09/06/2026
Tontosa ny Alakamisy faha 28 May taona 2026 ny atrikasa natokana ho an’ny fananganana ny Alliance Régionale de la Vanille (ARV) ao amin’ny Faritra Vatovavy tao amin’ny efitrano fivoriana « Espace Escale », ao Tanambazaha-Mananjary. Ity fihaonambe ity dia nokarakarain’ny Direction Régionale du Commerce et de la Consommation Vatovavy, niaraka tamin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitantanana avy amin’ny tetikasa PIC3 tamin’ny fanatanterahana azy.
Natrehin’ny olo-manan-kaja ambony maro ity hetsika ity, ka isan’izany Ramatoa Talen’ny Fampiroboroboana ny Fanondranana ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fifandraisana, ny Talen’ny Fampandrosoana ara-toekarena ao amin’ny Faritra Vatovavy, ny Lefitry ny Prefet ao Mananjary, ny Lehiben’ny Distrika Ifanadiana, ary ny Mpandrindra isam-paritra ny Tetikasa PIC3 Vatovavy miaraka amin’ny ekipany.
Taorian’ny asa natao dia nisy ny fifidianana ny Filohan’ny ARV Vatovavy ka Ramatoa SOPHIA Rasata, mpitantana ny orinasa TKF (Thiak Kwan Fils) Mananjary, no voafidy ho amin’izany toerana izany. Nandritra ny lahateniny dia naneho ny fahavononany sy ny finiavany feno izy hiatrika ireo fanamby mifandraika amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny lavanila ao amin’ny faritra, sady hampivondrona ireo mpisehatra rehetra voakasika manodidina ny vina iraisana.