BIANCO Fianarantsoa

BIANCO Fianarantsoa La Direction Territoriale du BIANCO Fianarantsoa à été mise en place en 2006.

Le BIANCO est chargé de conduire la mise en œuvre de la stratégie nationale de lutte contre la corruption

“𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂”𝑭𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑽𝒆𝒉𝒊...
10/03/2026

“𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂”

𝑭𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚: 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒗𝒊𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑩𝑰𝑨𝑵𝑪𝑶 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂

► Fampirantina, fahatsiarovana ny Vehivavy Mahery Fo sy carnaval no nentin’ireo Vehivavin’ny BIANCO Fianarantsoa sy ny Tambajotran’ny Tanora mitandro ny Fahitsiana sy ny Fahamarinana na RHI nankalaza ny andron’ny 8 mars 2026 teto Fianarantsoa.

►Hetsika izay notarihin-dRamatoa Sekretera Jeneraly ny Faritra sy Ramatoa Lehiben’ny Prefektora ary Ramatoa Vadin’ny Ben’ny Tanàna ny Kaominina Renivohitra

🌴𝗝𝗢𝗨𝗥𝗡𝗘𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 𝗘𝗖𝗢𝗟𝗘𝗦 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 : 𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗺𝗮𝘃𝗶𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗥𝗛𝗜🌲☘️🪴Fambolen-kazo fihinamboa sy haingo-tanana ary fan...
20/02/2026

🌴𝗝𝗢𝗨𝗥𝗡𝗘𝗘𝗦 𝗗𝗘𝗦 𝗘𝗖𝗢𝗟𝗘𝗦 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 : 𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗺𝗮𝘃𝗶𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗥𝗛𝗜🌲☘️🪴

Fambolen-kazo fihinamboa sy haingo-tanana ary fanentanana ho fiarovana ny tontolo iainana no hetsika nanamarihan’ny RHI ny andron’ny sekoly teto Fianarantsoa

✅ 𝗗𝗮𝘁𝘆 : 18 - 19 – 20 febroary 2026

✅ 𝗧𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 : Lycée Mahazengy, Lycée RR, Lycée Ralaimongo, CEG Joel Rakotomalala

✅ 𝗟𝗼𝗵𝗮𝗵𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 : “ℳ𝓅𝒾𝒶𝓃𝒶𝓉𝓇𝒶 𝓈𝒶𝓁𝒶𝓂𝒶 𝓈𝓎 𝓂𝒶𝓋𝒾𝓉𝓇𝒾𝓀𝒶, 𝒶𝓃𝓉𝑜𝓀𝓎 𝓃𝓎 𝒽𝑜𝒶𝓋𝒾𝓃𝓎”

✅ 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 : ONG Tandavanala - ONG Ny Tanintsika – DREDD

"𝐈𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 "

💥🤝🤝 𝗙𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 🤝🤝💥Tena nisongadina ny fiombonan’ny rehetra teto Fianarantsoa tamin’ny fanamarihana ny «...
11/12/2025

💥🤝🤝 𝗙𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 🤝🤝💥

Tena nisongadina ny fiombonan’ny rehetra teto Fianarantsoa tamin’ny fanamarihana ny « 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗶𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 @ 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆 » 𝗻𝘆 𝟵 𝗱𝗲𝘀𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 lasa teo, tao amin’ny lapan’ny faritra ka intondrana ny 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝙨𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮.

Lohahevitra : " Miombona amin'ny Tanora amin'ny Ady amin'ny kolikoly, manangana hoavy anjakan'ny fahitsiana"

𝗛𝗘𝗧𝙎𝗜𝗞𝗔 :

✅ Adihevitra an-databatra biribory mitondra ny lohahevitra : Fiaraha-mientana amin'ny Ady amin’ny kolikoly @ lafiny Fanabeazana, Fisorohana ary fampiharana ny lalàna"
✅ Rodorodo fanambaram-pananana
✅ Varavarana misokatra tao amin’ny sampandraharahan’ny ETAT CIVIL kaominina renivohitra Fianarantsoa
✅ Fanentanana nataon'ny Tanora RHI

𝗠𝗣𝗜𝗔𝗥𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗛𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 :

