DRPEB Atsimo-Andrefana

DRPEB Atsimo-Andrefana Gestion des Ressources Halieutiques. Page officielle de la Direction Régionale de Pêche et de l'Economie Bleue Atsimo-Andrefana.

💢 Fitadiavana sy fandalinana toerana mety amin'ny FANAVONDRAHA DRAKAKE eny amin'ireny ALA HONKO ao anatin'ny CMI na Comp...
13/01/2026

💢 Fitadiavana sy fandalinana toerana mety amin'ny FANAVONDRAHA DRAKAKE eny amin'ireny ALA HONKO ao anatin'ny CMI na Complexe Mangoky Ihotry, izay tantanin' ny ASITY MADAGASCAR.

📌 Ho fanatsarana ny famokarana JONO DRAKAKE, ny kalitaon'ny vokatra sy ny velomam-pon'ny mpanjono, dia nidina ifotony ny teknisiana avy ao amin'ny DRPEB sy DREDD hamaly ny hetahatan'ireo Mpanjono momba ny fanatavezana DRAKAKE.

📌 Taorian'ny fakan-kevitr'ireo fokonolona sy fidinana ifotony nanazavana ny mahakasika ny :
👉 Lalàna mifehy ny Jono DRAKAKE ;
👉 Lalàna mifehy ny Ala Honko ;
👉 Toe-toerana mety sy ny ara-teknika momba ny fanatavezana DRAKAKE dia nanaiky izy rehetra fa vonona amin'izany rehetra izany.

📌 Arak' izany dia toerana 04 no hita sy manana fe-petra amin'izany, dia ny ao Befotake sy Ankotapiky ary Feza ao amin'ny Fokontany Ankotapiky, ary ny ao Ambolimoke ao amin'ny Fokontany Belavenoke, CR BEFANDEFA, Distrikta MOROMBE

💢 Hisy ny fampiofanana mahakasika ny FANATAVEZANA DRAKAKE homena azy ireo araka ny voalaza ao anatin'ny FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA (ASITY, DREDD, DRPEB)

📍 Notanterahina ny 08 sy 09 Janoary 2026 tao amin'ny Fokontany Sarodrano sy Lovokampy, CR Saint Augustin, Distrikta Toli...
13/01/2026

📍 Notanterahina ny 08 sy 09 Janoary 2026 tao amin'ny Fokontany Sarodrano sy Lovokampy, CR Saint Augustin, Distrikta Toliara II ny fanentanana izay niarahana tamin'ny Fikambanana VOIZO.

💢 Fanentanana izay notanterahina ho fanamasafisana sy fiarovana ny ain'ny olona amin'izao vanim-potoana mafana izao. Ka hevi-dehibe 02 loha no novelabelarina tamin'ireo fokonolona izay any ifotony :

📌 FITANDROVANA NY FAHASALAMANA
👉 Fampahafantarana sy fampahatsiahivana ireo karazana hazandrano sy ny fotoana ary ny antony mahatonga ny fahapoizinana na ICAM (Intoxication par Consommation d'Animaux Marins).

📌 FISOROHANA NY LOZA ENY AN-DRANOMASINA
👉 Fanentanana ireo mpanjono mba ho mailo sy hiaro-tena hatrany amin'izao fisian'ny andro ratsy matetika izao :
⚓ Fihenoana tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetr'andro ;
⚓ Fitondrana ireo kits de sécurité en mer ;
⚓ Fampianarana momba ny fiarovantena an-dranomasina.

🤝 84 ny isan'ireo nanatrika ary naneho ny fahavononany hampihatra ny fiofanana izay azon'izy ireo amin'ny fiainany andavanandro.

💢 Fivoriana sy fidinana ifotony niarahan'ireo mpisehatra tekinika ao anatin'ny " *Observatoire ICAM Atsimo-Andrefana*" h...
25/12/2025

💢 Fivoriana sy fidinana ifotony niarahan'ireo mpisehatra tekinika ao anatin'ny " *Observatoire ICAM Atsimo-Andrefana*" ho fiatrehana sy fisorohana ny tranga fahapoizinana avy amin'ny hazan-dranomasina amin'izao saison 2025-2026 izao.

📍Tao amin'ny Fokontany Ifaty sy Mangily, CR BELALANDA ary Fokontany Ambolimailaky, CR MANOMBO, Distrikta Toliara II, no nisantaran'ireo Mpikaroka avy ao amin'ny IH.SM sy ny Teknisiana avy ato amin'ny DRPEB Atsimo-Andrefana ny fiaraha-miasa, ny 19 sy 20 Desambra 2025.

