Dredd Atsimo Andrefana

Dredd Atsimo Andrefana Direction Régionale de l'Environnement et du Développement Durable (DREDD) Atsimo Andrefana.

04/08/2026
04/08/2026

🌞🌥𝗙𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗼𝘀𝗼𝗻𝗮 𝗼̂𝘇𝗼̂𝗻𝗮 : 𝗡𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗨𝗡𝗘𝗣 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 ☀🌳

📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 📆04 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026

🌱🌤Nihaona tamin’Andriamatoa Minisitra 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲 tao Antsahavola Andriamatoa 𝗠𝗼𝘂𝘀𝘀𝗮 𝗕𝗮𝗿𝗿𝘆, 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘮𝘦 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘨𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘖𝘧𝘧𝘪𝘤𝘦𝘳 ao amin’ny 𝗢𝘇𝗼𝗻𝗔𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 – 𝗟𝗮𝘄 𝗗𝗶𝘃𝗶𝘀𝗶𝗼𝗻 eo anivon’ny 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗮𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 ( #𝗨𝗡𝗘𝗣), izay manatanteraka iraka eto Madagasikara ny 02 hatramin’ny 07 aogositra 2026. Anisan’ny niompanan’ny lahadinika ny fanamafisana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny sosona ôzôna.

🌿🌤Fanaovana tombana ny fanatanterahana ireo tetikasa mifandraika amin’ny fiarovana ny sosona ôzôna no tanjon’ny iraka tanterahin’Atoa Moussa Barry eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny 𝗕𝗶𝗿𝗮𝗼 𝗡𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗢̂𝘇𝗼̂𝗻𝗮 eto anivon’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗜𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗟𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻𝗷𝗮𝗳𝘆 ( #𝗠𝗘𝗗𝗗).

🌳🌤Mandritra izao fitsidihana izao dia hisy ny fifampidinihana sy fifanakalozana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toy ny 𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗲𝗸𝗻𝗶𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗙𝗿𝗶𝗴𝗼𝗿𝗶𝘀𝘁𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 ( ), ny 𝗙𝗮𝗱𝗶𝗻𝘁𝘀𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗚𝗮𝘀𝘆𝗡𝗲𝘁, ireo sampan-draharaha misahana ny 𝗔𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 sy ny 𝗩𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮, ary ny 𝗕𝘂𝗿𝗲𝗮𝘂 𝗱𝗲 𝗡𝗼𝗿𝗺𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 ( ), natao indrindra hanamafisana hatrany ny ezaka iarahana amin’ny fiarovana ny sosona ôzôna, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra voakasika.

🔹🔹🔹🔷🔷

🌳🌤𝗣𝗿𝗼𝘁𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗰𝗼𝘂𝗰𝗵𝗲 𝗱'𝗼𝘇𝗼𝗻𝗲 : 𝗟𝗲 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗿𝗲 𝗱𝗲 𝗹'𝗘𝗻𝘃𝗶𝗿𝗼𝗻𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗲𝘁 𝗱𝘂 𝗗𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗗𝘂𝗿𝗮𝗯𝗹𝗲 𝗿𝗲𝗰̧𝗼𝗶𝘁 𝘂𝗻 𝗿𝗲𝗽𝗿𝗲́𝘀𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗱𝘂 𝗣𝗡𝗨𝗘🌤

📍𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 📆 04 𝘢𝘰𝘶̂𝘵 2026

🌤🌿Le Ministre de l'Environnement et du Développement Durable, M. 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗧𝗦𝗜𝗛𝗔𝗟𝗔 𝗡𝗼𝗹𝗮𝘃𝗲 𝗟𝘂𝗰𝗸 𝗔𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗱𝗲, a reçu en audience M. 𝗠𝗼𝘂𝘀𝘀𝗮 𝗕𝗮𝗿𝗿𝘆, 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘮𝘦 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘨𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘖𝘧𝘧𝘪𝘤𝘦𝘳 au sein d' 𝗢𝘇𝗼𝗻𝗔𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 – 𝗟𝗮𝘄 𝗗𝗶𝘃𝗶𝘀𝗶𝗼𝗻 du 𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗨𝗻𝗶𝗲𝘀 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗹'𝗘𝗻𝘃𝗶𝗿𝗼𝗻𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 ( #𝗣𝗡𝗨𝗘), en mission officielle à Madagascar du 02 au 07 août 2026.

