Aika&To Park Sahambavy

Aika&To Park Sahambavy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Aika&To Park Sahambavy, Playground, Sahambavy, Fianarantsoa.

12/09/2025

Pôziko avy nanao an'ilay trend "Fais-moi un roast violent avec toutes les questions que je t’ai posées auparavant, sans rien adoucir ni enjoliver mais les réponses doivent être en malgache"

💔 marary Chattie à! 😭 Enao ve no itantarako ny fiainako d zao no anaovanao anah ! 😭 "si tu avais vraiment un homme" hono. Antray ! 💔💔

Fa zah mahita hoe mbola tsara fanahy nenah fa mijery nen'olona any ambadika any ah tena hoe vava zao ! Vava zao ! 😂

Ao amin'ny commentaires ny pitipatiny 👇

🍼 Allaiter, c’est bien… mais aimer, c’est essentiel 💖Heno foana hoe ny nonon-dreny no sakafo lafatra indrindra ho an'ny ...
11/09/2025

🍼 Allaiter, c’est bien… mais aimer, c’est essentiel 💖

Heno foana hoe ny nonon-dreny no sakafo lafatra indrindra ho an'ny zaza. Marina tsy azo ihodivirana 👇 ny nonon-dreny mantsy
✨ misy reo nutriments ilain'ny zaza rehetra
✨ manampy ny hery fiarovana
✨ m'créer lien affectif eo amin'i Maman sy zazà 💞

SAINGY, tsy ny vehivavy rehetra no afaka mampinono... (Amin'izao vanim-potoana zao kosa anie e...). Sady tsy maninona zany.

Ny reny manome biberon koa d mba tia ny zanany... Mamy ery ilay câlins sy maso mijery malefaka rehefa manome bib's... Tsapan'ny zazà foana ilay fitiavana.

Samy manana ny zavatra iainany ny tsirairay. ❤

11/09/2025

Efa akaiky ny concours d'entrée eny amin'ny EMIT anh

❤
10/09/2025

🔑La clé, n'est pas de choisir entre les personnes qui t'aiment...
🔑La clé c'est de réapprendre à choisir, à TE choisir... 💖
..

Tena tsara ho an'ny fahasalaman'ny ankizy ny fromage ! 🧀SAINGY mila fitandremana koa anefa⚠️✅ Inona avy no tombontsoany ...
21/08/2025

Tena tsara ho an'ny fahasalaman'ny ankizy ny fromage ! 🧀
SAINGY mila fitandremana koa anefa⚠️

✅ Inona avy no tombontsoany ?

Alohan'ny zavatra rehetra,misy calcium ny fromage. Io no singa fototra hampatanjaka tsara ny taolana sy ny nify🦴 (tsy haiko hoe maninona no preciser'ko satria dia taolana koa ny nify ! 😁

Après : Protéines 💪 ! Ito d
Singa ito indray mampitombo ny nofo sy ny hozatra ! Mahabokona zany

Ankoatra an'zay, Vitamines (A, B12, D etc) : Tsara ho an'ny maso, mampiakatra hery fiarovana, ary mahasalama ny saina

Farany, ny Énergie ⚡, ilah hery entiny miridiridy eran'ny tanety

⚠️ Mila fitandremana kosa anefa

Ny sira (sodium) : betsaka ny fromage masira loatra. Tsy mey ho an'ny reins an'ny ankizy nefa zany.

Menaka matavy, na ilaina aza, tsy tokony atao be loatra

De préférence zany anh, fidiana tsara ny fromagr omena ny zaza arakaraka ny taonany.
Latsaky ny heritaona : fromages pasteurisés. Aaa, tsy fromage mivavaka fa La vache qui rit reny, na Teama, sy ny fianakaviany

Feno heritaona izy vao omena an'reny fromage dur reny saingy tsy atao matetika.

Rehefa ampy 5 taona izy efa tsy d mila mifidy be loatra intsony

🎯 En résumé

👉 Tena tsara ny fromage satria misy calcium sy magnésium
👉 FA mila atao mifanaraka amin'ny taonany

💡 Raha tena mbola zaza izy d 1 isanandro d ampy.

Bonne journée ! 🥰😘

Inona no atao rehefa mitomany mitabataba ny zanakao ? Tsy moramora ny m'gérer zaza mitomany. Indrindra rehefa ao anaty o...
03/04/2024

Inona no atao rehefa mitomany mitabataba ny zanakao ?

Tsy moramora ny m'gérer zaza mitomany. Indrindra rehefa ao anaty olona zay! Tompo oo ! 😖 fa ireto misy technique vitsivitsy avy amindry zareo Pédopsychologue (manam-pahaizana manokana ho an'ny fahasalaman'ny sain'ny zaza):

👉 Mitonia : raha tsy mitony enao tsy hitony koa ilay zaza. Raha tady hisafoaka ianao d misitahà kely mihitsy aloha.

👉 Fantaro ny antony mampitomany anazy. Fadio ny mandrara be fahatany hoe "aza mitomany", " mangina". Eritrereto hoe enao anie no atao an'izany rehefa misy zavatra mahatezitra anao reny e.

