Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy, Town Hall, Antananarivo.

🇲🇬Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialin'ny Kaominina ambanivohitra Ambohimangakely

🇫🇷Bienvenue sur la page officielle de la Commune Rurale d'Ambohimangakely

🇺🇸Welcome to the official page of the Rural Commune of Ambohimangakely

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy  Miasa ho anao .
24/09/2026

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
Miasa ho anao .

🚨 FIFAMOIVOIZANA 🚨📢 Hampahafantarina ny rehetra fa misy kamiao mavesatra simba ka mijanona eo Antanambao, ka voabahana n...
21/09/2026

🚨 FIFAMOIVOIZANA 🚨

📢 Hampahafantarina ny rehetra fa misy kamiao mavesatra simba ka mijanona eo Antanambao, ka voabahana ny lalana.

🚗 Noho izany, dia tsy maintsy mifandimby ny fifamoivoizana mandra-pahavaha ny olana.

👮‍♂️ Efa mandray ny andraikiny ny manam-pahefana, ary eo am-pandaminana ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana sy ny Polisy Kaominaly.

🔧 Efa mijery vahaolana haingana hamahana izao olana izao ihany koa ireo tompon’andraikitra.

🙏 Mangataka faharetana sy fitandremana amin’ny mpampiasa lalana rehetra.

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

**EPP IKIANJA – KAOMININA AMBOHIMANGAKELY** #🏫 FITSIDIHAN’NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENANandray ny **Minisitry ny F...
17/09/2026

**EPP IKIANJA –
KAOMININA AMBOHIMANGAKELY**

#🏫 FITSIDIHAN’NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA

Nandray ny **Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina**, teo amin’ny **EPP Ikianja**, ny **Kaominina Ambohimangakely**, niaraka tamin’ireo **Talen-tsekoly, Mpampianatra, Mpianatra , Ray Amandreny ary Lehiben'ny Fokontany Ikianja Atoa Rasolo sy mpiara miasa aminy .

Nandritra ny fitsidihana dia nijery akaiky ny **fanorenana fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana miisa 4**, izay hatsangana ao anatin’ny faritry ny **EPP Ikianja, Fokontany Ikianja**.

🎓 Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana hatrany ny **fotodrafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana**, mba hanomezana tontolo fianarana mendrika sy tsara kokoa ho an’ireo **zaza Malagasy eto Ambohimangakely**.

🤝 Nisolo tena an’**Atoa Ben’ny Tanàna Dr Naina (Andrianarison Harinaina Olivier)** tamin’ity fotoana ity ireo mpiara-miasa aminy, izay notarihin’ny **Tale Kabinetran’ny Kaominina, Atoa Christian**.

🌱 **Ny fanabeazana no fototry ny hoavin’ny tanàna.**
Mitohy hatrany ny fiaraha-mientana ho an’ny fanatsarana ny sekoly sy ny fanabeazana eto amin’ny Kaominina Ambohimangakely.

Ministère de l'Education Nationale de Madagascar
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
*« Miasa ho anao »* 🇲🇬🤝

🚍🇲🇬 TOBY FIANTSONANA AMORONAKONA"GARE ROUTIERE FISANDRATANA"   Anisan’ireo Fokontany 18 iadidian’ny Kaominina Ambohimang...
16/09/2026

🚍🇲🇬 TOBY FIANTSONANA AMORONAKONA
"GARE ROUTIERE FISANDRATANA"

Anisan’ireo Fokontany 18 iadidian’ny Kaominina Ambohimangakely i Amoronakona, izay ahitana ny Tobim-piantsonana mampitohy ny RN7 sy RN2

🤝 Eo am-pametrahana lamina vaovao ny tompon’andraikitra, ho fanatsarana ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana ary ny filaminana manodidina ny toby.

✅ Tsy tokony hisy mpivarotra amoron-dalana sy mpanera manelingelina ny fivezivezena.
✅ Tsy tokony hisy trano hazo, trano fivarotan-toaka na « Maison de passage » manodidina ny toby.

🙏 Antsoina isika rehetra hiara-hanaja sy hikojakoja ny lamina napetraka, ho tombontsoan’ny mpandeha sy ny mponina.

