra ho azon’ny rehetra sitrahana.

🇲🇬🛰️ Ao anatin’izany vina izany ny tetikasa nasiônaly momba ny zanabolana, izay mikendry ny hampitombo tsikelikely ny fahafahan’i Madagasikara mampiasa ny teknôlôjia sy ny angon-drakitra avy amin’ny habakabaka ho tombontsoan’ny Malagasy araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢ë𝘭 .

Amin’ity fihaonana iraisam-pirenena ity, Madagasikara dia manamafy ny fahavononany ho mpiara-miombon’antoka mavitrika, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa, ny famindrana fahaiza-manao ary ny fanatanterahana tetikasa fitaratra (projets pilotes) ho an’ny:
🔹 fandrakofana ireo faritra mbola mitoka-monina ara-nomerika ;
🔹 fanamafisana ny serasera mandritra ny loza voajanahary ;
🔹 fahasalamana sy fanabeazana ;
🔹 ary ny fampivoarana ny fahaiza-manao ara-teknolojika eto an-toerana.

🇲🇬 Madagasikara : mankany amin’ny fifandraisan-davitra ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fanavaozana sy ny teknolojia avy amin’ny habakabaka. Tsy mijanona ho mpisitraka fotsiny fa ho mpiara-miombon’antoka sy mpandray anjara fototra.

08/09/2026
MNDPT - DIR Mahajanga
08/09/2026

MNDPT - DIR Mahajanga

📶 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡-𝗗𝗔𝗩𝗜𝗧𝗥𝗔: 𝟯𝟬𝟬 𝗞𝗜𝗧𝗦 𝗦𝗧𝗔𝗥𝗟𝗜𝗡𝗞 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗧𝗘𝗥𝗜𝗡𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗜𝗠𝗔𝗜𝗠-𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔👉 Taorian'...
07/09/2026

📶 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡-𝗗𝗔𝗩𝗜𝗧𝗥𝗔: 𝟯𝟬𝟬 𝗞𝗜𝗧𝗦 𝗦𝗧𝗔𝗥𝗟𝗜𝗡𝗞 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗧𝗘𝗥𝗜𝗡𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗜𝗠𝗔𝗜𝗠-𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔

👉 Taorian'ny fametrahana ny fampitaovana aterineto maimaim-poanateny amin’ireo oniversitem-panjakana lehibe, dia niditra amin’ny dingana vaovao amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra i Madagasikara.

Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) izay tarihin’Andriamatoa Minisitra, Mahefa Andriamampiadana sy ny orinasa Starlink ka nahatongavana amin’izao dingana lehibe izao.

✅ Kits Starlink miisa 300, miaraka amin’ny tolotra aterineto maimaim-poana no hatokana ho an’i Madagasikara. Hanomboka tsy ho ela araka izany ny fifantenana ny toerana hisitraka ireo fampitaovana ireo ka atao laharam-pahamehana ireo heverina fa hampisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka, ireo faritra mbola mitoka-monina ara-nomerika ary ireo toerana izay mbola sahirana amin’ny fisitrahana aterineto tsara kalitao.

🎯 Mazava ny vina: tsy afa-misaraka amin’ireo teknolojia vaovao i Madagasikara mba hampifandray ny Malagasy ka hampihena ny elanelana ara-nomerika.

Araka izany raha ho an’i Madagasikara, ny fibre optique, ny tambajotra finday, ireo fotodrafitrasa iombonana ary ireo tolotra aterineto avy amin’ny zanabolana dia tsy natao hifaninana fa natao hifameno mba ho fampifandraisana ny Vahoaka Malagasy.

𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮
Ny fisian’ny tolotra maimaim-poana dia mampihena ny vola mivoaka amin’ny fividianana ireo karazana tolotra samihafa. Ary rehefa mihamaro ireo teknolojia sy safidy misy, dia afaka mitondra fifaninanana bebe kokoa eo amin’ny sehatra nomerika izany, ka antenaina fa hanampy tsikelikely amin’ny fanamorana ny fahazoan’ny Malagasy aterineto amin’ny vidiny mirary kokoa.