👉 Ampahafantaro azy fa mahazo tezitra izy na malahelo, sns. Teneno izy ohatra hoe "Fantatro enao fa malahelo"

👉 Eto vao manomboka somary technique kely. Ampisafidiano vahaolana izy. Ohatra hoe raha tsy avelanao hijery télé izy. D ampisafidiano zavatra hafa. "Hilalao baolina any an-tokontany ianao sa hanao sary ? "
Mba mieritreritra izy amin'izay hoe il contrôle la situation.

👉 Ampianaro m'gérer stress izy. Ohatra hoe manao exercice de respiration.

Tsy mora ireo ary tsy hoe recette miracle ka tonga d hety amin'ny voalohany. Tadidio fa mila faharetana ny fitaizana, ary mila fitiavana.

Tehanao témoignage Kely Aho ...Ny taona 2023 Dia tena accros tamin'ny téléphone ireo zanako roa ireo.Gidragidra AO antra...
02/04/2024

Tehanao témoignage Kely Aho ...

Ny taona 2023 Dia tena accros tamin'ny téléphone ireo zanako roa ireo.

Gidragidra AO antrano vao alaina aminy ny téléphone Ary tena ady tsy vita. Vao Tonga hianao Dia ny téléphone no alainy. Zarako koa mahita azy ireo mijery téléphone Dia MBA afaka manao zavatra hafa aloha. Tsapako nihamafy anefa Ilay fitiavany téléphone satria tena tsy nivoa-drindrina intsony, kamo milalao sy mampiasa vatana.

Ny faran'ny taona Dia nisy psychologue nohantonina ( ireny mpandinika n'y toetry ny ankizy ireny, afaka omeko contact raha misy Mila). Tamin'izany no isan'ny nahatsapako fa tena isan'ny mampifanalavitra anay n'y téléphone, tsy misy fifandraisana Raiamandreny s'y zanaka mihintsy. Ary tsapako fa loza hoazy ireo Ilay IZY, satria tokoa Dia lasa tiany mihoatra lavitra noho ny manodidina azy ny téléphone. Izaho rahateo koa accro amin'ny téléphone. Tsaroako isan'ny tenin'ilay psychologue dia hoe :"sakana hoanao s'y n'y zanakao n'y finday. Aza gaga raha Ilay finday no hiresahany n'y olany s'y n'y fihetsehampony any aoriana any".

Tsy maintsy nanova famindra Aho, nitadiavako occupation IZY roavavy. Nampidiriko tao amin'ny alliance française tamin'ity taona ity. Akory ny hagagako n'y amin'ny fitiavan'izy ireo vaky boky. Ezahiko lalaovina rehefa ato antrano. Ezahina vitaina mialoha ny enti-mody ka arahi-maso ny fianarana. Avy EO Dia manao izay kilalao azo atao. Tsoriko fa tsy mora Ilay mamola-tena miara-milalao. Ezahiko ajanoko lavitra n'y finday. Rehefa matory zareo, izay ndray vao mikitika finday.

Ankehitriny, Mbola Tia téléphone IZY roavavy fa efa mihena. Na izaho koa ary. Mbola maro ny ezaka fa ny tiako zaraina amintsika Dia ity: raha Mbola azo atao, aza zarina hilalao finday ny zanantsika. Manena ny fitiavany ny raiamandreny izany. Fenoy lalao iraisana ny ankizy, ravaho lesona s'y fampianaram-piainana maro. Amin'iny koa isika mamerin-desona MBA hanana balise amin'ny fitondran-tena tsara. Tsorina fa rehefa tsy misy communication AO antrano Dia tsy misy aina, Maty ny dikan'izany.
Am-pitiavana hatrany

Nidramina tamin'i Todisoa Ndremiranga

Faly tanteraka ny fonay nohon'ny fahatongavanareo maro tao dia maro. Feno ny toerana rehetra nomaninao 🤗Mbola nisy te hi...
01/04/2024

Faly tanteraka ny fonay nohon'ny fahatongavanareo maro tao dia maro. Feno ny toerana rehetra nomaninao 🤗
Mbola nisy te hiditra aza fa tena tsy maintsy nolavina 🥺
Fa izao ! Afaka tonga foana isika na week-end na andro tsy fiasana anh. ☺

Antsoy ny 034 19 980 15

31/03/2024

Ito aza mbola mba ilay client no nanimba azy ! Krkrkr

Rahampitso tsika mihaona eto amin'ny Aika&To Park Sahambavy  anh ! Miandry antsika ao ny- kisandola- gorisa, - kisabaka-...
31/03/2024

Rahampitso tsika mihaona eto amin'ny Aika&To Park Sahambavy anh !
Miandry antsika ao ny
- kisandola
- gorisa,
- kisabaka
- Tsipy kanetibe
Sy kilalao maro hafa koa...

Ho hitanareo ao ihany koa ireo produits laitiers an'i Sothemad Sahambavy sy ireo tsakitsaky sy zava-pisotro.

Antsoy ny 034 19 980 15 raha mila fanazavana fanampiny sy hanao réservation. Efa maro no namandrika toerana fa sao tara anh 🤗

Address

Sahambavy
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aika&To Park Sahambavy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category