24/06/2026
FIKAONANDOHAM-PIRENENA MOMBA NY FANANANTANY, NY FANAJARIANA NY TANY, NY TOERAM-PONENANA ARY NY TRANO FONENANA.
Ezahina ho tanterahina ny tsoa-kevitra rehetra.
Notanterahina androany 23 jona 2026, teny amin'ny CCI Ivato, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy , ny fikaonandoham-pirenena momba ny Fananantany, ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Trano fonenana. Lanonana notarihin'ny ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, Lucien Rabearimananana, ary teo ambany fitarihan'ny Minisiitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany Lylyson René de Rolland.
Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Minisitry ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa, ny filohan'ny vaomieran'ny Fananantany eo anivon'ny antenimierampirenena sy ireo solombavambahoaka namany, ary ireo Ben’ny Tanà na sy manampahefana ary olo-manan-kaja avy amin’ireo Faritra 24 manerana ny Nosy.
Nanomboka ny 22 jona 2026 ny dinika sy fifanakalozan-kevitra niarahan’ireo mpizaika izay nahitana ireo solontenan'ny vahoaka avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara. Tafiditra tamin’izany ny solontenan'ny tanora, ny vehivavy, ny raiamandreny ara-drazana, ny olom-panjakana isan-tsokajiny, ny sehatra tsy miankina, ny sendika, ny fikambanana ary ireo fiarahamonim-pirenena, sns.
Nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety dia nanamafy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, fa an’ny Malagasy ny tany eto Madagasikara, ka tokony hiaina am-pilaminana eo ambonin'ny taniny izy ireo. Ary ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy izay fanapahan-kevitra sy dinika rehetra mivoaka sy raisina amin’ity fikaonandoham-pirenena ity hoy hatrany izy.
Aorian'izao fikaonandoham-pirenena izao, dia andrasana ny hisian'ny ny hevitra vaovao entina handaminana tsara ny tany eto Madagasikara. Nomarihiny ihany koa fa ezahina hotanterahina avokoa ireo soso-kevitra sy fanapahan-kevitra voarakitra sy nifampierana mandritra ny fihaonana.