Commune Urbaine De Nosy Be

Commune Urbaine De Nosy Be Commune Urbaine de Nosy Be Tarihin'ny Ben'ny Tanana Aly Aboudou ( 2025 - 2030 )

Nitanterahina tato amin'ny Salle d'oeuvre Mission Catholique ny sommet des citoyns des fédéralistes Nosy Be nandritrany ...
06/06/2026

Nitanterahina tato amin'ny Salle d'oeuvre Mission Catholique ny sommet des citoyns des fédéralistes Nosy Be nandritrany roa andro.

‎Nitarika izany ny Filoha mpanorina ny plateforme de Rassemblement des Federalistes de Madagascar "RFM" sy Vovonana Itambaran'ny Federalista eto Madagasikara "VIFM" ary Filohan'ny RFM ato amin'ny préfecture Nosy Be, teo ihany koa ireo Komity mpikarakara eto an-toerana.

‎Tonga nanotrona sy nanomé voninahitra izany teto Omer Beriziky praiminisitra teo aloha sy Ben'ny tanàna Nosy Be Aly Aboudou.
‎Vonona hifanomé tanana amin'ny fikaondoham-pirenena amin'ny fametrahana rafitra izay entina hametrahana rafitra hanatsara fiainambahoaka Ben'ny tanàna.

‎Nampiarahina tamin'ity sommet ity ny FANKALAZANA NY FAHA 10 TAONA NIJOROAN'NY RFM sy Fikaon-doha fara tampony ny federalista.

Maire de la Commune Urbaine De Nosy Be miezaka mamaha olana mikasika jialy rano eto amin'ny Hôpital Be Nosy-Be.Mandeha n...
06/06/2026

Maire de la Commune Urbaine De Nosy Be miezaka mamaha olana mikasika jialy rano eto amin'ny Hôpital Be Nosy-Be.

Mandeha ny asa fanaovana forage "lavaka hiboahany rano" eto amin'ny Hôpital be.

‎Tonga nitsidika sy manaramaso izany Ben'ny tanàna Nosy Be Aly Aboudou niaraka tamin'ny Orin'asa eco-forages H-L izay manataneraka ny asa.

‎Tontosa izao nohon'ny fiaraha miasa teo amin'ny Groupe TALOUMIS
‎mpandrahara iray eto Nosy Be sy Ben'ny tanàna Nosy Be.

‎Afaka fotoana fohy hivaha ny olana jialy rano eto amin'ny Hôpital Be Nosy Be.

FANADIOVANA TANÀNA IZAY ATAON'NY MPIASAN'NY Commune Urbaine Nosy Be izay MIASA AMIN'NY BIRAO ISAKIN'NY ZOMA TOLAK'ANDRO‎...
05/06/2026

FANADIOVANA TANÀNA IZAY ATAON'NY MPIASAN'NY Commune Urbaine Nosy Be izay MIASA AMIN'NY BIRAO ISAKIN'NY ZOMA TOLAK'ANDRO

‎Nitohy ny hetsika fanadiovana torapasika teto amin'ny ampasy komanda izay nataony mpiasan'ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be izay miasa ao anatiny birao androany zoma.
‎Nambarany Ben'ny tanàna Aly Aboudou fa rehefa madio tanteraka eto ampasy komanda dia hanao picnique eto ireo mpiasan'ny Commune ary Ben'ny tanàna hiantoka ôndrikôndrika roa (02) izay hoanina amin'izany.
‎Hatao izany ho fitazomana fanadiovana eto an-toerana ary ity ihany koa la plagen-tsika eto Hell-Ville ka tokony kobabigny tsara.
‎Mampitandrina ireo olona izay manary fako eto an-toerana Ben'ny tanàna fa hampiarina amin'olona izay tratra ny sazy mifanaraka amin'izany.

Commune Urbaine De Nosy Be izay tarihin'ny Maire Aly Aboudou miasa hoan'ny vahoaka.Noraisin'ny Commune Urbaine Nosy Be  ...
03/06/2026

Commune Urbaine De Nosy Be izay tarihin'ny Maire Aly Aboudou miasa hoan'ny vahoaka.

Noraisin'ny Commune Urbaine Nosy Be an-tanana ny fanarenana terrain vétérans eto Djabala ary ny lalana madinidinika manodidina, anisan'izany lalana mandeha Bekoronta.
‎Tonga manaramaso ny asa sy manome toromarika, Ben'ny tanàna Aly Aboudou, nambarany teto fa sandatra ambarano no natao fa ny manetsabe mbola ho avy.

TANÀNA MADIO SY MILAMIGNY MAHA TAMAGNA.Araka ny fandaminana fifamoivoizana ho fisoroana amin'ny fitohanana lava "emboute...
02/06/2026

TANÀNA MADIO SY MILAMIGNY MAHA TAMAGNA.