☑️ Préfecture Fianarantsoa,
☑️ Faritra mahatsiatra Ambony
☑️ Kaominina Renivohitra Fianarantsoa
☑️ PAC Fianarantsoa
☑️ DREN Mahatsiatra Ambony sy ireo sekoly rehetra eto Fianarantsoa
☑️ FANDAHARAN’ASA EAURIZON 2028
☑️ ONG TANDAVANALA
☑️ ONG LAMINA
☑️ ONG TANINTSIKA
☑️ ONG FIANTSO
☑️ Antilin’i Madagasikara

10/07/2025
20/06/2025

📌FILAZANA FIKAROHANA

𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒊𝒕𝒓𝒐 𝒊𝒇𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂👉 𝑁𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑛𝑗𝑎𝑟𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑜𝑓𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚𝑜𝑛𝑖𝑚𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑒ℎ𝑎...
28/05/2025

𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒍𝒆𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒌𝒊𝒕𝒓𝒐 𝒊𝒇𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂

👉 𝑁𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑦 𝑎𝑛𝑗𝑎𝑟𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑜𝑓𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚𝑜𝑛𝑖𝑚𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑝𝑎ℎ𝑎𝑙𝑒𝑚𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐵𝐼𝐴𝑁𝐶𝑂 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑑𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑘𝑜𝑙𝑖𝑘𝑜𝑙𝑦 𝑛𝑦 𝟸𝟽 𝑚𝑒𝑦 𝟸𝟶𝟸𝟻 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝐹𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑡𝑠𝑜𝑎.

👉 𝐴𝑛𝑖𝑠𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 “𝑆𝑜𝑎 𝑀𝑖𝑟𝑎𝑦 𝐷𝑖𝑎” 𝑎𝑡𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑀𝑎𝑡𝑠𝑖𝑎𝑡𝑟𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑡𝑖𝑘𝑎𝑠𝑎 𝐿𝐴𝑁𝐷𝐽𝐴 (𝐿𝑎𝑙à𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑁𝑦 𝐷𝑖𝑛𝑎, 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝐽𝑖𝑎𝑏𝑦 𝐴𝑟𝑎-𝑑𝑟𝑎𝑟𝑖𝑛𝑦) :“𝑅𝑎𝑝𝑝𝑟𝑜𝑐ℎ𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝑗𝑢𝑠𝑡𝑖𝑐𝑒 𝑡𝑟𝑎𝑑𝑖𝑡𝑖𝑜𝑛𝑛𝑒𝑙𝑙𝑒 𝑒𝑡 𝑓𝑜𝑟𝑚𝑒𝑙𝑙𝑒 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑢𝑛𝑒 𝑚𝑒𝑖𝑙𝑙𝑒𝑢𝑟𝑒 𝑐𝑜ℎé𝑠𝑖𝑜𝑛 𝑠𝑜𝑐𝑖𝑎𝑙𝑒” 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑡𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑛𝑑𝑠 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑙𝑎 𝐶𝑜𝑛𝑠𝑜𝑙𝑖𝑑𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝑃𝑎𝑖𝑥 𝑒𝑜 𝑎𝑛𝑖𝑣𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑃𝑁𝑈𝐷.

👉 𝑁𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 ℎ𝑖𝑠𝑖𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑚𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑙𝑒𝑚𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑟𝑎𝑓𝑖-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑡𝑜𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑓𝑖𝑙𝑎𝑚𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑆𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎 ℎ𝑎𝑓𝑎 (𝑃𝑟𝑒𝑓𝑒𝑘𝑡𝑖𝑜𝑟𝑎, 𝐹𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎, 𝐷𝑖𝑠𝑡𝑟𝑖𝑘𝑎, 𝐾𝑎𝑜𝑚𝑖𝑛𝑖𝑛𝑎) 𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑖𝑠𝑖𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑔𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑡𝑜𝑘𝑖𝑠𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑣𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛𝑡𝑜𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑓𝑜𝑡𝑜𝑛𝑦.

𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 : 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗕𝗜𝗔𝗡𝗖𝗢 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮►Tontosa teto Fianarantsoa ...
13/05/2025

𝗙𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 : 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗕𝗜𝗔𝗡𝗖𝗢 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮

►Tontosa teto Fianarantsoa ny 09 may 2025 ny fankalazam-pirenena ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy mifototra amin’ny lohahevitra hoe “Firaisankina ho an’ny rejistra sosialy tokana”.

