CUF - Commune Urbaine de Fianarantsoa

CUF - Commune Urbaine de Fianarantsoa La Commune Urbaine de Fianarantsoa est le chef lieu de la région Haute Matsiatra.

La commune assure pour l’ensemble de ses habitants la sécurité publique, la défense civile, l'administration et l'aménagement du territoire.

Nahazo fanampim-pahallalana ny Mpamonjy voina FianarantsoaNiala sasatra teto andrenivohitr'i Fianarantsoa no nampita fah...
29/10/2024

Nahazo fanampim-pahallalana ny Mpamonjy voina Fianarantsoa

Niala sasatra teto andrenivohitr'i Fianarantsoa no nampita fahalalana mahakasika ny famonjena voina sy fampiasana ny fitaovana, ny fikambanana mpamonjy voina avy any Vendée France

Code municipal d'hygièneAseho an-tsary ny ampahany voalaza ny arrêté 90 CU/F/CAB.20
28/09/2024

Code municipal d'hygiène

Aseho an-tsary ny ampahany voalaza ny arrêté 90 CU/F/CAB.20

Ny BAH, midina ifotony manara-maso ny fampiharana ny didim-pitondrana faha-90 CU/F/CAB.20, mifehy ny resaka fanadiovana ...
19/09/2024

Ny BAH, midina ifotony manara-maso ny fampiharana ny didim-pitondrana faha-90 CU/F/CAB.20, mifehy ny resaka fanadiovana sy fidiovana.

Miara-dalana ny sampan'asa miandraikitra ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fikojakojana ny fotodrafitrasa, ny CAH, ny Lehiben'ny Boriboritany

BAH : Brigade d'assainissement et de l'hygiène
CAH : Comité de l'assainissement et de l'hygiène

Eny Anosy
05/09/2024

Eny Anosy

ATRIKASA MAHAKASIKA NY HETRANajoro tamin'ny alalan'ny didim-pitondrana ny "commission de l'évaluation de l'impôt" eto an...
12/06/2024

ATRIKASA MAHAKASIKA NY HETRA

Najoro tamin'ny alalan'ny didim-pitondrana ny "commission de l'évaluation de l'impôt" eto anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa. Didim-pitondrana laharana faha-117 CU/F/CAB 24

Mandrafitra izany ny :
- solontena 1 avy amin'ny sampan'asa ny Voaria
- solontena 2 avy amin'ny centre fiscal
- solontena 1 avy amin'ny sampandraharaha-paritry ny Asa vaventy
- solontena 5 avy amin'ny delege-panjakana misolontena ny vahoaka tendren'ny Prefe
- solontena 5 avy amin'ny Lehiben'ny Fokontany notendren'ny Ben'ny Tanàna misolontena ny mponina

Vaomiera hanampy ny sampan'asa miandraikitra ny Hetra trano sy tany eto amin'ny Kaominina, hanao fanombanana, sy famaritana ary hanampy amin'ny "barème" fikajiana ny sara hampiharina amin'ny hetra trano sy tany fa hitodika amin'ny trano tsisy mpanofa, manaraka ny tondrozotra voalaza ao amin'ny fehezan-dalana mikasika ny Hetra ary hamafisin'ny circulaire 002 MEF/SG/DGI/DITEC

Hatolotra eo anivon'ny Filankevitry ny Tanàna ny "barème" tapaky ny "commission" hahazo fankatoavana.

Nitarika ny atrik'asa ny Filohan'ny Filankevitry ny Tanàna RANDRIAMIHAFARA Denis Hector sy ny Ben'ny Tanàna lefitra faharoa, nohotronin'ny Lehiben'ny sampan'asa miandraikitra ny Hetra trano sy tany

Trano fidiovana 4 vaovao ho azo ampiasain'ny vahoaka tsy ho ela :🔺 Ankidona - apitan'ny station essence TOTAL🔺Tsena Anta...
03/06/2024

Trano fidiovana 4 vaovao ho azo ampiasain'ny vahoaka tsy ho ela :
🔺 Ankidona - apitan'ny station essence TOTAL
🔺Tsena Antanifotsy Talatamaty
🔺Tanambao - EPP
🔺Tanambao - tsena

FISORATAM-PANMBADIANA FAOBEMpivady 4, Kristianina avy amin'ny EKAR TANAMBAO niroso tamin'ny fisoratam-panambadiana. Nana...
02/05/2024

FISORATAM-PANMBADIANA FAOBE

Mpivady 4, Kristianina avy amin'ny EKAR TANAMBAO niroso tamin'ny fisoratam-panambadiana.

