DRCC Atsimo Atsinanana

DRCC Atsimo Atsinanana "Serasera iraisagny, kolontsaigny misongadigny"🇲🇬❤️

🐔 VANGAINDRANO | FANOHANANA NY SEHATRY NY FIOMPIANANisitraka fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, tam...
27/09/2026

🐔 VANGAINDRANO | FANOHANANA NY SEHATRY NY FIOMPIANA

Nisitraka fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fiompiana, ny Distrikan’i Vangaindrano.

📌 Ny androany Alahady faha 27 Septambra 2026 no nanatanterahana ny fizarana zanak’akoho miisa 3.000 ho an’ireo mpiompy 200, niampy ireo solontena avy amin’ireo Fokontany sy Kaominina mandrafitra ny Distrikan’i Vangaindrano.

🔴 Nisy ihany koa ny fanomezana fampiofanana sy torohevitra ara-teknika ireo mpisitraka momba ny fikolokoloana sy fiompiana akoho, izay notarihin’Andriamatoa JOELSON ANDRIANARIVO, Talen’ny Fampiroboroboana ny Tsehatry ny Fiompiana, sy Andriamatoa RAKOTOARINJANAHARY Leonid, Talem-paritry ny Fiompiana Atsimo Atsinanana.

🔴 Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Vangaindrano, Andriamatoa MAHAVITARA Sylvestre, no nanehoany ny fisaorana ny Fitondram-panjakana noho izao fanohanana izao.
Ary Nohamafisiny ihany koa fa anisan’ireo sehatra lehibe mampiroborobo ny toekarena ny fiompiana sy ny fambolena, ka ilaina hatrany ny fanohanana azy. Ka ho fanampiana ireo mpiompy, dia nanolotra provandy ho an’ireo akoho izy.

🏛️ Nanatrika sy nanotrona izao hetsika izao ireo solontenam-panjakana, ka isan’izany ny Solombavambahoaka MAHAVITARA Sylvestre, ny solontena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiompiana, ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’i Vangaindrano, ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’i Vangaindrano, ary ireo Talem-paritra sy lehiben’ny sampandraharaha eto an-toerana.

26/09/2026
Farafangana| 25 Septambra 2026🟢 FANAMARIHANA NY TSIAHY NY TOLONA HO AN’NY FANAVAOZANA NY FIRENENA - FARITRA ATSIMO ATSIN...
25/09/2026

Farafangana| 25 Septambra 2026

🟢 FANAMARIHANA NY TSIAHY NY TOLONA HO AN’NY FANAVAOZANA NY FIRENENA - FARITRA ATSIMO ATSINANANA

✅ Toy ny faritra rehetra dia nanamarika ny fahatsiarovana ny tolona nitakiana ny fanavaozana ho an’i Madagasikara ihany Koa ny faritra Atsimo Atsinanana, izay natao teto amin’ny renivohim-paritra Farafangana.

✅ Tonga maro ny vahoaka naneho ny Firaisankina, izay nahitana solontena avokoa ny Distrika dimy (05) mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Ka natomboka tamin’ny diabe namakivaky ny Tanàna ny fanamarihana, mba ho mariky ny fiarahana mandroso amin’ny fanavaozana tokoa.

✅ Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana nataon’ireo manam-pahefana, ka nanamafisan’ny Lehiben’ny faritra Atsimo Atsinanana Ramatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline fa ny Firaisankina irery ihany no afaka hafahana mampandroso an’i Madagasikara, ka tokony hiray hina hatrany isika amin’ny fitiavana ny Tanindrazana.

✅ Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka rehetraha Tonga ihany Koa ny Mpandrindram-paritry ny FFM ato amin’ny faritra Atsimo Atsinanana Andriamatoa RATANTELINIAINA Denis Honoret, ary nambarany fa vonona hanohana ny fitondrana Fanavaozana tarihin’i Kolonely RANDRIANIRINA MICHAËL ny vahoaka ato amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.

✅ Tonga nanome voninahitra an’izany ny Lehiben’ny Fileovana Farafangana Andriamatoa RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Anthoni, sy ny Lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana Ramatoa RANDRIANASOLO Voalatiana Pauline, ireo Ben’ny Tanàna, ireo Talem-paritra sy Lehiben’ny sampandraharaham-panjakana; ireo Fikambanana maro; ary ireo Raiamandreny ara-drazana.

