31/07/2026
🏛️ FIOFANANA HO AN'NY SEFO FOKONTANY SY NY LEFINY ARY NY TRÉSORIER FOKONTANY IZAY ATO ANATIN'NY KAOMININA AMBATOMIRAHAVAVY
📅 Tontosa soamantsara ny fiofanan'ny Lehiben'ny Fokontany sy ny lefiny Ary ny Trésorier ny Fokontany.
Fiofanana nandritry ny 02 andro izay niarahana tamin'ny OPCI 3AI ho fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy mitarika ary fanatsarana hatrany ny asa fanompoam-bahoaka eny ifotony Ary natrehan'ny Ben'ny Tanàna sy ny mpiara miasa aminy sy ny Lehiben'ny Boriboritany Ambatomirahavavy.
📚 Maro ny lohahevitra lehibe nodinihina nandritra ny fiofanana:
👉Ireo andraikitry ny sefo Fokontany izay mitarika ny tanàna iray.
👉Fanaovana ny vina izay miainga amin'ny olana ifotony mba hahafahan'ny Fokontany mandrafitra drafitra mazava sy mifanaraka amin'ny filan'ny mponina.
👉 Loharam-bola sy Teti-bolan'ny Fokontany
👉Hai-tarika (Leadership), izay nanamafisana ny andraikitry ny mpitarika amin'ny fitantanana mahomby sy fampandrosoana ny tanàna iray.
🤝 Fizarana traikefa nataon'ireo Sefo Fokontany teo aloha, nizara ireo fomba fanao nahomby sy ireo lesona azo tsoahina avy amin'ny traikefa teny an-kianja.
👉Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra niarahan'ireo tompon'andraikitry ny Kaominina sy ireo Sefo Fokontany, mba hanatsarana ny kalitaon'ny asa fanompoam-bahoaka.
👉Nisy ihany koa ny fiarahana misakafo izay niarahana tamin'ny mpiofana rehetra.
🙏 Ny Kaominina Ambatomirahavavy dia maneho fisaorana sy fankasitrahana ny OPCI 3AI tamin'ny fikarakarana izao fiofanana izao, izay manamafy ny fahaiza-manaon'ireo mpitantana eny ifotony ary mitondra vahaolana vaovao ho fampandrosoana ny Kaominina.
" A͙n͙d͙a͙o͙ t͙o͙h͙a͙n͙a͙n͙t͙s͙i͙k͙a͙ n͙y͙ s͙e͙f͙o͙ F͙o͙k͙o͙n͙t͙a͙n͙y͙ s͙y͙ m͙p͙i͙a͙r͙a͙ -m͙i͙a͙s͙a͙ a͙m͙i͙n͙y͙!!
A͙n͙d͙a͙o͙ h͙i͙a͙r͙a͙-h͙a͙m͙p͙a͙n͙d͙r͙o͙s͙o͙ a͙m͙i͙n͙'i͙z͙y͙ i͙r͙e͙o͙ i͙s͙i͙k͙a͙ e͙"
🤝 Miara-mianatra 🤝
🤝Miara-miasa 🤝
🤝Miara-manatsara🤝
🤝 Miara-mampandroso🤝
🌟Miara-mahomby🌟
🤝 Fokontany -Kaominina🤝
❤️TIAKO -MAMIIKO-AMBATOMIRAHAVAVY ❤️