Commune.Sabotsy.Namehana

Commune.Sabotsy.Namehana Sabotsy Namehana est une commune du District d'Antananarivo Avaradrano. Située à une quinzaine de kilomètres au nord de Tananarive sur la RN3

Kaominina Sabotsy Namehana, manampy an’ireo Sampandraharaha samy hafa, izay manao asa mipaka amin’ny vahoaka.Ankoatry ny...
02/10/2024

Kaominina Sabotsy Namehana, manampy an’ireo Sampandraharaha samy hafa, izay manao asa mipaka amin’ny vahoaka.

Ankoatry ny fanomezana trano ampiasain’ny « Centre d’ecoute »FANIRIANTSOA, ivon-toerana iray hitarainan’ireo niharan’ny herisetra, hanoroana hevitra azy ireo ihany koa, miampy fanomezana trano hiasana ka hizarana ny volan’ireo Mpisotro ronono ety amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina, dia fantatra koa ankehitriny fa hanome efi-trano iray hoan’ny Jirama ihany koa ity Kaominina ity ho ampiasaina handraisana ny saran’ny jiro sy rano hoan’ny vahoaka, satria araka ny efa notanterina teto dia nikatona tanteraka manomboka ny Alatsinainy 30 septambra 2024 lasa teo ny ratsamangaikan’ny JIRAMA eto Sabotsy Namehana.

Azon’ny Mpanjifan’ny Jirama atao koa anefa ny manatitra izany eny Analamahitsy araka ny fanazavan’ireo Tompon’andraikitra.

Hatreto aloha dia mbola tsy nisy nipika hoe « fa naninona no nakatona ity ratsa-mangaikan’ny Jiro sy Rano Malagasy eto Sabotsy Namehana ity, na dia maro aza ireo tsiloan-tsofina mifamahofaho mahakasika izany » Ireo Tompon’andraikitra izay nohatonina nangataham-panazavana koa dia ninia tsy nilaza na inona na inona, mahakasika ity fikantonana tampoka ity.

Nangonin' Lay Mahintsy

𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍'𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍'𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀-...
28/08/2024

𝐅𝐀𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐍'𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐈𝐃𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐍𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐙𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍'𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀
---
📌 Fatsakana, fantatra amin'ny anarana hoe "Fatsakan'Andriana" izay efa nolovaina tamin'ireo Razam-be teo aloha maromaro no nasiam-panavaozana sy nohajariana ato anivon'ny Commune Sabotsy Namehana, ary anisan'ny nisitraka izany ny Fokontany Botoana, Beravina, Ambohidrano. .....
📌 Manoloana io fanavaozana sy fanajariana io indrindra dia nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny Solon-tenan'ny Kaominina Sabotsy Namehana, tamin'ny alalan'Andriamatoa 𝗛𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗚𝗮𝗯𝗶𝗻 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗜𝗦𝗢𝗔, niaraka tamin'ny Teknisianina nanatanteraka ny asa ary nitafa nivantana tamin'ny Mponina,
Nambarany fa tena fotodrafit'asa lovain-jafy no hapetraka ka tokony ho vita tomika tsy misy indro kely no haroso hoan'ny vahoaka, satria 𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘.
Nilaza ireo Teknisianina miandraikitra ity asa Masina ity, fa hanao izay faraheriny sy fahara fahaizany hanomezana fahafaham-po ny Mponina.
📌 Fisaorana feno fankasitrahana no nasetrin'ireo Mponina sendra naka rano tamin'io fotoana fidinana ifotony io, noho izao fanomezana izao, ary irariana mba hihitatra amin'ny fampandrosoana hafa hoy ny hetahetan'izy ireo.

