05/08/2026
๐๐๐ง๐ฆ๐๐๐๐๐ก๐ ๐ก๐๐ง๐๐ข๐ก'๐ก๐ฌ ๐ฆ๐ข๐๐ข๐ก๐ง๐๐ก๐ ๐๐ฉ๐ฌ ๐๐ ๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐ ๐ฃ๐ ๐ง๐๐ง๐ข ๐๐ ๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ ๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐ก๐๐ก๐
โ
Nandray an'ireo solontena avy amin'ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle na FMFP i Andriamatoa ANDRIANANTOANDRO Joelson Richard Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Atsinanana, androany 05 Aogositra 2026.
โ
โNifantoka tamin'ny fiaraha-miasa mikasika ny "Programme MIATRIKA" ny votoatin-dresaka , izay manana tanjona hampiofana olona miisa 3150 efa ao anatin'ny sehatra ny asa "Tourisme Hรดtellerie et Restauration (THR)" sy "Guide Touristique".
โ
โNy tetikasa dia fiaraha-miasa amin'ireo orinasa sy fikambanana eto an-toerana ary anisany hisitraka izany ny eto amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo.
โ
โ .