🌱🌤Cette mission s'inscrit dans le cadre du suivi de la mise en œuvre des projets relatifs à la protection de la couche d'ozone. Elle vise également à renforcer les capacités du 𝗕𝘂𝗿𝗲𝗮𝘂 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 𝗢𝘇𝗼𝗻𝗲 ( #𝗕𝗡𝗢) du Ministère de l'Environnement et du Développement Durable, tout en consolidant la collaboration avec les principaux acteurs nationaux concernés.

🌤🌳Au cours de son séjour, M. Moussa Barry mènera des échanges avec plusieurs partenaires, notamment l' 𝗨𝗻𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗧𝗲𝗰𝗵𝗻𝗶𝗰𝗶𝗲𝗻𝘀 𝗙𝗿𝗶𝗴𝗼𝗿𝗶𝘀𝘁𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 (𝗨𝗙𝗠), les 𝗗𝗼𝘂𝗮𝗻𝗲𝘀, 𝗚𝗮𝘀𝘆𝗡𝗲𝘁, les départements en charge de l'Énergie et du Commerce, ainsi que le 𝗕𝘂𝗿𝗲𝗮𝘂 𝗱𝗲 𝗡𝗼𝗿𝗺𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 ( #𝗕𝗡𝗠). Ces concertations ont pour objectif de poursuivre et d'intensifier les actions en faveur de la préservation de la couche d'ozone, conformément aux engagements internationaux de Madagascar en matière de protection de l'environnement.

🌿 APPEL À EXPOSANTS : FOARAN-KAREA MAITSO ATSIMO ANDREFANA 🌿 ANTSO HO AN'NY MPAMPIRANTY : FOARAN-KAREA MAITSO ATSIMO AND...
04/08/2026

🌿 APPEL À EXPOSANTS : FOARAN-KAREA MAITSO ATSIMO ANDREFANA

🌿 ANTSO HO AN'NY MPAMPIRANTY : FOARAN-KAREA MAITSO ATSIMO ANDREFANA
🇲🇬🇲🇬 (fiantsoana amin'ny teny Malagasy etsy ambany)

Vous êtes un acteur de l' , de l'économie ou de la Restauration des Paysages et des Forêts ( ) dans la région Atsimo Andrefana ?

📅 Participez à la Foire de l'Économie Verte Atsimo Andrefana les 14, 15 et 16 août 2026.

✅ Participation pour les exposants

📲 Demandez votre fiche d' via WhatsApp au 032 85 295 28
📧 Envoyez votre fiche complétée à l'adresse : [email protected] le 2026 à 12h00.

Venez valoriser vos initiatives, produits et savoir-faire en faveur d'un développement durable et rencontrer les acteurs potentiels pour développer votre business

---- ____ ---- ____ ---- ____

🇲🇬🇲🇬
🌿 ANTSO HO AN'NY MPAMPIRANTY

Mpisehatra amin'ny , toekarena na amin'ny Fanarenana ny Endritany sy ny Atiala ( ) ato amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ve ianao?

📅 Manasa anao handray anjara amin'ny Foaran'karea Maitso Atsimo Andrefana ny 14, 15 ary 16 Aogositra 2026.

✅ Maimaim-poana ny fandraisana hoan'ny fampirantiana

📲 Angataho amin'ny WhatsApp 032 85 295 28 ny taratasy .
📧 Alefaso ny taratasy fisoratana anarana feno ao amin'ny mailaka : [email protected] 2026 amin'ny 12 ora atoandro.

Ampahafantaro ny tetikasa, vokatra ary fahaiza-manao anananao ho an'ny fampandrosoana maharitra, ary hihaona amin'ireo mpisehatra sy mpiara-miombon'antoka mety hanampy anao amin'ny fampivelarana ny asa aman-draharahanao...

🌿 NITSIDIKA NY DREDD ATSIMO ANDREFANA NY MINISITRA SY NY SEKRETERA JENERALY : DINIKA HO FANAMAFISANA NY FITANTANANA SY N...
30/07/2026

🌿 NITSIDIKA NY DREDD ATSIMO ANDREFANA NY MINISITRA SY NY SEKRETERA JENERALY : DINIKA HO FANAMAFISANA NY FITANTANANA SY NY FAHOMBIAZAN'NY ASA🌱

📍 Toliara | 📅 29 Jolay 2026

Nitsidika ny biraon'ny DREDD Atsimo Andrefana teto Toliara ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, notronin'Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Ministera, ka nihaona tamin'ny ekipan'ny DREDD Atsimo Andrefana.
Nandritra ny fihaonana dia nanontany sy nifampidinika tamin'ny ekipa momba ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ny asa ny Minisitra, ary nanome fahafahana ny tsirairay haneho ny heviny sy hifampizara traikefa.