Mandray anjara amin'ny Fifaninana   taona 2024 i Hanitriniony Faramalala, izay zanakin'ny Commune Sabotsy Namehana 100%,...
09/08/2024

Mandray anjara amin'ny Fifaninana taona 2024 i Hanitriniony Faramalala, izay zanakin'ny Commune Sabotsy Namehana 100%, ka ny Mpihira no halainy tahaka.
Mirary fahombiazana feno hoan'ity naman-tsika ity isika

VITA NY FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN'NY ANDRIAMATOA AVOTRAINA sy ANDRIAMATOA GABIN RAKOTOARISOA---Tontosa antsakany sy ...
08/07/2024

VITA NY FIFAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN'NY ANDRIAMATOA AVOTRAINA sy ANDRIAMATOA GABIN RAKOTOARISOA
---
Tontosa antsakany sy andavany androany 08 Jolya 2024, tao amin'ny Biraon'ny Kaominina Sabotsy Namehana ny fifamindram-pahefana teo amin'Andriamatoa Avotraina Andriamosa, izay Ben'ny tanana voafidy ho Solombavambahoaka sy Andriamatoa Herinaina Gabin Rakotoarisoa izay Ben'ny Tanana mpandimby toerana.
Notron'ireo mpiara-miasa eto anivon'ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Raha tsiahivina ny tantara, dia efa 17 taona mahery no nitondran'i Avotra an'ity Kaominina Sabotsy Namehana ity, izay tsy nikelezan'ny soroka tamin'ny fampandrosoana izany Kaominina izany. Tantara lava, nifandimbiasa'ny Tsiky sy tomany araka ny filazan'ny tanora ankehitriny azy., kanefa tsy nitandro hasasarana ny lehilahy fa nampiasa ny fahaiza-manao hananany ka nahatonga ny Kaominina Sabotsy Namehana amin'izao toerana misy azy amin'izao fotoana izao.

Andranomaso no nisarahana, sanatria tsy ranomason'ankiviana, fa ranomasom-pifaliana, etsy andaniny kosa anefa dia tsy hay ny tsy haneho ny alahelo ao anaty noho izao fisarahana arak'asa izao.

Nohon'ny fitiavan'ny Mpiara-miasa an'i Avotra, dia tsy nanaiky izy ireo raha tsy naterina hatreny an-trano fonenany ny Solombavambahoaka, ary naredona mafy nanaka-danitra ny hira fitsofandrano " Enga anie ka homba anao Jesô!! hanadio sy hanazavana, hampandresy lalan-dava" TSARA TSO-DRANO I AVOTRA !!! mahaleohova mahalasana!

Nalaina nifandao ny roa tonta!!

𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀🔷 Maso niara-nij...
08/07/2024

𝐍𝐀𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐅𝐈𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐇𝐈𝐃𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐈𝐑𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐎𝐊𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀
🔷 Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana ny fahasimbana nisy tamin’ny Biraom-pokontany teto Tsarafara, nohon’ny fahaterany izay efa ela dia ela tokoa no nampiasaina azy ity, ary Filoham-pokontany maro no efa nifandimby nitantanana izany Biraom-pokontany izany.
🔷 Fantatra ihany koa fa anisan’ny Fokontany be Mponina indrindra ato amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana izany Fokontany Tsarafara izany
🔷 Noho izany indrindra, dia nanao ezaka fitia tsy mba hetra ny mponina, ary nangonina izany, dia nomena ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay nameno ny banga rehetra, ka nahavitana nanova y endriky ny Biraom-pokontany amin’izao endriny vaovao izao.
🔷 Tonga nitarika ity lanonam-panokafana ity ny Ben’ny Tanana (teo aloha) izay efa voafidy ho solombavambahoakan’i Madagasikara ANDRIAMOSA Avotraina, notronin’ireo Mpiara-miasa akaiky aminy. Tonga nanome Voninahitra izany koa ny lehiben’ny Boriboritany eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. Ary tsy diso anjara ihany koa ny Ramatoa Filohan’ny Fokontany sy ny Mponin’ny FKT Tsarafara rehetra.
🔷 Nandritra ny lahateny nifandibiasana no nilazan’Andriamatoa Solombavambahoaka, fa rehefa samy manao ny ezaka vitany ny tsirairay, dia mivaingana ny asa, ary hapetraka ho lovain-jafy.
🔷 Nankasitraka izao fanomezana foto-drafitr’asa hoan’ny daholobe izao ny Filohan’ny Fokontany, izay nisolontena ny vahoaka manontolo, ary nilaza mazava fa hitandro toy ny anankadriamaso ity Birao vao avy nohavaozina ity, indrindra fa ny lalan-tsaina entina-miasa ao anatiny.

