CR.FIP Atsimo Atsinanana

CR.FIP Atsimo Atsinanana La Compagnie Régionale des Forces d'Intervention de la Police Atsimo Atsinanana basée à Farafangana.

Miarahaba ireo ray rehetra tsy ankanavaka!🙏🫂
16/06/2024

Miarahaba ireo ray rehetra tsy ankanavaka!🙏🫂

  Tontonsa androany Sabotsy faha-15 Jona 2024 tamin'ny 11ora marina, teto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoak...
15/06/2024




Tontonsa androany Sabotsy faha-15 Jona 2024 tamin'ny 11ora marina, teto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ny Faritra Atsimo Atsinanana eto Farafangana, ny famindram-pitantanana teo amin'ny Commissaire de Police RAWILLY Michel, Tale-paritry ny Filaminam-bahoaka ny Faritra Atsimo Atsinanana teo aloha izay voatendry ho Tale-paritry ny Filaminam-bahoaka ny faritra Melaky ankehintriny, sy ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, izay Tale-paritry ny Filaminam-bahoaka ny Faritra Atsimo Atsinanana mpisolo toerana (Directeur par intérim), sady Tale-paritry ny Filaminam-bahoaka ny Faritra Fitovinany am-perin'asa.

Taorin'io dia naneho fisaorana sy tso-drano tamin'ireo mpiara-niasa tampiny ny Tale teo aloha raha toa ka nametrapetraka ny toromatika rehetra kosa ny Tale vaovao.

Izahay eto amin'ny dia mamerina ny fisaorana feno fankasitrahana sy fankatelemana an'Ato Tale teo aloha tamin'ny fitantanana, fitaizana, fananarana ary mampanantena azy fa tsy handraraka ilo mby an-doha tamin'ny soa rehetra vitany taminay.



10/06/2024

Bon début d'semaine à toutes et à tous!🙏🙏🫂

09/06/2024

" ’’

☑️📈 Tsapa fa mitombo isa ny asa ratsy fanolanana tato ato, ny tena loza dia saika ireo tsy ampy taona no iharan’izany;
☑️ Ilaina ny fahamailoana fa havana akaiky (Ray niteraka, raikely, iray tampo, anadahin-dreny, rahalahin-dray, mpampianatra, tompon' trano ...) no mahavanin-doza.

Ny Polisimpirenena dia miady amin' ny herisetra mifototra amin' ny maha-lahy sy maha- vavy ( Lutte contre les VBG) sy ny ady amin' ny fanararaotana ara-nofo atao amin' ny ankizy (abus sexuels envers les mineurs).

☑️ 👨‍👩‍👧‍👦Ho Antsika Ray aman-dReny niteraka, Ray aman-dreny mpiahy, mpanabe.
- Araho maso akaiky ny ankizy :
• iza avy ny namany ?
• Aiza ny toerana falehany na filalaovany ?
• Inona avy ny fataony ?
• Ny fiankanjony, ny fiteniny, firesany.
Fa ny tena zava-dehibe nefa mazàna hadinointsika dia ny fahasalamany, ny fivoaran’ny toe-batany, ny fahatongavan’ny fotoana ho an’ny zazavavy.

☑️📣 Iresaho ny ankizy, mizara mifanakalo hevitra aminy, aza atao FADY na SAKANA ny firesahana fananahana amin’ny zanaka ; atoroy azy ny tokony sy ny tsy tokony hataony, ataovy namana izy mba hialan’ny tahotra sy ny fihafahafana izay sakana tsy hafahany milaza izay manjo azy aminao.

☑️ 📌 TANDREMO ! Aza atakalo FIHAVANANA ny ho avin’ny Zanaka, ny fiainan’ny ankizy. Rehefa misy trangana fanolanana dia ataovy ny fitoriana na iza na iza nanao izany, eny fa na havana akaiky aza.

❌ ❗, midika ho firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy izany, fanomezana vahana ny mpanao ratsy.

📣📣📣 Hentanina ny rehetra fa na iza na iza mahita trangana herisetra na fanolanana atao amin’ny tsy ampy taona dia afaka mampandre haingana ny Polisy. Manome toky ny Polisim-pirenena fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao :
📣 Sahia miteny
📣 Sahia mampahafantatra
📣 Sahia mitoroka
📣 Sahia mitory
📱☎️ 117 / 034 07 517 15

🎬

  Fandraisan'anjara an'ny   tamin'ny   ho fanamarihana ny andro iraisam-prenena ho an'ny ranomasimbe izay notontosaina t...
08/06/2024




Fandraisan'anjara an'ny tamin'ny ho fanamarihana ny andro iraisam-prenena ho an'ny ranomasimbe izay notontosaina teny amorotsirak'i Farafangana teny Amorondrano. Fanadiovana ny sisin-drano sy fanentanana ireo mpanasa lamba mba tsy hanarinary fako sy fonosana vovon-tsavony eny an-toerana ary hitandro ny fahadiovana hatrany.