Araka ny fandaminana fifamoivoizana ho fisoroana amin'ny fitohanana lava "embouteillages" ao Andavakotoko Hell-Ville Nosy Be.
‎Ny eo anivon'ny fiadidian'ny tanàna Nosy Be dia nagnaboaka Autorisation manaraka ity.

Toy izao ny fotoana ahafahana manao livraisons marchandises eto Andavakotoko manomboka izao:
‎- Maraina: 08 ora ka hatramin'ny 11ora,
‎- Hariva: 03 ora sy sasany (15h30) ka hatramin'ny 04 ora (16h).
‎Ny andro nametraha ora io dia Lundi, Mardi, Mercredi, Jeudi, Vendredi.

‎Niferaha 15mn ka hatramin'ny 30 mn ny faharetany fanaovana livraison iray.

Nizaha lalana roa izay heritreretina Fitondranan'ny Fanavaozana hanamboarana eto Nosy Be Ben'ny tanàna Aly Aboudou   nia...
01/06/2026

Nizaha lalana roa izay heritreretina Fitondranan'ny Fanavaozana hanamboarana eto Nosy Be Ben'ny tanàna Aly Aboudou niaraka tamin'ny Orin'asa Sinohydro izay hanataneraka ny asa; ny lalana avy Antsimaramara mandeha Ambonivohitra sy Lalana baka amin'ny Amiry akaikin'i Saïda Bell-Hotel miboaka Bar Manakana sy Trefy ary akaikin'ny Bar Gorily.

‎Ireo no lalana anisan'ny nangatahin'ny Ben'ny tanàna Nosy Be Aly Aboudou tamin'ny Fitondrampanjakana Fanavaozana tamin'ny alalan'ny Minisitry ny asa vaventy Atoa 𝐑𝐀𝐅𝐄𝐅𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐚𝐦𝐛𝐢𝐥𝐚𝐬𝐨𝐧 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 nandritrany diany tany Antananarivo ho fanalana fitohanana "embouteillages" eto Hell-Ville.

Commune Urbaine De Nosy Be Na andra dimanche miezaka hatrany Ben'ny tanàna Aly Aboudou  manaramaso ireo asa fampandrosoa...
31/05/2026

Commune Urbaine De Nosy Be

Na andra dimanche miezaka hatrany Ben'ny tanàna Aly Aboudou manaramaso ireo asa fampandrosoana eto Nosy Be.

Niany dia nizaha asa fanamboaran-dalana goudron eto Poudrière Hell-Ville Ben'ny tanàna,
hita teto fa mandeha tsara araka ny tokony ho izy ny asa fagnamboaragna.

Nambarany Ben'ny tanàna teto fa tokony atao tsara ny asa mba hampataiza azy.

30/05/2026

Commune Urbaine De Nosy Be

Nandritrany fisaorana sy fankasitrahana izay nataony Solombavambahoakan'i Madagasikara AROSY Namiandrazana François teto COBARA hoan'ny vahoaka tato anatiny Boriborintanin'ny Hell-Ville dia toy izao ny discours izay nataon'i BESINOA Pascal Justin Délégue au Maire Hell-Ville.

Commune Urbaine De Nosy Be Nangataka lalana goudron fanampiny Ben'ny tanàna Nosy Be Aly Aboudou  nandritrany fihaonan'ny...
30/05/2026

Commune Urbaine De Nosy Be

Nangataka lalana goudron fanampiny Ben'ny tanàna Nosy Be Aly Aboudou nandritrany fihaonan'ny tamin'ny 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐅𝐄𝐅𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐚𝐦𝐛𝐢𝐥𝐚𝐬𝐨𝐧 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝, Minisitrin'ny asa vaventy omaly tato amin'ny biraony.
‎Nambarany minisitra teto fa zahavana manokana momba izany na dia efa maro ireo lalana izay efa namboary ao an-toerana.

‎✅ Ankoatra izay dia mizaha zavatra maro entina hampandrosoana any tanàna Nosy Be Ben'ny tanàna Aly Aboudou, anisan'izany nahazo fankatoavana PUDi na Plan d'Urbanisme Directeur izay ampiasaina eto Nosy Be.

TSENAN'NY LA VANILLE MANTA Nosy-Be.Nisokafana tamin'ny fomba ofisialy andoany ny tsenan'ny  la vanille manta eto amin'ny...
29/05/2026

TSENAN'NY LA VANILLE MANTA Nosy-Be.

Nisokafana tamin'ny fomba ofisialy andoany ny tsenan'ny la vanille manta eto amin'ny prefecture de police Nosy Be.
Teto amin'ny fokontany Anjiabe Nosy Komba no nanokafana izay fa tsy mbola nisy mpividy hatreto.
Amin'ny ankapobeny tsara ny vokatra eto Anjiabe.

Address

Hell-Ville

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine De Nosy Be posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category