DREN Atsimo Atsinanana

DREN Atsimo Atsinanana Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana

30/09/2026

🛑DREN Atsimo Atsinanana
CISCO Vondrozo
ZAP manambidala Ouest

⏩Nosonafana ary natomboky ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa Atsimo Atsinanana sy ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’i Manambidala ny, 28 Septambra 2026,tamin’ny fomba ofisialy ny Fiofanana manakaiky vahoaka andiany voalohany ao amin’ny CR Manambidala CISCO Vondrozo.
⏩Fiompiana akoho gasy nohatsaraina no hatao mandritra ity fiofanana ity izay natokana ho an'ireo zatovovavy tsy mianatra an-tsekoly .
Haharitra 5 andro ny fiofanana , ka ahitana fampianarana ara-teĂ´ria sy fampiharana.
Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny tetik’asa ELAN, izay iarahan’ny DRETFP sy ny DREN Atsimo Atsinanana -CFP Vondrozo miaraka amin’ny UNICEF miasa, ho fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny fiainan'ireo tanora vavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra.
-atsimoatsinanana
-vondrozo
MEN /septembre 2026

🛑Mitohy ny fampiofanana ireo ankizy vavy eto amin'ny Commune Rurale Mahatsinjo, CISCO Vondrozo,amin'ny alalan'ny projet ...
29/09/2026

🛑Mitohy ny fampiofanana ireo ankizy vavy eto amin'ny Commune Rurale Mahatsinjo, CISCO Vondrozo,amin'ny alalan'ny projet ELAN tohanan'ny UNICEF ka amin'ity herinandro ity izay manomboka ny 21 septambra 2026 izay naharitra 5 andro dia ny seha-pihariana fambolena anana no sitrahan'ireo ankizy vavy ireo izay tanterahan'ny ao amin'ny DRETFP sy ny DREN Atsimo Atsinanana.
▶️Izany no natao dia hanatsarana ny kalitaon'ny fiainana sy ny fiharin'ireo tovovavy ety amin'ny tontolo ambanivohitra.
-atsimoatsinanana
-vondrozo
UCOM MEN/Septambra 2026

29/09/2026
17/09/2026

🛑Nosokafan'ny Talem-paritry ny fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak'asa (DRETFP) Atsimo Atsinanana tao amin'ny biraon'ny Kaominina Ambanivohitr'i Mahatsinjo, CISCO Vondrozo, nanomboka ny alatsinainy 14 septambra 2026 ny fampiofanana manakaiky ny eny ifotony na "Formation de proximité" ho an'ireo tovovavy amin'ny sehatra fiharina fiompiana akoho gasy nohatsaraina.
▶️Ny fiofanana dia iarahan'ny DREN sy ny DRETFP any an-toerana manao ary maharitra dimy andro.
▶️Izany no natao dia mba hanatsarana ny kalitaon'ny fiainana sy ny fiharin'ireo tovovavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra.
-atsimoatsinanana
-atsimoatsinanana
- Vondrozo
- Mahatsinjo
UCOM MEN/Septambra 2026

🛑Nidina ifotony nanara-maso ny fizotry ny fidiran'ny mpianatra tao amin'ny ZAP Mahazoarivo, Ambohimana, Ivato, Karianga,...
17/09/2026

🛑Nidina ifotony nanara-maso ny fizotry ny fidiran'ny mpianatra tao amin'ny ZAP Mahazoarivo, Ambohimana, Ivato, Karianga, Mahavelo, Vohiberoka, Maroteza, Manato ary Andakana ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsimo Atsinanana sy ny lehiben'ny CISCO Vondrozo miaraka amin'ny ireo ekipany, ny alatsinainy 14 ka hatramin'ny zoma 18 septambra 2026.
▶️Nisy ny fanentanana amin'ny fananganana zaridaina an-tsekoly, fizarana mikasika ny fandaharam-pibeazana vaovao nandritra izany.
-atsimoatsinanana
-vondrozo
UCOM MEN/ Septambra 2026

🛑Nidina ifotony any amin'ireo ZAP ny ekipa avy ao amin'ny CISCO Midongy Atsimo ny alarobia 16 septambra 2026.▶️Votoatin'...
17/09/2026

🛑Nidina ifotony any amin'ireo ZAP ny ekipa avy ao amin'ny CISCO Midongy Atsimo ny alarobia 16 septambra 2026.
▶️Votoatin'izany ny fampahafantarana ny fandaharam-pibeazana vaovao sy ny fanaraha-maso ny fidiran'ny mpianatra amin'ity taom- pianarana 2026-2027 ity.
-atsimoatsinanana
-midongyatsimo
UCOM MEN/ Septambra 2026

🛑Notanterahina ny zoma 11 septambra 2026 ary nitohy ny alatsinainy 14 septambra 2026 ny ampahibemaso nifantenana ireo mp...
17/09/2026

🛑Notanterahina ny zoma 11 septambra 2026 ary nitohy ny alatsinainy 14 septambra 2026 ny ampahibemaso nifantenana ireo mpampianatra horaisina ho mpiasam-panjakana ao anatin'ny CISCO Vangaindrano.
▶️Niisa 06 ireo voafantina tamin'ny fomba mangarahara tamin'izany niampy mpampianatra efa be taona 01 nahafeno fepetra.
▶️ Izany dia natrehan'ireo solontenam-panjakana any an-toerana sy ireo tompon'andraikitry ny fanabeazana isan-tsokajiny.
-atsimoatsinanana
-vangaindrano
UCOM MEN/Septambra 2026

06/09/2026

🛑Nanomboka ny alarobia 02 septambra 2026 ny andron'ny pedagojia niarahana tamin'ny mpampianatra eo anivon'ny CISCO Farafangana.
▶️Miisa 14 ny ivon-toeram-piofanana izay iandraiketan'ny lehiben'ny ZAP 38.
▶️Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny lehiben'ny CISCO sy ireo mpiara-miasa aminy.
▶️Telo andro no hanatanterahana izany, izay niompana amin'ny "éthique et déontologie "sy ireo karazana fiomanana rehetra hiatrehana ny taom-pianarana 2026-2027.
-atsimoatsinanan
-farafangana
UCOM MEN / Septambra 2026

Address

Amboanio
Farafangana
309

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Atsimo Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREN Atsimo Atsinanana:

Shortcuts

Share