Tsy mijanona eo ny vina fa misy ny lavitra ezaka kokoa. Tsy tokony ho mpampiasa ny teknolojia volavolain’ny hafa fotsiny i Madagasikara fa tokony ho afaka mandray ireo teknolojia tsara indrindra manerana izao tontolo izao no sady manome fahafahana ireo mpandraharaha Malagasy hamorona tolotra sy vahaolana vaovao manodidina azy ireny. Izany dia hiteraka famoronana asa sy seha-pihariana vaovao hampiroborobo ny toekarem-pirenena.

Noho izany, ny fanavaozana eo amin'ny sehatry ny nomerika dia:
• Manokatra varavarana ho an'i Madagasikara amin'ny alalan'ireo teknolojia maneran-tany
• Mampihena ny elanelana ary hampifandray ireo lavitry ny tontolo nomerika
• Hanome fahafahana ny Malagasy mba tsy ho mpampiasa fotsiny fa ho mpandray anjara sy mpamorona ao anatin’ny revôlisônina nomerika.

03/09/2026

📡𝑼𝑵𝑰𝑽𝑬𝑹𝑺𝑰𝑻É 𝑫𝑬 𝑳𝑨 𝑺𝑨𝑽𝑨 : 𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝑵𝑻𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨, 𝑴𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑾𝑰-𝑭𝑰 𝑮𝑹𝑨𝑻𝑼𝑰𝑻𝑬 𝑰𝑹𝑬𝑶 𝑴𝑷𝑰𝑨𝑵𝑨𝑻𝑹𝑨

ANTALAHA — 1 Septambra 2026

𝟐𝟖 𝐚𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
28/08/2026

𝟐𝟖 𝐚𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚

𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

26 aogositra 2026 :  ASIEF MANAKARA 2026Tontosa tamin'ny fomba ofisialy ny alarobia 26 Aogositra 2026 teo, tao amin’ny K...
27/08/2026

26 aogositra 2026 : ASIEF MANAKARA 2026

Tontosa tamin'ny fomba ofisialy ny alarobia 26 Aogositra 2026 teo, tao amin’ny Kianja Monisipaly Manakara, ny fanokafana ny Lalao Nasionaly ASIEF 2026. Ny hetsika dia teo ambany fiahiana sady natrehin'ny Filohan'ny ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Micjael Randrianirina sy ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta mivantana, Mamitiana Rajaonarison, sy ny olo-manan-kaja maro.

Araka ny toromarika sy ny fanentanana avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny lalao ASIEF dia tsy fifaninanana fotsiny fa sehatra iray lehibe hampiroboroboana ny firaisankina, ny fahamatorana, ny fifanajana ary ny fahasalaman'ny mpiasam-panjakana rehetra tsy misy fanavakavahana. Nanantitrantitra ihany koa ny Fitondram-panjakana ny amin'ny tokony hanajana ny fitsipika ka tsy hampidirana mpilalao mpikarama an'ady (mercenaires) fa ho an'ny mpiasam-panjakana ihany ny lalao.

Vonona amin'ny fampisehoana firaisankina sy fahaiza-manao ny fianakaviamben'ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) ary vonona hiaro ny lokon'ny Minisitera ireo Atleta maro izay handray anjara.

🏃‍♂️ Taranja miisa 6 no handraisan'izy ireo anjara:

⚽ Baolina kitra (Foot)

🏀 Basket-ball

🎾 Tennis

🔴 Pétanque

🃏 Belote

👟 Athlétisme

Miarahaba sy mirary fahombiazana feno ho an'ireo solontena rehetra any Manakara! Hitondra avo ny firaisankina sy ny fahaizana mifandray, satria ny fanatanjahantena dia fitaovana iray lehibe ho an'ny fampandrosoana sy ny fahasalamana. ⚡💪

Address

Place PHILIBERT TSIRANANA ANTANINARENINA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MNDPT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to MNDPT:

Shortcuts

Share