📌Ireto manaraka ireto no asa natao nandritry izany :
👉 Latabatra boribory nandinihana ny ho famelomana ny "observatoire ICAM" sy ny fampiseharana ireo tokony handrafitra ny "parties prenantes techniques et politiques" ary ny DINIK'ASA (Planification).
👉 Fanangonana atonta-kevitra sy atontan'isa teny anivon'ny Mpanjono sy ny Filoham-pokotany ary ny CSB II.
👉 Fanentanana sy fifanakalozan-kevitra amin'ny ady atao mba hisorohana sy hampihenana ny tranga mety hisy, niarahana tamin'ireo Olobe sy Mpanjono.

📍Fizarana zana-pia ho fampiroboroboana vadin'asa sy ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo💢 Taorian'ny fiofanana sy ny faha...
25/12/2025

📍Fizarana zana-pia ho fampiroboroboana vadin'asa sy ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo

💢 Taorian'ny fiofanana sy ny fahavitan'ny dobo dia niverina tany amin' ny Fokontany Ampasindava, Kaominina Beantaky sy Fokontany Andranomangatsiaka, Kaominina Andranomangatsiaka Distrikta Betioky Sud, hanome zana-pia tilapia (miisa 4200 ) sy provandy 150 Kg an'ireo tantsaha ny ONG AMDA-MINDS.

🐟 Zana-pia avy amin'ny Kaoperativa AQUA FERME DU SUD ao Ambondrolava.

💢 Mpanohana : ONG Japonaise AMDA-MINDS izay miara-miasa amin'ny ONG ASOS Toliara.

📍Fampiofanana Fiharea Fia tao amin'ny Fokontany Ampasindava sy Maroarivo ary Andranomangatsiaka Distrikta Betioky Sud.💢 ...
25/12/2025

📍Fampiofanana Fiharea Fia tao amin'ny Fokontany Ampasindava sy Maroarivo ary Andranomangatsiaka Distrikta Betioky Sud.

💢 Araka ny fangatahana fiaraha-miasa nataon'ny AMDA MINDS, tetik'asa Japoney dia nanatanteraka fiofanana Fiharea Fia anaty dobo-tany sy tanim-bary ny avy ato amin'ny DRPEB Atsimo-Andrefana.

🐟 Fahalalana fototra, fanamboarana dobo sy fanomezana fitaovana/kojakoja rehetra ilaina amin'ny fanamboarana dobo ary provandy fanombohana no nisitrahan'ireto tantsaha voatsonga isam-pokotany ireto :
- Fkt Ampasindava : 15 (Lahy 10 sy Vavy 05), mitambatra amin'ny dobo mirefy 25 m²
- Fkt Maroarivo : 15 (Lahy 07 sy Vavy 08) manana dobo itambarana mirefy 25 m²
- Fkt Andranomangatsiaka : 15 (Lahy 11 sy Vavy 04) hiara-miasa amin'ny dobo mirefy 25 m²
🐟 Hisy ny fidinana ho fanaraha-maso, hiarahana amin'ireo tompon'andraikitra avy amin'ny ONG Japonaise sy ny Teknisianina avy ao amin'ny DRPEB Atsimo-Andrefana mba hanamafisana ny fahalalana azo ka hiantoka vokatra tsara.

💢 Ny mpanohana : ONG Japonaise (AMDA MINDS) izay miara-miasa amin'ny ONG ASOS Toliara.

📍Fampiroboroboana vadin'asa ho fanatsarana ny hari-karena sy ny fari-pianana ambanivohitra, ato amin'ny Fokontany Ambiky...
24/12/2025

📍Fampiroboroboana vadin'asa ho fanatsarana ny hari-karena sy ny fari-pianana ambanivohitra, ato amin'ny Fokontany Ambiky sy Ambohimahavelona, CR Ambohimahavelona Distrikta Toliara II.

💢 Taorian'ny fiofanana azon'ireo mambran'ny VOI (manao Asa Fiarovona ny Ala) amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa eo anivon'ny WWF/Paysage MAHAFALY sy ny DRPEB Atsimo-Andrefana dia nomena zana-pia ireo mpiofana sady manana tany.

🐟 Zana-pia Tilapia miisa 50.000 (23000 + 27.000) no nozaraina in-droa miantoana.
🐟 Mpiompy miisa 75 no nisitraka ny fanomezana :
👉 Fkt Ambiky : 19 (Lahy 13 sy Vavy 06) manana dobo mirefy 1650,27 m2.
👉 Fkt Ambohimahavelo : 56 (Lahy 29 sy Vavy 27) manana dobo mirefy 6891,00 m2.