𝐕𝐀𝐊𝐒𝐈𝐍𝐘 𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐑𝐎𝐌𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 ---Hisy fanaovam-bakisiny hiadiana amin'ny Haromotana, miaraka amin'ny Cabinet Vétéri...
25/06/2024

𝐕𝐀𝐊𝐒𝐈𝐍𝐘 𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐑𝐎𝐌𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀
---
Hisy fanaovam-bakisiny hiadiana amin'ny Haromotana, miaraka amin'ny Cabinet Vétérinaire Ankadikely, izay ho tanterahina amin'ireto Daty sy ora ireto:
Terrain RAFANODINA : 03 Jolay 2024,, manomboka amin'ny 08 maraiona ka hatramin'ny 10 Ora.
Tany malalaka faran'ny Bus Namehana : 04 Jolay 2024 , manomboka amin'ny 08 maraiona ka hatramin'ny 10 Ora.
Terrain Ambohinaorina 5 Jolay 2024 manomboka amin'ny 08 maraiona ka hatramin'ny 10 Ora.
Ento hatao vakisiny ny alikanao sy ny sakanao araka ny toerana voatondro.
Sarany : 5 000 Ar isaky ny alika na saka iray

Wanted!!Tsy tapenako intsony ny mason'ilay tsivalahara ity, fa ity hono Dawili, Ilay nanolana an'ilay zazavavy 6 taona t...
04/03/2024

Wanted!!
Tsy tapenako intsony ny mason'ilay tsivalahara ity, fa ity hono Dawili, Ilay nanolana an'ilay zazavavy 6 taona tsaboina ao @ HJRA.

Araka ny filazan'ny olona dia avy eny Ambohitsaratelo, Fkt Imerimandroso, kaominin'Imerintsiatosika izy

Source: Bevomaso

Indro ny fomba fiadin'ny Mpisoloky vaovao indrayNy mahagaga, rehefa mividy puce, dia mameno CINDia ahoana no tsy mahatra...
21/02/2024

Indro ny fomba fiadin'ny Mpisoloky vaovao indray
Ny mahagaga, rehefa mividy puce, dia mameno CIN
Dia ahoana no tsy mahatratra an'izy itony mbarak'izao.
Sa misy kopaka hisasahana ami'ny , ,

𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐎 𝐍𝐈𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐀𝐃𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀---📌 Zaza kely mbola enim-bolana an-ki...
17/01/2024

𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐎 𝐍𝐈𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐊𝐓 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐀𝐃𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀
---
📌 Zaza kely mbola enim-bolana an-kibo, no nisy nanary tetsy amin’ny Fokontany Soaniedanana, Ankizy sendra nilalao no nahatsikaritra tsy lena na Sachet maintimainty teo amoron-drano no nahita ity izay nisy ny fatin’ity zazarano arak any filazan’ny taolo azy.
📌 Ireo zaza ireo indray no nitatitra tamin’ny olon-dehibe teo an-tanana, ka dia vory ny ny manodidina nijery sy namantatra. Araka ny filazan’ny lehiben’ny Fokontany dia tsy nisy nahatsikaritra ny olona nahavita izao zava-doza izao ny tety amin’ny manodidina, fa tombanana ho tamin’ny andro alina no nanariana azy ity, fa misy kosa ireo mponina milaza fa mety navalany tamin’ny rano izy, nentin’ny rano, ka izao tafapetraka eto amin’ny Fokontany Soaniedanana izao.
📌 Rehefa nampandre ny zava-misy tamin’Andriamatoa Ben’ny tanana ny mponina, dia naniraka ny ekipany nidina teny an-toerana, sady nitondra lamban-drazana hamonosana ny ny maty. Taorian’ny fitsirihana natao, dia nentina nalevina teny Manantenabe, izay toeram-pandevenana ny vahiny lavin-kavana eto Sabotsy Namehana.
📌 Ry tanora, tandremo ny fitondran-tena fa tena tranga mampalahelo sy mampahory indrindra ny tahaka ity

