DREDD ANOSY

DREDD ANOSY "AROVAKO NY TANIKO , HOAVIN' NY TARANAKO'!!

FILAZANA MANJO   Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay antsika rehetra ny fahabangana eo anivon’ny fianakaviambe eto am...
31/05/2026

FILAZANA MANJO
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay antsika rehetra ny fahabangana eo anivon’ny fianakaviambe eto amin’ny DREDD Anôsy.
Nodimandry, ny faha 31 May 2026, teo amin’ny faha-43 taonany ny havantsika malala, FIENGAGNARIVO Damy Renaud Eric, izay niasa tamin-kitsimpo maha "Responsable Logistique" azy teto amin’ny DREDD Anôsy.
Izy dia lehilahy iray feno fanoloran-tena sy fahazotoana, nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tsy hohadinoina mandrakizay ny ezaka sy ny fitiavan-tanindrazana nasehony teo amin’ny asa sy ny fiaraha-monina.
Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia maneho fiaraha-miory feno sy fankaherezana ho an’ny fianakaviany, ny havany ary ireo mpiara-miasa rehetra izahay.
Mandria am-piadanana Damy Renaud Eric
Tsy ho lefy ao am-ponay mandrakariva ny fahatsiarovana anao sy ireo soa navelanao.

FAMPAHAFANTARANA : Ny Fitaleavam-paritra ny Tontolo Iainana ny Fampandrosoana Lovainjafy Anôsy dia mampandre ny besinima...
27/05/2026

FAMPAHAFANTARANA :
Ny Fitaleavam-paritra ny Tontolo Iainana ny Fampandrosoana Lovainjafy Anôsy dia mampandre ny besinimaro fa misokatra ny Fiantsoana fanehoana fahavononana (Appel à Manifestation d’Intérêts – AMI) ho an’ireo olona, orinasa, fikambanana na mpisehatra mahaliana amin’ny fanatanterahana ny asa na fiaraha-miasa manaraka :

1. Fitantanana toeram-pamokarana zanan-kazo ao Mangaika, Fokontany Mangaika, Kaominina ambanivohitra Ampasy Nahampoana, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anôsy
2. Fitantanana toeram-pamokarana zanan-kazo ao Morariva, Kaominina ambonivohitra Betroka, Distrikan’i Betroka, Faritra Anôsy

Koa indro alefa manaraka etoana ireo“Torolalana mamaritra ny tanjona, asa, andraikitra ary fomba fanatanterahana”

26/05/2026
22/05/2026

🌿🦩🦋𝟮𝟮 𝗺𝗮𝘆 : 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮🐢🌳🏡

🌵🌱“𝘚𝘢𝘩𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢”🌱☘️

🐒🌳🦋Ny karazanjavamananaina no antoky ny fahavelomantsika zanak’olombelona. Ny sakafo, ny rano, ny akora fototra ilaintsika andavanandro, ny fanafody ho an’ny fahasalamantsika, ny firoboroboan’ny toekarena, ny kolontsaina dia miankina aminy avokoa. Rehefa misy fihenana na fahasimban’ny zavaboary dia voakasik’izany mivantana isika olombelona, ny tontolo voajanahary ary ny toetrandro.🌊🦈🌱

📣🌳🏡Amin’izao andro anamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina” izao, andao hiara-hientana isika hanamafy ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ! Ho an’ny taranaka!🦩🌵🦋

20/05/2026

🌳☎️𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 hikajy sy hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara.📱❌️

🏡𝗛𝗮𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮, 🐢𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆, 💰𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆, 🔥𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮, 📣𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼.

✅️📱Aza misalasala isika miantso ireo 👇👇 laharana findray etsy ambany👇👇 ireo raha manam-baovao na fizarana hahafahanay mandray fepetra haingana.☎️👇👇

05/05/2026

Address

Fort-Dauphin
614

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD ANOSY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREDD ANOSY:

Share