Nanatanteraka izany ny lefitra faharoan'ny Ben'ny Tanàna RAZAFIMAHATRATRA Réné Joseph

Notre armoirie officielle
16/04/2024

Notre armoirie officielle

FAGNOMBAFandaharana vokarin''ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, tontosain'ny ekipan'ny Sampan'asa Serasera, iaraha...
02/02/2024

FAGNOMBA

Fandaharana vokarin''ny Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, tontosain'ny ekipan'ny Sampan'asa Serasera, iarahana miasa amin'ireo Radio maromaro eto an-tanana.

ZOMA
Radio MAHATSIATRA Fm 101.2
👉 @ 11 ora
Radio SAVA Fm 93
👉 @ 11 ora sy sasany
Radio MAMPITA Fm 94
👉 @ 1 ora tolakandro
Radio Fanambarana FM 98.4
👉 @ 2 ora tolakandro
Radio RFONE Fm 90.8
👉 @ 3 ora tolakandro
Radio FIHAVANANA Fm 101.5
👉 @ 4 ora tolakandro
Radio MBS Fm 95.4
👉 @ 5 ora hariva

ALAHADY
Radio Soleil Fm 98
👉 @ 7 ora maraina

Fandaharana ifampizarana lohahevitra iray miova isam-bolana. Ho an'ity volana Febroary ity : fitaterana sy fifamoivoizana.

Manasa anao hanaraka izany amin'ireo Radio ireo, tsy ho ela ihany koa eto amin'ny tambazotra serasera.

Ny Fiadidiana ny Tanànan'i Fianarantsoa dia mankasitraka hatrany ny fiaraha-miasa amin'ny Haino aman-jery.



FOTODRAFITR'ASA FIDIOVANAToerana 4 izay  voasafidy hanorenana trano fidiovana,  nanaovana fidinana teny ifotony : ✔️Anki...
16/01/2024

FOTODRAFITR'ASA FIDIOVANA

Toerana 4 izay voasafidy hanorenana trano fidiovana, nanaovana fidinana teny ifotony :
✔️Ankidona, Fokontany Ankazobe
✔️EPP Tanambao
✔️Tsena Tanambao
✔️Tsena Antanifotsy, Fokontany Talatamaty

Tetikasa tanterahana ao anatin'ilay Fandaharanasa Eaurizon 2025, vatsian'ny Grand Lyon vola.

Nijery izany niaraka ny avy amin'ny 👍Kaominina Fianarantsoa, nahitana ny : Tale Tekinika ny Kaominina, ny Tale ny fanjohina arak'asa sy tomban'ezaka, ny lehiben'ny sampan'asa ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny fikojakojana ny Fotodrafitr'asa, ny sampan'asa serasera
👍Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy Fanadiovana
👍ONG Practica: Mpandrindra ny tetikasa Fanatsarana ny Fanadiovana ny Tanànan'i Fianarantsoa sy ny mpiara-miasa aminy
👍 ireo orin'asa hifaninana

FANADIOVANAVOKATRY NY ROTSAK'ORANANy Tale Teknika ANDRIAMAMPIONONA Dida nidina ifotony nijery sy nanadihady ny zava-nitr...
11/01/2024

FANADIOVANA
VOKATRY NY ROTSAK'ORANA

Ny Tale Teknika ANDRIAMAMPIONONA Dida nidina ifotony nijery sy nanadihady ny zava-nitranga teny anivon'ny Boriboritany Mahasoakely, Fokontany Sahalava niaraka tamin'ny solombavambahoakan'i Madagasikara RAJOELINA Seth, ny Tale-paritry ny Fanajariana ny tany MAHAZOSOA Tokiarimamy, nantsoina nanatrika ny Sefo Fokontany sy ireo lehiben'ny Boriboritany ary ny fokonolona

Miha tsentsina ny lakan-drano, mampidi-drano an-trano. Maika ny asa mila fifarimbonana, tsy hiandry ela, apitso no apitso dia hatao ny asa hampirindra ny fiaraha-monina.

Hanao ny asa tandrifiny ny ekipa avy amin'ny Kaominina, hanome tanana ireo fokonolona voakasika izay eo ambany fitarihan''ny Lehiben'ny Fokontany.

01/01/2024

Miarahaba sy mirary soa antsika nahatratra ny taona vaovao 2024!

Ny Ben'ny Tanàna Dr. RATSIMBAZAFY Sahondramalala Esther.

Address

Hotel De Ville
Fianarantsoa
301

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261334378589

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CUF - Commune Urbaine de Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to CUF - Commune Urbaine de Fianarantsoa:

Share

Category