22/05/2026
🇲🇬🤝 𝗙𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘀𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗸𝗮 | 𝗠𝗡𝗗𝗣𝗧 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗕𝗮𝗻𝗸𝘆 𝗜𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮
🗓️ 21 mey 2026
🤝 "𝗖𝗼𝗹𝗹𝗮𝗯𝗼𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘁 𝗠𝘂𝘁𝘂𝗮𝗹𝗶𝘀𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻" ireo no foto-kevitra nasongadin’andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Mahefa Andriamampiadana, nandritra ny dinika an-databatra boribory, niarahana tamin'ny delegasion'ny Banky Iraisam-pirenena, ireo mpandraharaha misahana ny nomerika, ny ARTEC ary ny teo anivon’ny sehatra tsy miankina.
📡 Nifantoka tamin’ny fitadiavana vahaolana hanatsarana ny “connectivité” manerana ny Nosy ireo fifanakalozana, mba hampiroboroboana ny fampiasana ny nomerika ho an’ny famokarana, ny famoronana asa ary ny fampitomboana ny anjara birikin’ny sehatra nomerika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena nasionaly.
💡 Nohamafisina nandritra izany fa na eo aza ny fifaninanana eo amin’ny tsena, dia andraikitra iombonana ny fanatsarana ny connectivité nasionaly. Ilaina araka izany ny 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒇𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂-𝒎𝒊𝒂𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒎𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 "𝒎𝒖𝒕𝒖𝒂𝒍𝒊𝒔𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏", 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒉𝒂𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒐𝒌𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒅𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒐𝒍𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒐𝒎𝒆𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂-𝒑𝒆𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒊𝒅𝒊𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒌𝒂𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒐.
🖥️ Notanterahina ihany koa ny fitsidihana stratejika teny amin’ny “𝗗𝗮𝘁𝗮 𝗖𝗲𝗻𝘁𝗲𝗿 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹”, nijerena ny fanamafisana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa nomerika nasionaly, izay singa fototra amin’ny fahaleovantena ara-nomerika eto Madagasikara.
ARTEC
Banque mondiale Madagascar