12/10/2025
đź”´ Tsy handray anjara amin'ny Governemanta izahay
📌Notsoahana ny ministra (Malagasy) fa ny tale jeneraly (vahiny) be karama lavitra tazonina.
📌Ny zanakareo alefanareo any an-dafy ary aderadera mihitsy dia ny zanakay eto Madagasiara tifirinareo.
📌Midika izany fa tsy mahatoky MALAGASY mihitsy ianareo. Heverinareo fa ratsy avokoa (na mpitantana na mpianatra na mpitsabo…) raha vao Malagasy, nefa mpanazatra Malagasy ihany no lasa famaranana tamin’ny baolina kitra.
📌TSIA, tsy toe-tsaina mifanaraka amin’ny antoko izay tarihiko izany ka TSY AFAKA ny handray anjara amin’ny governemanta izay ho antsangana izahay avy amin’ny antoko TIA TANINDRAZANA.
📌Atsaharo ny famonoana feno habibiana ireo menaky ny ainay fa ny hery tsy ahaleo ny fanahy. Ny vahiny indray no mitaintaina ho an’ny zanakay fa ianareo manohy fampijaliana foana.
📌Dia faly ve izao ianareo herim-pamoretana rehefa tonga any antrano hoe nandratra sy nahafaty zaza firy aho androany?