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀📌 ...
08/12/2023

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀

📌 Mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ireo Mponina ety Kaominina Sabotsy Namehana, noho ireo andrin-jiro efa miha antitra sy bobongolo ka ahiana hitera-doza hoan’ny vahoaka ety amin’ny Fokontany, hoy ny fitarainan’ny Mponina ety amin’ny FKT Tsarafara.

📌 Ny ankabeazan’ny andrin-jiro ampiasain’ny Jirama ety mantsy dia mbola hazo avokoa, ary tsampa sy hita fa tena efa ela tsy nisy fanoloana ka manomboka tapaka. Noho izany dia mikirazorazo amin’ny tany ny tariby mpitondra herin’aratra, ka na dia zaza kely 5 taona aza dia hahatakatra hikasika azy. Noho izany dia tena hatahorana mafy hitera-doza.

📌 Araka ny filazan’ny Mponina, dia efa nisy fampandrenesana ny Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mbarak’androany tsy misy valiny, kanefa rehefa noahtonina sy nanontaniana ny Tompon’andraikitry ny Jirama eto Sabotsy Namehana ihany, dia nilaza izy fa mbola tsy naharay fitarainana mihintsy hatramin’ny anio.

📌 Raha resaka teknika tahaka izany, dia antsy tsy mahatapa-bilona izahay Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mila miantso ny laharana vert 457, antso maimaim-poana tsy handoavam-bola, ka ny foibe no maniraka anay, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny avy eo amin’ny Jirama.

📌 Very fanahy mbola velona ny Mponina manoloana an’ity loza mitatao ity, ka dia manao antso vonjy amin’izay tompon’andraaikitra tandrify azy.

FANENTANANA SY FAMPAHAFANTARANA MAHAKASIKA NY FAHAKIVIANA SY FAHAKETRAHANA ARANTSAINA HOAN’NY OLONA TRAMPAHASEMBANANA SY...
07/12/2023

FANENTANANA SY FAMPAHAFANTARANA MAHAKASIKA NY FAHAKIVIANA SY FAHAKETRAHANA ARANTSAINA HOAN’NY OLONA TRAMPAHASEMBANANA SY NY FIANAKAVIANY

Ny Alakamisy 07 Desambra 2023 lasa teo dia nisy ny fanentanana sy fampahafantarana mahakasika ny fahakiviana sy fahaketrahana arantsaina hoan’ny olona trampahasembanana sy ny fianakaviany izay nokarakarain’ny CBM, ny ONG MERCI ary PSY-KOZY Madagascar, tao amin’ny efitranon’ny Commune Sabotsy Namehana.
Olona manana fahasembanana 100 no niatrika an’ity atrik’asa ity, nomban’ny akohonanay avy, tamin’izany no namelabelarana ny atao hoe FAHAKETRAHANA ARAN-TSAINA, SY NY FAHAKIVIANA? sy fisorohana an’izany ary ny fandraisana an-tanana ny olona tratran’ity olana ity.
Andaniny kosa, dia nisy ny toromarika nomena hoan’ireo olona trampahasembanana hahafahana mandray an-tanana azy ireo.
Fa nifanindry an-dalana tamin’ity andro ity ihany koa ny fandraisana ny fanisana ireo Zaza tratran’ny fahasembanana eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana
Tiana hatrany ny manamarika fa nanao tan-tsoroka tamin’izao hetsika izao ny Kaominina Sabotsy Namehana

Address

Sabotsy-Namehana

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261348448234

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune.Sabotsy.Namehana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune.Sabotsy.Namehana:

Share