💢 Hisy hatrany ny fanaraha-maso ny asa hataon' ny teknisiana ho fanarenana miandalana ny fomba fiompiana sy ho tohana ara-teknika mba hampahomby ny ezaka sy ny asa natao.

⏺️ Mpanohana : WWF Toliara

📍Nanatanteraka fanentanana sy fampianarana tamin'ny tanàna maromaro manaraka ireto ny avy ao amin'ny CirPEB Morombe. Tao...
23/12/2025

📍Nanatanteraka fanentanana sy fampianarana tamin'ny tanàna maromaro manaraka ireto ny avy ao amin'ny CirPEB Morombe. Tao Befotake, Ankotapiky, Antaniloba sy Feza ao amin' ny Fokontany Ankotapiky ary Liavoro, Malande sy Ambolimoke ao amin'ny Fokontany Belavenoke, CR Befandefa, Distrikta MOROMBE.

💢 Fanentanana sy fampianarana ny mpanjono Drakaka no notanterahina momba :
👉 Ny fiarovana ny Ala Honko sy ny tontolon'ny Honko ary
👉 Ny fampiasana ny fitaovana vaovao "Garigary" ho fitaovana fanjonoana manaja ny vokatra sy ny tontolo iainana, indrindra ny lava-drakaky.

💢 Vonona ny Asity Madagascar eto Morombe, amin'ny alalan'ny PCDIl hanohana azy ireo ara-pitaovana toy ny "Garigary" mba hanatsarany ny fivelomam-pony sy ho fitantanana maharitra ny Ala Honko.

📍 Notanterahina ny 15 Desambra 2025 lasa teo ny fanentanana mahakasika ny ICAM sy ireo lalàna sasan-tsasany mifehy ny Jo...
23/12/2025

📍 Notanterahina ny 15 Desambra 2025 lasa teo ny fanentanana mahakasika ny ICAM sy ireo lalàna sasan-tsasany mifehy ny Jono.

💢 Ho fandraisan'andraikitra amin' ny mety hitrangan'ny fahapoizinana avy amin'ny hazan-dranomasina, amin'izao vanim-potoana izao dia nidina tany amin'ny Fokontany Mangolovolo sy Isosa, Kaominina Ambonivohitra Morombe ny Chef CirPEB nanentana ny mpanjono sy ny mpivarotra ary ireo fokonolona.

📌 Ka maromaro ireo teboka noresahana mandritra an'izany :
⏺️ Famafisana ny fampahafantarana azy ireo ny karazana hazan-dranomasina manapoizina sy mahafaty (Geba, Pepy, Logy, Sarigeba)
⏺️ Fanatitranterana ihany koa ny tsy maintsy anapahana ny lohan'ireo trondro vaventy sy ny handevenana izany miaraka amin'izay rehetra ao anatiny (Lagnora, Aloalo, Sabonto, Lamatra...).
⏺️ Toy izany koa ny tokony hahamailo hatrany amin'ireo karazany hafa.
⏺️ Famelabelarana ihany koa ireo lalàna mifehy ny Jono mifandraika amin'ny fotoana sy ny fomba ary ny fitaovana.

💢 Hita fa mbola betsaka ireo mila fanentanana. Resy lahatra izy ireo fa hanaraka ny toro-marika avy amin'ny tompon'andraikitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga.

📍Fankatoavana Volavolan-DINA eo anivon'ny VOI MAMPIRAY ao amin'ny Fkt ANKOTAPIKY sy ny VOI AVOTRA ao amin'ny Fkt BELAVEN...
23/12/2025

📍Fankatoavana Volavolan-DINA eo anivon'ny VOI MAMPIRAY ao amin'ny Fkt ANKOTAPIKY sy ny VOI AVOTRA ao amin'ny Fkt BELAVENOKE, CR BEFANDEFA, Distrikta MOROMBE.

💢 Nankatoavin'ny fokonolona ny fandravonana ny volavolan-DINA izay hifampifehezan'ny rehetra eny ifotony ao anatin'ny Tanàna miisa 11.

📌 Izao no atao mba ho fiarovana sy ho fampiroboroboana ny velomam-po an-davanandro no tanjona ary ny mba hampaharitra ny harena iombonana.

💢 Dingana manaraka ny hanolorana eny amin'ny FITSARANA mahefa izany DINA izany mba hampanankery amin'izay hampiasana azy.

