Commune Urbaine de Mahajanga

Commune Urbaine de Mahajanga Sehatra hifampizarana vaovao, hifampitaizana, hafahana maneho hevitra mivantana ary handrosoana soso

AKON'NY FANANGANANTSAINA ANIO 03 AOGOSITRA 2026Isaky ny alatsinainy voalohan'ny volana no mifanome fotoana ny mpiasa reh...
03/08/2026

AKON'NY FANANGANANTSAINA ANIO 03 AOGOSITRA 2026

Isaky ny alatsinainy voalohan'ny volana no mifanome fotoana ny mpiasa rehetra eto amin'ny CUM amin'ny fananganan-tsaina. Fotoana ihany koa hanolorana ireo vaovao samihafa izany. Nisy ny fanendrena tomponandraikitra fanampiny samihafa teto anivon'ny CUM: ny Conseiller Technique, ny Directeur de la Sécurité et de la Protection Civile, ireo Cellules ary ireo Lehiben'ny Sampandraharaha.

Navoitran'Ny Filohan'ny Delegasiona Manokana, nandritra ny lahateniny, fa olona maha-izy azy, manana ny traikefa sy fahaiza-manaony no miara-miasa amin' ny Delegasiona Manokana.

🔲Mahakasika ny Espace FILAO: tsy ilaina intsony ny gaboraraka amin'ny fitantanana ny tanàna ary miara-mijoro sy miaro ny tombontsoan'ny Tanàna ny Delegasiona Manokana.
🔲Momban'ny "indemnités de logement" 200.000ar: ho an'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia miankina tanteraka amin'ny toe-bolany no ahafahan'ny mpiasa misitraka izany. Koa nanamafy izy amin'ny fiasana ao anaty mangarahara satria ny fiatsaran'ny fampidiram-bola ao anaty kitapom-bola no hiankinan'ny fahavitana izany.
🔲Voaloa ara-dalana sy ara-potoana hatrany ny karaman'ny mpiasa hatramin'ny nandraisan'izy ireo ny fitantanana ny tanàna ary efa nampihatra ny taha 14% ho fampiakaran-karama araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Fanavaozana.

FANDAMINANA ENY AMIN'NY ESPACE FILAOEfa voalaza anatin'ny taratasy fampafantarana avokoa ny tsara ho fantatra rehetra. E...
02/08/2026

FANDAMINANA ENY AMIN'NY ESPACE FILAO

Efa voalaza anatin'ny taratasy fampafantarana avokoa ny tsara ho fantatra rehetra. Efa nisy dingana maro nataon'ny tomponandraikitra teto anivon'ny CUM izay vao tonga amin'ny taratasy fanesorana:

1) nohatsaraina ny toerana: midika izany fa miroso ary mitsinjo ireo mpivarotra sy ny mpanjifa ny CUM, ary indrindra ny endriky ny tanàna.
2) tsy fotodrafitrasa ihany no hatsaraina fa ny fomba fitantanana ihany koa: nojerena ireo izay tsy tomombana ny fandoavana ny haba
3) nisy ny fampiantsoana azy ireo ho fifampiresahana fa tsy tonga izy ireo.
4)nomena fe-potoana izy ireo handoavana izany ary nampafantarina azy ireo ny fepetra horaisina raha tsy voahaja izany.

Tsy misy resaka tombontsoan'olon-tokana, fa tombontsoan'ny tanana hatrany no tsinjovina. Raha nahaloa araka ny fe-potoana nomena ny trosa tsy voaloa izy ireo dia manana zo feno hisitraka ny toerana hatrany.

Araka ny efa nampafantarina antsika ombieny ombieny, ao anatin'ny mametraka fandaminana ny tanàna ny mpitantana ny kaominina amin'izao fotoana izao.

NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ASIEF RÉGIONAL BOENY 2026Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy anio Zoma 31 Jolay 202...
31/07/2026

NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ASIEF RÉGIONAL BOENY 2026

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy anio Zoma 31 Jolay 2026 ny ASIEF Régional Boeny 2026. Nanamarika izany ny diabe namakivaky ny tanànan’i Mahajanga, niainga teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna ary nifarana tao amin’ny Stade Rabemananjara.

Anisan’ireo nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny PDS-n’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, Dolsain Guy, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga (CUM).

Ity hetsika ity dia maneho ny firaisankina sy ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena eo anivon’ireo mpiasam-panjakana.

FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA ETO AMIN'NY KAOMININA: Tafapetraka amin'ny toerana maha-tale ato amin'ny CUM azy ihany koa Atoa ...
30/07/2026

FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA ETO AMIN'NY KAOMININA:

Tafapetraka amin'ny toerana maha-tale ato amin'ny CUM azy ihany koa Atoa VOAHARIMIHAJARISON Auguste Gael, Directeur de la Planification et de la Performance, izay natrehan'Atoa RANIRISON El Franck, SG CUM. Tafiditra tanteraka anatiny fanavaozana ny fitantanan-draharaha eto amin'ny CUM izany satria fitaleavana vaovao izay hamaritra sy hanao ny tomban'ezaka vitan'ny tomponandraikitra tsirairay eo amin'ny asa vita.

FISOROHANA SY FIATREHANA NY HAITRANONisy ny atrikasa fandravonana mahakasika ny jery sava ifotony (diagnostic participat...
30/07/2026

FISOROHANA SY FIATREHANA NY HAITRANO

Nisy ny atrikasa fandravonana mahakasika ny jery sava ifotony (diagnostic participatif), izay natao teny amin'ny fokontany niarahana tamin'ny mpiaramiombon'antoka Gescod. Rtoa RAMAROLAHY Mirana Nirilala, 1er Vice-PDS no nitarika ny fotoana. Fivoriana izay niarahana tamin'ireo fokontany 26 sy ny teknisianina isan-tsokajiny tato amin'ny CUM.

Nanolotra ny vokatry ny asa araka izany ny manam-pahaizana manokana hanolorana ireo toerana ahitana haitrano matetika, ny antony mateti-pitranga ary ny fomba ahafahana misoroka sy miatrika izany anatin'ny fotoana fohy, na ho an'ny eto anivon'ny CUM izany na ho an'ny eny amin'ny fokontany sy ny fiaraha-monina.

30/07/2026

FANENTANANA AVY AMIN'NY KAOMININA AMBONIVOHITRA MAHAJANGA

"Kabone isaky ny tokantrano, antoky ny fahasalamam-bahoaka."

Miantso sy manentana ny mponina rehetra ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga mba hanana kabone ara-pahasalamana isaky ny tokantrano.

Ny fananana sy fampiasana kabone ara-pahasalamana dia:

Miaro ny fahasalaman'ny fianakaviana.
Misoroka ny fiparitahan'ny aretina.
Mitandro ny fahadiovan'ny tanàna sy ny tontolo iainana.
Mampiroborobo ny fahadiovana sy ny fiainana mendrika.

Aza manao maloto eny ankalamanjana. Ataovy madio sy karakaraina tsara ny kabone, ary hajao hatrany ny fepetra ara-pahasalamana.

Andao hiara-hiasa hanana Kaominina madio, salama ary mendrika isika rehetra!

Kaominina Ambonivohitra Mahajanga

MIVERINA AMIN'NY HERINY TANTERAKA NY EKIPAN'NY AS CUM FOOTBALLNanaporofo ny AS CUM Football fa mbola ao anatin'ny heriny...
28/07/2026

MIVERINA AMIN'NY HERINY TANTERAKA NY EKIPAN'NY AS CUM FOOTBALL

Nanaporofo ny AS CUM Football fa mbola ao anatin'ny heriny tanteraka ireo mpilalaony.

Tamin'ny andro voalohany amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Division II – Mahajanga I, dia nandrombaka fandresena goavana tamin'ny isa 4 noho 0 nanoloana ny Real Sotema ny ekipan'ny AS CUM.

