23/09/2026
🌍🌿 FIovan’ny TOETRANDRO : ATSINANANA, FOTOANA IZAO NO IRENTSIKA
Tsy zavatra lavitra antsika ny fiovan’ny toetrandro.
Mihamafana ny tany, miova ny fizaran-taona sy ny rotsak’orana, ary mihamafy ny loza mety ateraky ny trangan-javatra ara-toetrandro.
🇲🇬 Madagasikara dia anisan’ireo firenena tena marefo manoloana ireo voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro.
🌊 Ary ny Faritra Atsinanana, noho izy amorontsiraka sy manana ala, renirano, tanimbary ary harena an-dranomasina maro, dia isan’ireo faritra mila mailo sy miomana manokana.
🌀 Rivodoza sy rivotra mahery
🌧️ Oram-be sy tondra-drano
🌊 Fikiky sy fahasimban’ny morontsiraka
🔥 Doro ala sy doro tanety
🌳 Fahasimban’ny ala sy ny loharanon-drano
🌾 Fiantraikany amin’ny fambolena sy ny fiveloman’ny mponina
🐟 Fahasimban’ny harena an-dranomasina
❗ Tsy afaka misakana irery ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany isika. Fa afaka mampihena ny anjara birikintsika sy mampitombo ny fahafahan’ny Atsinanana miatrika izany.
🌱 Inona no azontsika atao dieny izao?
🌳 Arovy ny ala, ary aza manimba azy.
🔥 Sorohy ny doro tanety sy ny fandoroana ala.
🌱 Mambole hazo ary karakarao mandra-pahalehibe azy.
🗑️ Aza mandoro fako.
♻️ Ahena sy tantano tsara ny fako.
🌊 Arovy ny honko, ny vatoharana ary ny morontsiraka.
💧 Arovy ny rano sy ny loharanon-drano.
🏘️ Ataovy madio sy tsy voasakana ny lakandrano sy ny tatatra.
📢 Fantaro sy araho ny fampitandremana rehefa misy rivodoza, oram-be na tondra-drano.
💚 Ny fiarovana ny ala anio dia fiarovana ny rano rahampitso.
Ny fiarovana ny morontsiraka anio dia fiarovana ny fiainan’ny taranaka rahampitso.
🌍 Miova ny toetrandro.
Tokony hiova koa ny fomba fiainantsika sy ny fomba fiarovantsika ny tontolo iainana.
🇲🇬 ATSINANANA MIARO NY TONTOLO IAINANA, MIARO NY FIAINANA, MIARO NY HOAVY.
DREDD Atsinanana