DRCC Vakinankaratra

DRCC Vakinankaratra Représentant du MCC au niveau de la Région Vakinankaratra.

15/01/2026
08/01/2026

🟥🟥 FANDAHARANA MANOKANA 🟥🟥

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀: 𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗠𝗜𝗩𝗔𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝟮 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔

Mandritra ny fandaharana manokana ho arahinao eto amin'ny TVM androany Alarobia 7 Janoary 2026 amin'ny 8 ora sy sasany alina ( 20h30) no hitondran'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Haingotiana ANDRIAMADISON fanazavana amintsika ireo asa rehetra natao teo anivon'ny Departemanta iadidiany tao anatin'ny 2 volana nitantanany.

Manasa anao ary hanaraka izany.

08/01/2026
06/01/2026

𝙃𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙝𝙞𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙝𝙞𝙖𝙙𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙉𝙚𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣-𝙙𝙧𝙖𝙟𝙖𝙠𝙤!

Mitohy hatrany ny asa ataon'ny avy eto amin'ny Drcc Vakinankaratra ny amin'ny fiarovana ny mpanjifa ka natomboka androan...
15/12/2025

Mitohy hatrany ny asa ataon'ny avy eto amin'ny Drcc Vakinankaratra ny amin'ny fiarovana ny mpanjifa ka natomboka androany 15 décembre 2025 maraina ny hetsika fanaraha- maso sy fisavana ireo fitaovam- pandanjana rehetra ampiasain'ireo mpivarotra eto amin'ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra
Midina eny anivon'ireo mpivarotra tsirairay mihintsy ireo teknisianina manao ny fitsarana ka izay mizana mampiahiahy sy tsy marina na ihany koa mbola tsy manana ny vignette dia hogiazana ka asaina oentin'ireo tompony hamboarina any amin'ireo réparateurs agréés izany.
Tafiditra hatrany ao anatin'ny fiarovana ny mpanjifa izao hetsika izao.

_[ 11-12-13 Septambra 2025]_  *" VITRINE DU VAKINANKARATRA "* ANDIANY FAHA 27 *Amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra s...
16/09/2025

_[ 11-12-13 Septambra 2025]_
*" VITRINE DU VAKINANKARATRA "* ANDIANY FAHA 27
*Amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra sy fampahafantarana ireo orinasa any an-toerana, diaben'ny firaisankina ary fampirantiana amin'ny tranoheva maherin'ny 330 manoloana ny garan'Antsirabe no anohanana ny mpandraharaha sy ny orinasa madinika, hampiroboroboana koa ny indostria sy ny varotra eny ifotony*

📌"Fitomboan'ny orinasa, fepetra tena ilaina amin'ny fampandrosoana miaraka sy maharitra eto amin'ny Faritra". Telo andro no natokan'ny FIOVA (Fikambanan'ny Orinasan'i Vakinankaratra) hiarahana mientana anatin'ny hetsika fanao isan-taona "Vitrine du Vakinankaratra". Asongadina amin'izany ny fampivoarana ny orinasa, ny fampitomboana ny vokatra ary ny fampifanarahana amin'ny lafiny tsena mba ahafahana mitondra fitomboana ara-toekarena maharitra ho an'ny Faritra Vakinankaratra.

✅Mpiahy ny Vitrine du Vakinankaratra andiany faha-27 moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA izay nosoloin'ny Talen'ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) Hanitsoa Ravo RAMAHERY tena nandritra ny lanonam-panokafana izay natrehan'ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an'ny Faritanin'Antananarivo, ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ireo manampahefana any an-toerana.
🟢Anisan'ireo mandray anjara amin'ny hetsika ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC Vakinankaratra), ny Orinasa ODOF (One District One Factory) Ampalia, Naturia, Orora ary Tetikasa fanohanana ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Sehatra ara-bola (PAISF).



Address

Lot 24 Q 20 Manodidina Ny Gara
Antsirabe
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRCC Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DRCC Vakinankaratra:

Share