DREAH Analanjirofo

DREAH Analanjirofo Direction Régionale de l ´Eau, de l ´Assainissement et de l ´Hygiène Analanjirofo

17/04/2025
19/10/2024
Fitokanana rano fisotro madio tao Ifotatra ny 25 Septambra 2024 sy Agnafiafy ny 26 Septambra 2024, tao amin'ny Kaomina a...
28/09/2024

Fitokanana rano fisotro madio tao Ifotatra ny 25 Septambra 2024 sy Agnafiafy ny 26 Septambra 2024, tao amin'ny Kaomina ambonivohitra Sainte Marie, distrika Sainte Marie, faritra Analanjirofo. Ny mpamatsy vola dia SEDIF ary ny mpandrindra kosa dia ny ONG GRET. Ny fitokanana dia natrehan'i Madama Governoram-paritra Analanjirofo, Ny Préfet de police Sainte Marie, Ben'ny Tanana Sainte Marie, Ireo Tompon'andraikitra mpamatsy vola avy any Frantsa "SEDIF", ny Lehiben'ny ONG GRET eto Madagascar sy ny tompon'andraikitra aty Analanjirofo ary ireo manampahefana rehetra eto Sainte Marie.
Ny ONG GRET dia anisany mitondra anjara biriky lehibe amin'ny tahan'ny fisitrahana rano fisotro madio ato amin'ny faritra Analanjirofo. Ny efatra (04) amin'ireo Distrika enina (06) ato amin'ny faritra dia izy avokoa no nanatontosa azy.
Anisany zava-dehibe nodinihina taty koa ny fanatsarana sy fanohizana ny fiaraha-miasa izay tantanan'ny orinasa JIRAMA eto Sainte Marie, Fenerive-Est, Soanierana Ivongo sy Vavatenina izay tantaan'i NY RAVO.

Ny Fandaharan'asa Taboboko (ALL in One) ao amin’ny Kaominina Maromitety Distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo dia...
29/08/2024

Ny Fandaharan'asa Taboboko (ALL in One) ao amin’ny Kaominina Maromitety Distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo dia fandaharan'asa mandrako fotodrafitrasa rano fisotro madio, fanadiovana sy fidiovana ho an'ny tanana rehetra mandrafitra ny kaominina iray manontolo "All In One".

Mponina miisa 19 911 mizara anaty 5531 tokantrano no misitraka ity fandaharan'asa ity.

Ny 5 ka hatramin'ny 21 aogositra lasa teo no nanantanterahana ny fandraisana vonjimaika ireo fotodrafitrasa miisa 16 amin'ny 17 dia: Analabe, Antsirabato-Ambatovaky, Ambodimanga Sahavaviagna, Antsirakoraka, Morafeno, Ambodigavo, Vavazahana, Tsarahonenana-Mamositrakondro, Ambohimarina, Antsirabe Sud, Ambalakondro, Vohibary-Ankorovana, Mahatsinjo, Maromitety, Ambatohasana, Mahavelona-Nosibe tamin'ny alalan'ny fizahan'ireo ratsamangaika voakasika rehetra izay notarihin'ny Talem - paraîtra ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny ben'ny Tanana kaominina Maromitety, ny teknisianina avy amin'ny birao mpanadihady Sandandrano ary ireo solontena avy amin'ireo orinasa Nana tanteraka ny asa: Mada Green Power, Fanantenana ary Ny Ravo ireo pitson'asa nasiana fanatsarana nandritra ny fandraisana ara- tekinika ny asa rehetra.

Nisy niaraka tamin'izany ihany koa ny tafatafa niarahana tamin'ireo fokonolona an-tanana ny momba ny dingana rehetra tokony harahina hahafahana misitraka ny fotodrafitrasa na fitarihana ny rano ho an'ny isan-tokatrano (branchement particulier) na ny itambarana tokantrano maromaro (branchement social) na ny itambarambe (quiosque). Nampahafantarin'ny orinasa mpitantana Ny Ravo ihany koa ny saran'izany rehetra izany.

