CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo

CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo ANTANANARIVO Madio - Milamina - Mendrika kokoa.

𝗧𝗢𝗟𝗢-𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗜 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 TANTERAHINA NY ALAKAMISY 06 HATRAMIN’NY ALAHADY 09 AOGOSITRA TOERANA : LAPAN’NY TANANA ANA...
05/08/2026

𝗧𝗢𝗟𝗢-𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗜 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔
TANTERAHINA NY ALAKAMISY 06 HATRAMIN’NY ALAHADY 09 AOGOSITRA
TOERANA : LAPAN’NY TANANA ANALAKELY SY ENY ANIVON’NY BORIBORITANY ENINA ETO AN-DRENIVOHITRA

‎Taorian'ny hain-trano nahazo an'i Toamasina, dia maro ireo fianakaviana traboina mila ny fanohanana sy ny firaisankinantsika.

‎📢 Afaka manolotra ireto fanampiana ireto ianao :
‎• Lamba firakotra
‎ • Akanjo
‎ • Fitaovana an-dakozia
‎ • Fitaovana ao an-tokantrano
‎• Zavatra mbola tsara sy azo ampiasaina

‎💙 Ny fanomezana tsirairay dia manampy amin'ny fanarenana ny fiainan'ireo traboina.

‎🤝 Andao hifanome tanana! Ento ny fanomezanao , hiaraka hanohana ireo mpiray tanindrazana ao Toamasina isika.

‎"Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana"

"OPÉRATION BOKIKO"- FANOMEZANA BOKY HO AN'NY TRANOMBOKY MONISIPALY 📚📚 Boky manodidina ny 500 isa no natolotry ny Associa...
04/08/2026

"OPÉRATION BOKIKO"- FANOMEZANA BOKY HO AN'NY TRANOMBOKY MONISIPALY 📚

📚 Boky manodidina ny 500 isa no natolotry ny Association FIRST sy ny Rotary Club Croissy Beaubourg tetsy amin'ny Tranomboky Monisipaly Analakely , ny 🗓️ talata 04 Aogositra 2026.

Haparitaka manerana ny Tranomboky Monisipaly sy ireo Tranomboky eny anivon'ny Fokontany miisa 26 ireo boky ireo, arakaraka ny filàn'ny toerana tsirairay, mba hahafahan'ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe misitraka fahalalana bebe kokoa.

👉🏼 Tsy fanomezana ara-pitaovana fotsiny izao hetsika izao, fa mariky ny fanohanana ny fanabeazana, ny kolontsaina, ary ny fampitana fahalalana ho an'ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy. 🧠

📖 Ny boky dia varavarana misokatra mankany amin'ny fahalalana, mampivelatra ny saina, manome aingam-panahy ary manampy ny tsirairay hanitatra ny fahaiza-misaina sy ny fahalalany.

Ny tanjona: fandraisana anjara mivantana amin’ny fanamafisana ny anjara toeran’ny tranomboky amin’ny maha-toerana ihaonan’ny fahalalana sy ny kolontsaina azy.

FANENTANANA MOMBA NY FEHEZAM-PITSIPIKA MIFEHY NY FAHADIOVANA ENY AN-TSENA📍 Pavillon Analakely – Mpivarotra legioma • Tok...
04/08/2026

FANENTANANA MOMBA NY FEHEZAM-PITSIPIKA MIFEHY NY FAHADIOVANA ENY AN-TSENA

📍 Pavillon Analakely – Mpivarotra legioma • Tokony hanana sobika sy kifafa ny mpivarotra tsirairay. • Ireo nahitana loto teo amin'ny manodidina ny toeram-pivarotany dia nasaina nanadio avy hatrany.
📍 Mpivarotra hani-masaka zaimaika • Tsy maintsy mampiasa vata fitaratra mihidy tsara hiarovana ny sakafo amin'ny vovoka sy ny bibikely. • Tokony hanana taratasy fankatoavana avy amin'ny Sampan-draharahan'ny Fahasalamam-bahoaka. • Tokony hanana taratasy fanamarinam-pahasalamana avy amin'ny BMH.

Ny fanajana ireo fepetra ireo dia miantoka ny fahadiovan'ny tsena sy miaro ny fahasalaman'ny mpivarotra sy ny mpanjifa.

03/08/2026

📣 Ny trano ampiasain'ny besinimaro dia tsy maintsy misy toeram-pivoahana madio ! Ka azo ampiasain'ny olona rehetra 🤝
Myh en MbaLait
Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana

03/08/2026

03/08/2026

‎🧹 FANADIOVANA LAKAN-DRANO SY NY TETEZANA ENY ANOSIBE‎Ho fiantohana ny fahadiovana sy ny fikorianan'ny rano, ho fisoroha...
02/08/2026

‎🧹 FANADIOVANA LAKAN-DRANO SY NY TETEZANA ENY ANOSIBE

‎Ho fiantohana ny fahadiovana sy ny fikorianan'ny rano, ho fisorohana ny loto sy ny tondradrano.

‎🧹 FANADIOVANA SY FANENTANANA - ANDRAVOAHANGY ♻️‎‎ Mitohy ny fanadiovana sy fandaminana eny Andravoahangy Tsena sy ny ma...
01/08/2026

‎🧹 FANADIOVANA SY FANENTANANA - ANDRAVOAHANGY ♻️

‎ Mitohy ny fanadiovana sy fandaminana eny Andravoahangy Tsena sy ny manodidina.

‎ Nifantoka tamin'ny fanadiovana sy fanentanana ireo mpivarotra, indrindra ireo mpivarotra legioma isaky ny Alarobia, ny hetsika.

‎Manentana ny rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hiara-hitandro ny fahadiovan'ny tanàna, satria Tanàna madio, milamina ary mendrika kokoa no tanjona.

‎⚠️ Ho an'ireo mbola minia mandoto sy tsy manaraka ny fandaminana dia hihatra ny sazy araka ny lalàna.

🚧🛣️ LANONANA FANOKAFANA NY LALANA AMBOHIMAHITSY – AMBATOBE 📍Notanterahina teny Ampatsy-Soamanandrariny ny Zoma 31 Jolay ...
01/08/2026

🚧🛣️ LANONANA FANOKAFANA NY LALANA AMBOHIMAHITSY – AMBATOBE

📍Notanterahina teny Ampatsy-Soamanandrariny ny Zoma 31 Jolay 2026 ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalana Ambohimahitsy – Ambatobe.

🇲🇬 Tonga nanokatra sy nitokana ity fotodrafitrasa ity ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, notronin’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny. Anisan’ireo nanatrika izany ny Filoha Lefitra Faharoan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo.

🔗 Mampifandray kaominina telo ity lalana ity :
🏙️ Kaominina Antananarivo Renivohitra
🏘️ Kaominina Ambohimangakely
🏘️ Kaominina Ilafy

🎯 Tanjona: hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana 🚗🚕🚌 eto Antananarivo sy ny manodidina, ary hanatsarana ny fivezivezen’ny mponina.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category