Vokatry ny fanavaozana nataon'ireo mpitantana ao amin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Mahajanga (CUM) sy ny ezaka nataon'ireo mpilalao no nahafahana nahazo izao vokatra tsara izao, ka maneho fa efa manomboka mamokatra ny fanatsarana napetraka.

Nanambara ny PDS-n'ny Kaominina Ambonivohitr'i Mahajanga, Dolsain Guy, fa vonona ny hanohana sy hampiroborobo hatrany ny sehatry ny fanatanjahantena miaraka amin'ireo delegasiona tarihiny. Pejy vaovao sy tanjona vaovao no apetraky ny AS CUM Football, ka mikendry ny hitondra vokatra tsara sy hampisongadina ny ekipan'ny Kaominina amin'ireo fifaninanana rehetra handraisany anjara.

𝗙𝗮𝗻𝗼𝗺𝗽𝗼𝗮𝗺𝗯𝗲 𝟮𝟬𝟮𝟲 - 𝗗𝗼𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼-  𝗠𝗮𝗵𝗮𝗷𝗮𝗻𝗴𝗮 :🇲🇬🔥Tombo somatsara  androany Alatsinainy 27 jolay ny Fitampoha an'izy ...
27/07/2026

𝗙𝗮𝗻𝗼𝗺𝗽𝗼𝗮𝗺𝗯𝗲 𝟮𝟬𝟮𝟲 - 𝗗𝗼𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼- 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗷𝗮𝗻𝗴𝗮 :

🇲🇬🔥Tombo somatsara androany Alatsinainy 27 jolay ny Fitampoha an'izy "𝗘𝗳𝗮𝗱𝗮𝗵𝘆 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮" tao amin'ny Zomba Valamena . Tonga maro ireo mpanompo avy amin'ny lafivalon' ny Nosy.
Tonga nanome voninahitra izany ny PDS kaominina ambonivohitra Mahajanga, Andriamatoa DOLSAIN Guy, niaraka tamin-dRamatoa RAMAROLAHY Mirana Nirilala, 1er Vice-PDS, ary Dr AMINA Soalihi, 2ème Vice-PDS.

FANAMBOARAN-DALANA EO MANGARIVOTRA DON BOSCOMizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny asa.
26/07/2026

FANAMBOARAN-DALANA EO MANGARIVOTRA DON BOSCO

Mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny asa.

ZON'NY REHETRA NY MISITRAKA FAHASALAMANA – NATAO NY FANOLORANA NY CSB II TSARARANO MAHAJANGA🏥 Notanterahina ny sabotsy 2...
26/07/2026

ZON'NY REHETRA NY MISITRAKA FAHASALAMANA – NATAO NY FANOLORANA NY CSB II TSARARANO MAHAJANGA

🏥 Notanterahina ny sabotsy 25 Jolay 2026 ny lanonana fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny Tobim-pahasalamana Fototra (CSB II) Tsararano, ho tombontsoan'ny mponin'i Tsararano sy ireo fokontany manodidina.

Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia maneho ny finiavan'ny Fitondram-panjakana hanakaiky hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka, mba hahafahan'ny rehetra misitraka fitsaboana manara-penitra sy mora idirana.

Ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga no miantoka ny famatsiana rano sy jiro ho an'ity CSB II ity. Nanao ezaka ny PDS-n'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga, tamin'ny fampidirana herinaratra amin'ity tobim-pahasalamana ity, mba hahafahan'ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kokoa sy maharitra.

Ny fisokafan'ny CSB II Tsararano dia dingana lehibe amin'ny fanatsarana ny fahasalaman'ny mponina sy fanamafisana ny fampandrosoana ara-tsosialy eto Mahajanga.

Address

Hôtel De Ville
Mahajanga
401

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Tuesday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Wednesday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Thursday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Friday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00

Telephone

+261206290003

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine de Mahajanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune Urbaine de Mahajanga:

Shortcuts

Share