Mpitantsoroka : ASITY Madagascar

📍Fampiofanana ho an’ny Ocean Defenders (OD) niarahana tamin’ny Natiora Defenders (ND), tao Andavadoaka, CR Befandefa, Di...
18/12/2025

📍Fampiofanana ho an’ny Ocean Defenders (OD) niarahana tamin’ny Natiora Defenders (ND), tao Andavadoaka, CR Befandefa, Distrikan’i Morombe

💢 Natiora Defenders no ONG voalohany eto Madagasikara izay mampisongadina ny mpitarika eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, na eny an-tanety na eny anaty ala.

📌 Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Ocean Defenders, ny Natiora Defenders dia manohana ireo mpitarika eny anivon’ny vondrom-piaraha-monina amin’ny :

👉 Fanaraha-maso ny tontolo iainana ;
👉 Fandraketana an-tsoratra ireo fandikan-dalàna ;
👉 Fanentanana ireo vondron'olona ifotony ;
👉 Fampahafantarana ireo lalàna mifandraika amin'ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka ;

💢 Ao anatin’ny fiaraha-miombon'antoka, ny DRPEB Atsimo-Andrefana dia nangatahana hanatanteraka ny fampiofanana izay tafiditra ao anatin’ny "fanamafisana ny anjara andraikitry ny mpitarika eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny Fitantanana Maharitra ny Jono sy ny Faritra amorontsiraka.

💢 Ny fampiofanana dia nifantoka indrindra tamin’ny "zon’ny vondrom-piaraha-monina amorontsiraka, ka ireto avy ireo lohahevitra nodinihina :
👉 Fitantanana ifotony ny harena an-dranomasina (TGRH sy TGRN)
👉 Lalàna mifehy ny jono
👉 Fampahafantarana miendri-pitoriana ary Fandraketana an-tsoratra ireo fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana
👉 Anjara asa sy andraikitrin' ireo Ocean Defenders
👉 Paik'ady fanaraha-maso ny tontolo iainana sy fanaovana tatitra (reporting)

💢 Naharitra 02 andro ny fampiofanana, natao tao amin’ny biraon’ny Blue Ventures.
Nampifandimbiasina ny fampianarana ara-teôria sy ny fandinihana tranga azo ampiharina ary fifanakalozan-kevitra momba ny zava-misy eny ifotony amin’ireo toerana iasan’ny OD sy Velondriake.

💢 10 ireo Ocean Defenders voafantina tamin’ity andiany voalohany ity ary miparitaka amin’ny Faritra 06 : Atsimo-Andrefana, Melaky, Boeny, DIANA, SAVA ary Analanjirofo.

💢 Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika : Nomad Ocean Care, Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Blue Ventures (Toliara & Andavadoaka), ary ny Fikambanana VELONDRIAKE.

📍Fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny tetik'asa "Famerenana amin’ny laoniny ny ala honko sy fanohanana ny fiveloman’ny...
18/12/2025

📍Fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny tetik'asa "Famerenana amin’ny laoniny ny ala honko sy fanohanana ny fiveloman’ny fiaraha-monina amoron-dranomasina Atsimo Andrefan’i Madagasikara." (Restauration des mangroves et Soutien aux communautés locales à Madagascar). Izay natao nifanesy tamin'ireo Fokontany 03 hiasan'ny tetik'asa.

⏺️ Ny ONG Honko Salama no mpanatanteraka ny tetik'asa, izay vatsian'ny CEPF na Critical Ecosystem Partnership Fund, mandritry ny 36 volana (03 taona), ao amin'ny Fokontany Lanerano sy Antsakoa, CR Androka, Distrikta Ampanihy ary Sarodrano, CR Saint Augustin, Distrikta Toliara II.

⏺️ Tanjon'ny tetik'asa amin' ny ankapobeny ny hiaro sy hamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainana amoron-dranomasina, ary hampitombo ny fiveloman’ny mponina amin’ny alalan’ny asa maharitra sy manaja ny tontolo iainana.

📌 Hatao araka izany ny :
👉 Fambolena Honko 99 Ha (80% de survie) ;
👉 Fampiatoana ny fikisahan' ny tamboho fasika na Dune 45 Ha ;
👉 Fanofanana olona miisa 100 mihoatra (Vehivavy mpisitraka mivantana ≥ 70%)
👉 Fametrahana trano tantely 50 isa ;

Address

-23. 365505, 43. 672421
Toliary
601

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRPEB Atsimo-Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share