.





 .✊ .🤝 .🇲🇬Manentana antsika rehetra mba hametaka sainam-pirenena isa-tokatrano ho mariky n'y fitiava-tanindrazana!🇲🇬🇲🇬🇲🇬
07/06/2024

.✊
.🤝
.🇲🇬

Manentana antsika rehetra mba hametaka sainam-pirenena isa-tokatrano ho mariky n'y fitiava-tanindrazana!🇲🇬🇲🇬🇲🇬

06/06/2024

🏍️

FIAROVANA ny ainao no antony itakian'ny mpitandro filaminana ny aroloha fa tsy filam-banina velively

✅ Isany efa nampahafantarina sy takiana amin'ireo mpitondra moto :

📌Ny fametrahana rétroviseur : ho an'ireo moto tsy misy izany dia asaina mijery na mividy ary mametraka ilay rétroviseur eo noho eo vao afaka mandeha ilay moto hoentiny

📌Ny famatorana tsara ny Aroloha : mitovy amin'ny tsy manao Aroloha ihany isika raha sendra mianjera rehefa tsy mipetraka sy mifatotra tsara ilay Aroloha (Fadio ny aroloha natokana ho an'ny Mpanao trano na casque de chantier fa tsy maharo ny loha raha sendra loza).

📌Ny jiro : tokony hisy jiro hatrany ny moto ary hampiasa izany hahafahan'ny mpampiasa lalana mahita ilay moto

📌 Ny fanaovana ireo akanjo lava sy kiraro : fanentanana fotsiny ihany no ataon'ny mpitandro ny filaminana fa miankina amin'ny tsirairay ny fanaovana izany.

🚨 Hamafisina hatrany fa ho fiarovana ny aintsika mpitondra moto ny fametrahana ireo fepetra ireo ka tsy mikely soroka ny Polisim-pirenena manamafy ny fanentanana.

🙏 🙏
❤️ ❤️

Izahay eto amin'ny       dia midera sy mankasitraka ny vahoakan'i Farafangana nanaja ny toromarika sy fandaminana ka nah...
30/05/2024

Izahay eto amin'ny dia midera sy mankasitraka ny vahoakan'i Farafangana nanaja ny toromarika sy fandaminana ka nahavitàna am-pilaminana tanteraka ny latsa-bato nandritra ny andron'ny fifidiana omaly faha-29 May 2024.
Isaorana manokana ihany koa ireo mpirahalahy mianala ao @ CSP Farafangana, ny Zandarimariam-pirenena art ny Tafika niara-nisalahy tamin'ny fampandriana fahalemana tamim-piraisankina tanteraka!🫂🙏👮‍♂️👮🏿‍♂️



✅️ Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena dia mirary fetin'ny reny sambatra hoan'ny r...
26/05/2024

✅️ Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena dia mirary fetin'ny reny sambatra hoan'ny reny rehetra.

🤝 👮Arahabaina manokana ireo reny eto anivon'ny Polisimpirenena izay miantsoroka adidy goavana na ao an-tokatrano izany na eo amin'ny asa maha Polisy azy ireo.


Qu'il vente, qu'il pleuve ou qu'il fasse chaud au soleil, on ne renonce pas à nos engagements et on reste fidèle à nos c...
18/05/2024

Qu'il vente, qu'il pleuve ou qu'il fasse chaud au soleil, on ne renonce pas à nos engagements et on reste fidèle à nos convictions.



💢⚠️💢TANDREMO💢⚠️💢Mety ho sendra ireto tranga ireto ianao dia tsarovy fa herisetra izany!‼️‼️‼️  (TAnora Filamatra Aho)✍️©...
15/05/2024

💢⚠️💢TANDREMO💢⚠️💢

Mety ho sendra ireto tranga ireto ianao dia tsarovy fa herisetra izany!‼️‼️‼️

(TAnora Filamatra Aho)✍️©️®️
👮‍♀️
👮‍♀️

Address

Farafangana
309

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CR.FIP Atsimo Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share