26/09/2026
Na dia andro tsy fiasana aza ny Asabotsy 26 Septambra 2026, dia tsy nanakana ny fitondrana mahefa sy ny fitondram-panjakana tsy hidina ifotony hanohana ireo mpiara-belona tra-boina noho ny hain-trano tao amin'ny Fokontany Antaimby, Distrikan’i Sambava.
Ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina SAVA (DRPS SAVA), Atoa LEONG Sam Dano Éric, niaraka tamin'ny ekipany, dia niara-nidina tamin’ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny izay nahitana ny
Solontena avy amin’ny Région SAVA,Ny Secrétaire Général de la Préfecture ary ny point focal de la BNGRC.
Notolorana tamin'fomba ôfisialy ny fanampiana avy tamin-dRamatoa Minisitra misahana ny Mponina sy ny Firaisankina, RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, ireo tokantrano tra-boina. Nisy ihany koa ny fanampiana fanampiny natolotry ny Région SAVA ho an'ireo fianakaviana voakasika.
Ity hetsika ity dia miankohoka tanteraka amin'ny teny filamatra hoe: "Amin’ny fotoan-tsarotra, tsy misy irery. Ny firaisankina no hery, ny fanohanana no fanantenana." 🤝
Manamafy hatrany ny fahavononany ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisankina amin'ny alalan'ny DRPS SAVA fa ho akaiky ny vahoaka mandrakariva, indrindra ireo marefo sy tra-boina.