🙏✨ Irariana mba hitondra fivoarana sy fanatsarana ho an’ny tanànantsika ny fisokafany tanteraka, manomboka anio. 🤝🏘️

🌱 Ho amin’ny soa sy ny tombontsoan’ny mponina rehetra anie izany. 🇲🇬✨

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

15/09/2026
Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
15/09/2026

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

✅FILAZANAIlazana isika mpampiasa ny làlana miala RN2 makany Betsizaraina fa ho tapaka ny làlana ny Talata 15 Septambra 2...
14/09/2026

✅FILAZANA
Ilazana isika mpampiasa ny làlana miala RN2 makany Betsizaraina fa ho tapaka ny làlana ny Talata 15 Septambra 2026, manomboka amin’ny 7h 30 mn maraina ka hatramin’ny 18h (6 ora hariva).

➤ Antony : Fanalana ny Pont Bailey
➡Ny Taxibe dia eny akaikin’ny akondro no mijanona.(Ikianja Avaratra _ Ligne H)
➡Ny mpandeha an-tongotra afaka mandeha ihany.

🙏Misaotra amin’ny fiaraha-miasa ary miala tsiny indrindra amin’ny fanelingelenana.

Misaotra Tompoko! 🙏
M.T.P

🕊️ FIARAHANA MIORYAmin’izao fotoana mampalahelo izao dia maneho ny fiaraha-miory feno amin’ny fianakavian’i LALAOARISOA ...
10/09/2026

🕊️ FIARAHANA MIORY
Amin’izao fotoana mampalahelo izao dia maneho ny fiaraha-miory feno amin’ny fianakavian’i LALAOARISOA Marie Florence izahay, izay nodimandry ny Talata 8 Septambra 2026, teo amin’ny faha-56 taonany.

Amin’ny maha mpiasa sy mpiara-miasa ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely azy, dia tsaroana hatrany ny ezaka sy ny anjara biriky nentiny nandritra ny fotoana niarahany niasa tamin’ny Kaominina.

🙏 Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana, ny havana aman-tsakaiza ary ireo mpiara-miasa rehetra , ny Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy izay tarihan'i Atoa Ben'ny Tanana Dr NAINA .

😥Mandriam-piadanana Mme Lalao .

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy  ✅ MIASA HO ANAO
08/09/2026

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy
✅ MIASA HO ANAO

⚽🏆 DEPARTEMENT DE LA JEUNESSE, DES SPORTS, DES LOISIRS ET DE LA CULTURECOMMUNE AMBOHIMANGAKELY 🇲🇬📋 VOKATRY NY DRAFITRA N...
08/09/2026

⚽🏆 DEPARTEMENT DE LA JEUNESSE, DES SPORTS, DES LOISIRS ET DE LA CULTURE
COMMUNE AMBOHIMANGAKELY 🇲🇬

📋 VOKATRY NY DRAFITRA NY ALAHADY 06/09/2026

⚽ FC MIRINDRA 01 – 00 RAL FC
🏆 Nandresy ny FC MIRINDRA.

⚽ FC 4 PATTES 01 – 02 FC VINTSY
🏆 Niondrika teo anoloan’ny FC VINTSY ny FC 4 PATTES.

⚽ FC FINGO 01 – 04 AS B52
🏆 Niondrika teo anoloan’ny AS B52 ny FC FINGO.

⚽ FC MELANGE 02 – 01 FC ZANDRIKELY
🏆 Nandresy ny FC MELANGE.

⚽ FC TIA FOOT 02 – 02 FC AMI
🤝 Nisaraka ady sahala.

━━━━━━━━━━━━━━

📅⚽ FANDAHARAM-POTOANAN’NY DRAFITRA NY ALAHADY 13/09/2026

🕚 11:00 — FC RATOX 🆚 ZAM FC
🕛 12:00 — FC FINGO 🆚 AIGLES FC
🕐 13:00 — FTM FC 🆚 FC ATLANTIDE
🕑 14:00 — REQUINS FC 🆚 FC VINTSY
🕒 15:00 — HTTM 🆚 BESETROKA

⏰ AOKA SAMY HO MARIM-POTOANA!

💪⚽ ISIKA TSY NAMAN’IZAY MIHEMOTRA!

🔥🏆 Mirary lalao tsara ho an’ny ekipa rehetra!

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

Address

Antananarivo
103

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category