Izany fampahafantarana izany dia fanamafisana ny efa natao hatramin'ny fiantombohan'ny tetikasa mba ho fampaharetana ny fotodrafitrasa araka ny tanjona napetraky ny Ministeran'ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana mifandraika aminny politikam - panjakana s'y ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra.
.

Famatsiana rano fisotro madio Fokontany Andapatsara, Kaomina Maromitety, Distrika Vavatenina, Faritra Analanjirofo, tant...
11/05/2024

Famatsiana rano fisotro madio Fokontany Andapatsara, Kaomina Maromitety, Distrika Vavatenina, Faritra Analanjirofo, tanteraka ny zoma 10 May 2024 ny fitokanana ara-tekinika.
Mbola ao anatin'ny tetik'asa "All-in-One" izay vatsian'ny UNICEF vola, izay iarahana amin'ireto mpanamboatra sady mampiasa vola no mpitantana dia NY RAVO, SANDANDRANO ary MADA GREEN POWER.
Eo ambany fanaraha-maso DREAH ANALANJIROFO kosa ny foto-drafitr'asa.
Marihana fa efa "Kiosque à jetons" no ampiasaina eto. Miisa 653 ny olona misitraka io foto-drafitr'asa io.
Mankasitraka ny rehetra nandritra ny fanatanterahana azy.

Famatsiana rano fisotro madio ny Fokontany Ambodigavo, Distrika Vavatenina, faritra Analanjirofo.Vita ny 08 May 2024 ny ...
09/05/2024

Famatsiana rano fisotro madio ny Fokontany Ambodigavo, Distrika Vavatenina, faritra Analanjirofo.
Vita ny 08 May 2024 ny fitokanana ara-tekinika ny fotodrafitrasa ka mponina miisa 1058 no hisitraka izany. Ao anatin'ny tetik'asa "All-in-One" izay iarahana amin'i UNICEF.

Famatsiana Rano fisotro madio ho an'ny kaominina Ambanivolo Ambanjan'ny Sahalava, distrika Fenoarivo Atsinanana.Ny alats...
08/05/2024

Famatsiana Rano fisotro madio ho an'ny kaominina Ambanivolo Ambanjan'ny Sahalava, distrika Fenoarivo Atsinanana.

Ny alatsinainy faha 06 may 2024 lasa teo no nihaonana tamin'ny Monsieur Jean Luc MAUGET sy Madame Caroline MAUGET ary Madame Riana, solontena avy amin'ny fikambanana Marcq Madagascar, ny solontena avy amin'ny DREAH Analanjirofo sy ny ONG SOAKOJA izay niresahana indrindra ny asa vita nandrindra ny dingana voalohany namatsiana rano ho an'ny chef lieu ny kaominina Ambanivolo Ambanjan'ny Sahalava ary koa ny dingana faharoa ny tetik'asa izay hatomboka amin'ny volana jolay ho avy izao dia ny hanitarana ny tetik'asa amin'ny tananan'ny Ambahoaka, Ambatofotsy ary Antenina izay samy ao anatin'ny kaominina io ihany.

Mponina miisa 1365, tokantrano 408 no voafatsin'ny tetik'asa andian'ny voalohany ary 47 tokantrano no efa misitraka izany amin'ny alalan'ny fampidirana rano isantonkatrano. Kiosque à eau 8 ihany koa no napetraka ho an'ireo tsy mbola nahavita nampiditra any antranony.
Laharampahamehana tamin'izany ihany koa ny fampidirana rano ny tobim-pahasalamana (CSB2) sy ny biraon'ny kaominina ary ny sekolim-panjakana ao antoerana.

Ny fampiasana ny rano fisotro madio dia andoavam-bola amin'ny vidiny mirary ho fikarakarana sy fampaharetana ny fotodrafitrasa. Misy ihany koa anefa ny fitsinjovana ireo olona tena sahirana ahitana 55tokantrano amin'ny alalan'ny fizarana karatra sosialy izay azahoana rano 30 bidons amin'ny vidiny 100ar isambolana.





.

Address

Fénérive-Est

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREAH Analanjirofo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share