25/09/2026
📌 MPIANATRA TELO AVY AO AMIN’NY ONIVERSITE EMIT FIANARANTSOA NIOFANA TATO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY SERASERA SY NY K...
24/09/2026

📌 MPIANATRA TELO AVY AO AMIN’NY ONIVERSITE EMIT FIANARANTSOA NIOFANA TATO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA ATSIMO ATSINANANA ETO FARAFANGANA

✅ Nifarana androany, Alakamisy faha 24 Septambra 2026, ny fiofanana arak’asa izay nataon’ireo mpianatra telo (03) mianadahy avy ao amin’ny Oniversite EMIT Fianarantsoa, tato amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana, eto Farafangana.

✅ Mpianatra amin’ny taona faharoa (Deuxième année de Licence) izy ireo, izay manaraka ny taranja « Relation publique et multimédia ». Naharitra roa (02) volana ny fiofanana, ka nandalinan’izy ireo ny lafiny samihafa momba ny serasera, fanadihadiana, fikirakirana vaovao, fampitam-baovao, sy ireo sehatra hafa mifandraika amin’izany.

✅ Naneho ny fankasitrahana azy ireo ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana, Ramatoa RAZAFISIZA Suzie Antonela, noho ny fifidianan’izy ireo ity toeram-piasana ity nanatanterahana ny fiofanana. Ary nirary soa azy ireo ihany koa izy, amin’ny fiatrehana ireo dingana maro mbola miandry azy ireo.

🔴 Nisy araka izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ho fahatsiarovana sy ho mariky ny fahavitan’ny fiofanana, ary indrindra ho fampaherezana azy ireo amin’ny lalana mbola hodiaviny eo amin’ny sehatry ny fianarana sy ny asa.

24/09/2026
24/09/2026
Farafangana | 22 Septambra 2026🔷 FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA🔹 Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tamin’ny T...
22/09/2026

Farafangana | 22 Septambra 2026

🔷 FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

🔹 Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tamin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana, Ramatoa RAZAFISIZA Suzie Antonela, ny solontenan’ny Tetikasa ONDH Madagascar, izay notarihin’ny Mpandrindra-paritra ato amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

🔹 Ity tetikasa ity dia misehatra tanteraka amin’ny fiarovana ny zon’olombelona; ka niara-nifanaiky ny roa tonta, nandritra ity fihaonana voalohany ity, fa hohamafisina ny fiaraha-miasa, ka hatomboka amin’ny famokarana fandaharana manokana izay handraisan’izy ireo anjara ao amin’ny onjampeo RTFA izany.

🔹 Tanjona amin’izany dia ny mba hanazavana sy hanapariahana bebe kokoa ny antom-pisian’ny ONDH, sy ireo zon’olombelona tokony harovana.

« Hiaro ny Zon’olombelona aho! »

📍VONDROZO: TONTOLON’NY SERASERA✅ Miverina mandeha ny onjampeo « FEON’NY SAHAFATRA 88.2 Mhz» ao Vondrozo, raha toa ka nis...
21/09/2026

📍VONDROZO: TONTOLON’NY SERASERA

✅ Miverina mandeha ny onjampeo « FEON’NY SAHAFATRA 88.2 Mhz» ao Vondrozo, raha toa ka nisy olana ara-Teknika ka natonga ny fahatapahana efa andro maromaro lasa izay.

✅ Isaorana Andriamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamatoa GASCAR FENOSOA izay namaha ny olana ka nandefa ny teknisianina avy amin’ny DIT tany an-toerana, nijery sy nikirakira ny fanamboarana.

✅ Eo ihany koa ny Lehiben’ny faritra Atsimo Atsinanana Ramatoa RANDRIANASOLO Volatiana Pauline; sy ny Solombavambahoakan’i Vondrozo Andriamatoa BOTOTEFY Herimanantsoa Odilon; ary ny Talem-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina Atsimo Atsinanana Ramatoa RAZAFISIZA Suzie Antonela; izay telo-toko niaraka nifarimbona nanampy tamin’ny fampandehanana ny onjampeo izao.

Address

Ambinany, Fenoarivo
Farafangana
309

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRCC Atsimo Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share