►Tonga nitarika sy nanome voninahitra ny hetsika ny Ministry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy izay notanterahana nanoloana ny Lapan’ny Tanàna.

►Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny BIANCO Fianarantsoa tamin’ny alalan’ny trano heva nentina nanentanana ireo mpitsidika ny maha-zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly eo lafiny ara-tsosialy.

►Anisany itarainan’ny vahoaka eo anivon’ny BIANCO ny fanodikodinana ataon’ireo tompon’andraikitra sasany mikasika ny vola sy ny fanampiana ho an’ireo tokony hisitraka izany.

►Koa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay manoloana ny mety tsy ho fanarahan-dalàna sy ny fitorohana ireo endrika kolikoly aterak’izany ho tombotsoan’ny daholobe ho antoky ny fampandrosoana.

𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆 : 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 𝟵𝟭 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆​►Amin’izao fa...
21/03/2025

𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆 : 𝗕𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 𝟵𝟭 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆


►Amin’izao fanombohan’ny taom-piasana izao, Ben’ny Tanàna avy amin’ny Kaominina 91 mandrafitra ny Faritra Matsiatra Ambony no niatrika fiofanana izay nokarakarain’ny Faritra ny 19 sy 20 martsa 2025 teto Fianarantsoa.

►Tsy diso anjara tamin’izany ny BIANCO ka nisy ny famelabelarana nentin’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Olivier, Talen’ny BIANCO Fianarantsoa nampahafantarana ireo endrika kolikoly mateti-pitranga eo amin’ny fisahanan’izy ireo ny andraikitra mba ho fisorahana izany.

►Nofaranana tamin’ny fandraisana ireo fanambaram-pananana ny fotoana izay adidy araka ny voalazan’ny lalàna amin’izao andraikitra vaovao raisin’izy ireo izao.

𝐕𝐚𝐨𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐮𝐬𝐭𝐢𝐜𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐚𝐢𝐱 : 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐤𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐭𝐨𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲►Ny fiaraha-miasa misy eo am...
15/03/2025

𝐕𝐚𝐨𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐮𝐬𝐭𝐢𝐜𝐞 𝐞𝐭 𝐏𝐚𝐢𝐱 : 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐤𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐭𝐨𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲

►Ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny BIANCO sy ny Fiangonana Katolika no nahafahana nanamafy ny traikefan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera Justice et Paix momba ny ady amin’ny kolikoly.

►Notanterahina ny 14 sy 15 martsa 2025 tao Ambositra nandritra ny fihaonamben’ny mpikambana ao anatin’ny arsidiosezy Atsimo Atsinanana (Fianarantsoa, Ambositra, Ihosy, Mananjary, Farafangana) ny fampiofanana.

►Navoitra nandritra ny fotoana ny andraikitry ny kristiana katolika manoloana ny ady amin’ny kolikoly ka tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Pretra SATA Jean Noel, Sekretera Jeneraly Justice et Paix Foibe.

𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝟎𝟖 𝐦𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 : 𝐭𝐬𝐲 𝐝𝐢𝐬𝐨 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎►“Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy ...
10/03/2025

𝐅𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝟎𝟖 𝐦𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 : 𝐭𝐬𝐲 𝐝𝐢𝐬𝐨 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎

►“Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra”, io no lohahevitra nentina nanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny 08 martsa.
►Anisany nandray anjara mavitrika ny vehivavy mpiasan’ny BIANCO eto Fianarantsoa notronin’ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny tambazotran’ny tanora miady amin’ny kolikoly eny amin’ny Université Fianarantsoa.
►Akoatrin’ny filaharana nentina namakivaky ny tanàna sy hetsika ara-kolotsaina maro samihafa dia anisany nampiavaka ity fankalazana ity ny fitokanana ny “vitrine d’information” izay nandraisan’ny BIANCO anjara

Address

Bureau Indépendant Anti-Corruption Direction Territoriale De Fianarantsoa Bâtiment "Haogna” Tanambao BP: 1225,-Fianarantsoa
Fianarantsoa
301

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when BIANCO Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to BIANCO Fianarantsoa:

Share