Commune Urbaine de Fort-Dauphin

Commune Urbaine de Fort-Dauphin Pejy Ofisialin'ny Fiadidiana ny Tanànan'ny Faradofay - Page Officiel de la Commune Urbaine de Fort-Dauphin

FAMPAHAFANTARANA FAHATAPAHAN-DALANANoho ny asa fanamboaran-dàlana eto an-tampon-tanàna tanterahin'ny orinasa COLAS dia h...
17/07/2026

FAMPAHAFANTARANA FAHATAPAHAN-DALANA

Noho ny asa fanamboaran-dàlana eto an-tampon-tanàna tanterahin'ny orinasa COLAS dia hisy ny fahatapahana vonjimaika ny làlana mampitohy an'ny:

GALANA AMPAMAKIAMBATO sy BNI TANAMBAO

Ny Alatsinainy 20 Jolay 2026 ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora tolakandro.

Manentana ny rehetra araka izany mba hihazo avy hatrany ny làlana mampitohy ny ROUTE CIRCULAIRE sy BAZAR TANAMBAO.

Koa iangaviana isila rehetra mba hanaraka sy hanaja ny lamina rehetra eny an-toerana.

16/07/2026

FANOMBOHANA NY ASA FANAMBOARANA NY TOBY FIANTSONANA ANKORADAVA.

Fort-Dauphin, 16 Jolay 2026 - Natomboka androany Alakamisy 16 Jolay 2026 ny asa fanamboarana ny toby fiantsonan'ny fiara eto Ankoradava araka ny fampanantenan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Ny Kolonely Michaël Randrianirina nandritry ny fandalovan'ny teto Tolagnaro ho fitsinjovana ny vahoaka mivoaka sy miditra eto an-toerana izay nijaly ara-poto-drafitr'asa nandritry ny taona maro.

Mitentina 2.461.748.781 Ariary ny teti-bola hanatanterahana ity foto-drafitr'asa goavana tsy mena mitaha amin'ny hafa ity izay ho vitaina ao anatin'ny 18 volana ka mandritra izay fotoana izay dia nandray fanapahan-kevitra ny avy eto anivon'ny Fiadidiana ny Tanàna amin'ny famindrana ny toby fiantsonana vonjimaika ho eny amin'ny Nutrisud Ampamakiambato.

Hita porofo ankehitriny ny ezaka ataon'ny fitondram-panjakana ka nankasitraka izany amin'ny anaran'ny vahoakan'ny Fort-Dauphin ny Solombavambahoaka voafidy eto amin'ny Distrikan'i Tolagnaro Andriamatoa Chabani Nourdine sy ny Ben'ny Tanàna Andriamatoa Andry Andriamahasoro manoloana ny fahatanterahan'ny fampanantenana natao tamin'ny vahoaka sy ny fampandrosoana maro lafy hita eto an-tampon-tanàna ankehitriny. Izy ireo izay tonga nametraka vato fototry ny asa fanamboarana tamin'ny alalan'ny fandrodanana natao teny an-toerana androany.

FAMPITAM-BAOVAONoho ny asa fanamboarana ny Toby Fiantsonan’ny fiara izay tetikasan’ny fitondram-panjakana sy ny Kaominin...
13/07/2026

FAMPITAM-BAOVAO

Noho ny asa fanamboarana ny Toby Fiantsonan’ny fiara izay tetikasan’ny fitondram-panjakana sy ny Kaominina Ambonivohitr’i Fort-Dauphin;

Dia hisy ny famindrana vonjimaika ny Toby Fiantsonan’ny fiara ho eny amin’ny:

📍4 CHEMINS AMPAMAKIAMBATO (NUTRISUD)

🗓️ Manomboka ny Alarobia 15 Jolay 2026 ho avy izao mandrapahavitan’ny asa fanamboarana.

Koa iangaviana isika rehetra hanaraka sy hanaja ny lamina rehetra amin’ity famindrana vonjimaika ny Toby Fiantsonan’ny fiara ity, mba ho tombontsoan’ny tanàna sy ny vahoaka.

11/07/2026

FAMORANA FAOBE NIARAHAN'NY KAOMININA SY NY FIKAMBANANA ZA.TO.MI na ZAnak'i TOamasina MIray eto Fort-Dauphin ANDROANY SABOTSY 11 JOLAY 2026.

Mijoro ho vahaolana hatrany ny eo anivon'ny Kaominina ambonovohitr' i Fort-Dauphin tarihin'ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro amin'ny alalan'ny fitadiavana mpiara-miombon'antoka sy fikambanana maro samihafa afaka hifanome tànana sy hitondra fampandrosoana ny tanàna ka izany indrindra no hiaraha-miasan'ny Kaominina ambonivohitr'i Fort-Dauphin sy ny fikambanana ZA.TO.MI na Zanak'i Toamasina Miray eto Fort-Dauphin miara-misalahy amin'ny fanatanterahana ny hetsika Famorana Faobe natao androany Sabotsy 11 Jolay 2026 izay nahatratrarana hatrany amin'ny ankizy 300 lahy noforaina maimaim-poana teto amin'ny Lapan'ny Tanànan'i Fort-Dauphin androany.

Ity hetsika ity dia tafiditra tanteraka amin'ny tetik'asan'ny Ben'ny Tanàna izay natao fanamby tamin'ny vahoaka izay antsoina hoe: "TRAGNAMBO" ka santatra am-bavarano sahady izao mandrapahavitan'ny foto-drafitr'asa isam-pokontany izay hisahana ny lafiny ara-tsosialin'ny mponina tanteraka.

Nanolotra hasin-tànana ho an'ny mpikarakara sy ny mpitsabo ny Ben'ny Tanàna izay nisoloany tena ny vahoaka izay nisitraka ity famorana faobe ity.