👉Taorian'izany dia nanolotra tari-dalana sy paikady hanamafisana ny fahombiazan'ny asa ny Minisitra sy ny Sekretera Jeneraly. Nohamafisin'izy ireo ny maha zava-dehibe ny fitantanana tsara sy mangarahara, ny tsy fitanilana amin'ny fanatanterahana ny adidy, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana eo anivon'ny ekipa, ary ny fandrindrana akaiky ny asa miaraka amin'ireo rafitra sy tompon'andraikitra eny ifotony.

👉Namporisika ny ekipan'ny DREDD Atsimo Andrefana ihany koa izy ireo mba hanohy hiasa amim-pahamatorana sy amim-panoloran-tena, hifantoka amin'ny vokatra azo tsapain-tanana, ary hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny politika sy ny vina entin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Izao fitsidihana izao dia maneho ny finiavan'ny Ministera hanakaiky hatrany ireo sampan-draharaha aty amin'ny faritra, hanamafy ny fifampiresahana ary hiara-hametraka paikady hahatonga ny asa ho mahomby sy maharitra.

🌱 FANAMARINANA SY FANDRAISANA IREO VELARAN-TANY NAMBOLENA HAZO AO ANATIN'NY TETIKASA MIONJO TETO ATSIMO ANDREFANA🌳📍 Fari...
29/07/2026

🌱 FANAMARINANA SY FANDRAISANA IREO VELARAN-TANY NAMBOLENA HAZO AO ANATIN'NY TETIKASA MIONJO TETO ATSIMO ANDREFANA🌳

📍 Faritra Atsimo Andrefana
📅 24 ka hatramin'ny 26 Jolay 2026

Notanterahina ny fanamarinana sy fandraisana ireo velaran-tany nambolena hazo ao anatin'ny Tetikasa MIONJO teto amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Ity iraka ity dia natao hanombanana ny kalitaon'ny asa vita, hijerena ny tahan'ny fahaveloman'ny zana-kazo, ary hanamarinana ny fanatanterahana ny tanjona napetraka amin'ireo toerana nanaovana fambolen-kazo.

🌿 Analatelo – Kaominina Antanimieva
Velaran-tany 239 ha, nambolena tamin'ny volana Febroary 2024, no nohamarinina. Nahatratra 85% ny tahan'ny fahaveloman'ny zana-kazo. Ahitana Acacia, Eucalyptus, Leucaena, Baobab, ary hazo fihinam-boa (Manga), izay mampiavaka ity toerana ity noho ny fampifangaroana karazan-kazo ho an'ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fiveloman'ny mponina.

🌿 Andranovorimampianatsy – Analamisampy
Velaran-tany 125 ha no nohamarinina. Ahitana Acacia, Moringa, Kininy, Bonara, Kily, Manga, Leucaena ary Nimy, izay samy mandray anjara amin'ny fanarenana ny ala sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

🌿 Vatovanda – Kaominina Andranovory
Vita tanteraka ny tanjona napetraka tamin'ny fambolen-kazo, ka 126 ha no voaray, ary nahatratra 80% ny tahan'ny fahombiazan'ny fambolen-kazo (taux de réussite).

🌱Naneho ny vokatra tsara azo tamin'ny ezaka fanarenana ny ala teto Atsimo Andrefana ity iraka ity, ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny asa mba hiantohana ny faharetan'ny tetikasa sy ny fiarovana ny harena voajanahary.

🤝 Ity hetsika ity dia notanterahina niarahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny DREDD Atsimo Andrefana, ny Fondation Tany Meva, ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Tetikasa MIONJO.

🌱 Ny fanarenana ny ala anio no antoky ny tontolo iainana maitso sy ny fampandrosoana lovainjafy rahampitso.🌳

Address

Toliara Centre
Tulear
601

Telephone

+261340562585

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dredd Atsimo Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share