DIRTA Atsimo-Andrefana - Direction Régionale du Tourisme et de l'Artisanat

  • Home
  • Madagascar
  • Tulear
  • DIRTA Atsimo-Andrefana - Direction Régionale du Tourisme et de l'Artisanat

DIRTA Atsimo-Andrefana - Direction Régionale du Tourisme et de l'Artisanat Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DIRTA Atsimo-Andrefana - Direction Régionale du Tourisme et de l'Artisanat, Public & Government Service, Tulear.

08/09/2026
Nofaranana tamin’ny fizarana certificat ny fampiofanana momba ny fanodinana fakoNofaranana androany tamin’ny alalan’ny f...
12/08/2026

Nofaranana tamin’ny fizarana certificat ny fampiofanana momba ny fanodinana fako

Nofaranana androany tamin’ny alalan’ny fizarana certificat ny fampiofanana momba ny fanodinana sy fanomezana lanja ny fako ary ireo fitaovana efa tsy ampiasaina intsony (recyclage et valorisation des déchets), izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tànana Atsimo-Andrefana.

Naharitra telo andro ny fiofanana, ka ankizy sy tanora miisa 14 no nahavita izany hatramin’ny farany.

Tamin’ity andro famaranana ity, dia notolorana certificat ireo mpiofana, ho mariky ny fahavitan’izy ireo ny fiofanana sy ny fahazoany fahalalana ary fahaiza-manao momba ny fanodinana sy fanomezana lanja ireo fako sy fitaovana efa tsy ampiasaina intsony.

Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tànana Atsimo-Andrefana amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-mamorona, ny asa tanana ary ny fampiasana amin’ny fomba maharitra ireo akora sy fitaovana mbola azo avadika ho vokatra vaovao.







FAMPIOFANANA MOMBA NY FANODINANA FAKONatomboka androany, 10 Aogositra 2026, ny fampiofanana momba ny fanodinana fako sy ...
10/08/2026

FAMPIOFANANA MOMBA NY FANODINANA FAKO

Natomboka androany, 10 Aogositra 2026, ny fampiofanana momba ny fanodinana fako sy ireo fitaovana tsy ampiasaina intsony na ny Recyclage des déchets, izay karakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tànana ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.

Maharitra telo andro ny fampiofanana, izay ahitana mpandray anjara 20. Anisan’ny mampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo ankizy madinika sy tanora izay nanatevin-daharana ireo mpanao asa tànana liana amin’ity fiofanana ity.

Tanjona amin’izao fampiofanana izao ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako, ary koa ny fampiroboroboana ny fifampizarana lalantsaina momba ny famoronana asa mifototra amin’ny fanodinana fako.

Amin’ny alalan’ity hetsika ity, ny fako sy ireo fitaovana tsy ampiasaina intsony dia ezahina avadika ho loharanon-karena sy akora azo ampiasaina amin’ny famoronana vokatra, ka manome lanja ny asa tànana sady manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.












10/08/2026

📢 Fampahafantarana ny andraikitry ny sampandraharaham-paritry ny Asa Tànana, ao anatin’ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Faritra Atsimo-Andrefana, ary fanazavana ny fampiofanana momba ny fanodinana fako sy fitaovana tsy ampiasaina intsony (Recyclage des déchets).





02/08/2026

♻️ FORMATION EN RECYCLAGE Á TOLIARA !

Apprenez à transformer vos déchets en créations utiles et artistiques pendant 3 jours d'ateliers pratiques!

📅10, 11 et 12 Août 2026
📍Grande Salle de la DIRTA, Amorondriaky
🎯 Objectif : Zero déchet!

En partenariat avec la DIRTA AA & CMA

Inscriptions & Infos : 03485 87 153 ou envoyer directement un message sur la page
(Places limitées !)

DÉVELOPPEMENT TOURISTIQUE DU GRAND SUD DE MADAGASCARDans le cadre de la promotion et du développement du tourisme dans l...
02/08/2026

DÉVELOPPEMENT TOURISTIQUE DU GRAND SUD DE MADAGASCAR

Dans le cadre de la promotion et du développement du tourisme dans le Grand Sud de Madagascar, le Projet PIC, en collaboration avec la Région Atsimo-Andrefana et la Direction régionale du Tourisme et de l’Artisanat Atsimo-Andrefana, œuvre à la valorisation des destinations touristiques de Toliara et de ses environs.

Parmi les destinations phares de la Région Atsimo-Andrefana figure le village d’Anakao, situé à proximité de l’îlot de Nosy Vé. Ce site constitue un patrimoine naturel d’un intérêt écologique majeur et représente un atout important pour le développement de l’écotourisme dans la région.

L’îlot Nosy Vé se distingue notamment par la richesse de sa biodiversité et par la présence de colonies de pailles-en-queue à brins rouges (Phaethon rubricauda), une espèce emblématique qui contribue à la valeur écologique et touristique de ce site naturel.

À travers la valorisation de ces richesses naturelles et culturelles, les acteurs concernés entendent renforcer l’attractivité touristique de la destination Toliara et contribuer au développement économique durable du Grand Sud de Madagascar.

🌵🌊 Nomarihana androany teto Toliara  ny fanombohan'ny tetikasa Ranomasina Madio sy Salama CHO IP Madagasikara,  fantatra...
31/07/2026

🌵🌊 Nomarihana androany teto Toliara ny fanombohan'ny tetikasa Ranomasina Madio sy Salama CHO IP Madagasikara, fantatra fa mitentina 11 tapitrisa dollara amerikanina ny famatsiambola hanatanterahana azy ity ary haharitra dimy taona.

👉 Miisa 56 000 ireo olona hahazo tombotsoa mivantana ary ankoatr'izay dia 3320 Ha no ho lasa Faritra arovana vaovao.
4000 Ha ihany koa ireo Faritra arovana andranomasina ho tohanana.
Voakasik'izany ihany koa ny famerenana amin'ny laoniny ny rohivoary an-tanety simba mitotaly 25314 Ha.
Eo ihany koa ny fomba fitantanana maharitra ny velaran-tany mihoatra ny 144 203 Ha Ary tsy hadino ny fanohanana ny 4 660 Ha amin'ireo Faritra andranomasina mañana fepetra fiarovana mahomby hafa(OECM)
Tanjona lehibe ao anatin'izany ny fanatsarana ny fitantanana ny tontolo iainana,ny famerenana amin'ny laoniny ireo tontolo voajanahary simba, ny fampihenana ny loto ary ny fampiroboroboana fampiasam-bola maintso sy manga ho tombotsoaan'ny vahoaka sy ny harena voajanahary.

✅ Ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, miaraka amin'ny fanohanan'ny fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny famatsiam-bolan'ny Tahiry Iraisam-pirenena ho an'ny Tontolo Iainana (FEM/GEF) no manatanteraka ity tetikasa ity

Atelier de concertation consacré à l’élaboration du Plan de     de la   Atsimo-Andrefana.Organisée par le projet Projet ...
31/07/2026

Atelier de concertation consacré à l’élaboration du Plan de de la Atsimo-Andrefana.

Organisée par le projet Projet Pôles Intégrés de Croissance - PIC et animée par un consultant international, cette rencontre a permis d’identifier les priorités et les actions nécessaires pour renforcer l’attractivité touristique de notre région.

Address

Tulear

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DIRTA Atsimo-Andrefana - Direction Régionale du Tourisme et de l'Artisanat posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share