TATITRA AMPAHIBEMASO NY FITANTANAM-BOLAM-PANJAKANA TAONA 2025.Fort-Dauphin, 09 Jolay 2026 - Tontosaina ao anatin'ny roa ...
09/07/2026

TATITRA AMPAHIBEMASO NY FITANTANAM-BOLAM-PANJAKANA TAONA 2025.

Fort-Dauphin, 09 Jolay 2026 - Tontosaina ao anatin'ny roa andro nanomboka androany Alakamisy 09 Jolay 2026 ka hatramin'ny rahampitso Zoma 10 Jolay 2026 ny tatitra ampahibemaso ny fitantanam-bolam-panjakana ny taona 2025 tanterahin'ny fitsarana ara-bola Toliara ho an'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ato anatin'ny Faritanin'i Toliara izay atao eto amin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin, Distrikan'i Tolagnaro, Faritra Anôsy ka tafiditra ao anatin'izany ny Kaominina araka ny lalàna laharana faha-2001-025 ny 09 aprily 2001 mahakasika ny fitsarana ny raharaham-panjakana sy ny fitsarana ara-bola mba ho tamberin'andraikitra ara-pitsarana; eo ihany koa ny tamberin'andraikitra amin'ny manam-pahefana sy ny mpitantana isan-tsokajiny eo anivon'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary indrindra indrindra ho fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana ety ifotony.

Tanjona ny hananan'ny mpitondra sy ny mpitantana tsirairay avy traikefa amin'ny fitantanana ny volam-panjakana.

Hitohy rahampitso ity tatitra ampahibemaso ity izay hiresahana manokana ny tamberim-bidy narotsaky ny orinasa Qit Madagascar Minerals na QMM.

09/07/2026

📢 HAIN-TRANO TENY AMIN'NY FOKONTANY BAZARIKELY.

Fort-Dauphin, 09 Jolay 2026 - Nitrangana hain-trano teny amin'ny Fokontany Bazarikely anio maraina tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro teo.

Tokantrano miisa 2 no lasibatry ny afo tao Bazarikely vokatry ny fipoahana tao an-trano araka ny nambaran'ireo mponina teo amin'ny manodidina.

Voafehy ny fipariahan'ny afo noho fiaraha-misalahin'ireo vahoaka sy ny mpamonjy voina izay tonga ara-potoana teny an-toerana.

Tsy nisy ny aina nafoy, iray tamin'ny tompon'ny trano kosa no naratra mafy tratry ny firehetana.

06/07/2026

FIZARANA SAKAFO MASAKA HO AN'IREO MAREFO ARA-PIVELOMANA TETO AMIN'NY BIRAON'NY KAOMININA AMPAMAKIAMBATO.

Fort-Dauphin, 06 Jolay 2026 - Ho fitsinjovana ireo tena marefo ara-pivelomana tafiditra ao anatin'izany ireo be antitra, tsy manan-kialofana, sembana mirenireny eny rehetra eny dia nanolotra sakafo masaka ho azy ireo ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro tamin'ny alalan'ireo tsara sitrapo nandray an-tanàna sy nanolo-tena handray an-tànana azy ireo mba ho fanohanana sy fitsinjovana ny maha-olombelona.

Marefo miisa 25 ireto nisitraka fampisakafoanana androany ireto ary hitohy isanandro izany araka ny fahafahana izay hiantsoan'ireto mpivady tsara sitrapo nandray an-tànana azy ireo ireto fanampiana sy tolo-tànana avy amin'ireo malala tànana rehetra ka izany indrindra no hanampian'ny Ben'ny Tanàna azy ireo ka antony nahatongavany teny an-toerana mba hanohizana izao hetsika izao satria dia fisantarana sahady ny tetikasa TRAGNAMBO izay fiahiana ny ara-tsosialin'ny mponina izao ary nisafidianana ny toerana ho teny Ampamakiambato izay isan'ny misy ny foto-drafitr'asa TRAGNAMBO izay efa ho 90 isan-jato ny fahavitan'ny asa fanorenana amin'izao fotoana izao.

Taorian'izay dia nijery ihany koa ny fivoaran'ny asa fanarenana ny biraon'ny kaominina eo Ampamakiambato ity Andriamatoa Andry Andriamahasoro Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin.

30/06/2026

FANKALAZANA NY FAHA-66 TAONAN'NY FAHAELOVAN-TENAN'I MADAGASIKARA TETO TOLAGNARO.

Fort-Dauphin, 30 Jona 2026 - Niavaka ny fankalazana ny faha-66 taonan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara ho an'ity taona ity raha ny teto Tolagnaro noho ny fiaraha-mientan'ny rehetra tamin'ny alalan'ny hetsika isan-karazany, ny Matso lehibe teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna, ny filaharan'ny sehatra rehetra na miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izay nampiseho ny fanamiana Malagasy avokoa notronin'ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro avy eto an-toerana isan'izany ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro mivady izay nitarika ny mpiasa rehetra avy eo anivon'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin, teo ihany koa ny seho ara-java-kanto sy ara-kolontsaina isan-karazany ary ny afomanga lehibe.

"Fanavaozana ho an'ny fandrosoan'i Madagasikara" no loha-hevitra nentina nanamarika ny fetin'ny fahaleovan-tena tamin'ity taona ity.

27/06/2026

26 Jona 2026 - Nandray anjara mavitrika tamin'ny filaharana ary nitarika izany ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin nialohavan'ny fiara TRAGNAMBO izay naseho tamin'ny vahoaka nampahafantarana ny asa sosialy iantsorohany eto amin'ny tanànan'ny Faradofay.

Address

Fort-Dauphin
614

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine de Fort-Dauphin posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share