DREN Atsinanana

DREN Atsinanana OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHA

Nisitraka fiantoham-panampiana avy amin'ny Fanjakana ireo mpampianatra avy amin'ny sekoly miahy tena anivon'ny CISCO Vat...
24/09/2026

Nisitraka fiantoham-panampiana avy amin'ny Fanjakana ireo mpampianatra avy amin'ny sekoly miahy tena anivon'ny CISCO Vatomandry, nanomboka ny alakamisy 17 septambra 2026.

▶️Miisa 73 ireo mpampianatra nahazo izany.

UCOM MEN/Septambra 2026

✳️Nitohy ny sabotsy 19 septambra 2026 tao amin'ny EPP Ambohijafy, CISCO Toamasina I, ny fanamarihana ny andro iraisam-pi...
24/09/2026

✳️Nitohy ny sabotsy 19 septambra 2026 tao amin'ny EPP Ambohijafy, CISCO Toamasina I, ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy ho an'ny DREN Atsinanana izay niarahana tamin’ny ONG Saint Gabriel.

▶️Fizarana mari-pahaizana ho an'ireo tanora sy olon-dehibe miisa 384 afaka tamin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy no noentina nanamarihana izany.

▶️ Nampiavaka ity hetsika ity ny fisian'ireo voafonja lahy sy vavy miisa 68 nahavita fiofanana ka nahazo ny mari-pahaizana.

▶️ Ivon-toeram-piofanana miisa 14 no sahanin'ny ONG Saint Gabriel amin'ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy eny anivon'ireo fokontany eto Toamasina I sy Toamasina II.
Naharitra enim-bolana ny fampianarana.

▶️ Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny ONG Siant Saint Gabriel izay vatsian'ny CRMF vola, ny Faritra Atsinanana, ny DREN Atsinanana ary ny DRAP Atsinanana.

▶️ Tonga nanome voninahitra izany ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana, ny Talem-paritry ny fandrarahana ny fonja Atsinanana, ny solontenan'ny Lehiben'ny Faritra Atsinanana, Ny Filohan'ny CRMF sy ny Lehiben'ny ONG Saint Gabriel.

UCOM MEN/Septambra 2026

Nifarana ny zoma 18 septambra 2026 ny fampiofanana ireo mpampianatra rehetra isan'ambaratongany anivon'ny CISCO Marolamb...
22/09/2026

Nifarana ny zoma 18 septambra 2026 ny fampiofanana ireo mpampianatra rehetra isan'ambaratongany anivon'ny CISCO Marolambo.

▶️Nohamafisina nandritra izany ny fiaraha-mientan'ny tomponandraikitra isany avy ny mikasika ny fanovana ny drafi-pampianarana ka samy ho matihanina amin'ny asa sahaniny.

UCOM MEN/Septambra 2026

Notoloran'ny LFL, KIS, Université HKM , Agence Miel fankasitrahana sy vatsim-pianarana any Maurice sy Inde ireo mpianatr...
22/09/2026

Notoloran'ny LFL, KIS, Université HKM , Agence Miel fankasitrahana sy vatsim-pianarana any Maurice sy Inde ireo mpianatra sangany tamin'ny fanadinana CEPE, BEPC ary Bakalorea ao amin'ny CISCO Marolambo, ny zoma 18 septambra 2026.

▶️Nanatrika izany ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana niaraka tamin'ireo lehiben'ny CISCO 07, ireo talen-tsekoly ary ireo ray aman-drenin'ny mpianatra.

UCOM MEN/ Septambra 2026

Notanterahina ny zoma 18 septambra 2026, tao amin’ny CJST, ny lanonana fandraisana sy fankasitrahana ireo mpianatra sang...
20/09/2026

Notanterahina ny zoma 18 septambra 2026, tao amin’ny CJST, ny lanonana fandraisana sy fankasitrahana ireo mpianatra sangany miisa 24 tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary Bakalorea taom-pianarana 2025–2026, teto amin’ny DREN Atsinanana.

‎▶️Solontena avy amin’ireo CISCO 7 mandrafitra ny DREN Atsinanana izy ireo, ka notolorana fankasitrahana noho ny ezaka sy ny vokatra tsara azony.

‎▶️Ny lanonana dia notarihin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana an’i Toamasina, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

‎▶️Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana, ireo Lehiben’ny CISCO 7, ary ireo fianakaviamben’ny Fanabeazam-pirenena eto amin’ny DREN Atsinanana.
‎
UCOM MEN/Septambra 2026

Notanterahina tao amin’ny CJST Toamasina, ny zoma 18 septambra 2026, ny lanonana ho fankasitrahana ireo mpianatra sangan...
20/09/2026

Notanterahina tao amin’ny CJST Toamasina, ny zoma 18 septambra 2026, ny lanonana ho fankasitrahana ireo mpianatra sangany nahazo vokatra tsara tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC, BACC Général ary BACC Technique.

▶️Mpianatra sangany avy amin’ireo CISCO 07;mandrafitra ny DREN Atsinanana no nisitraka mari-pankasitrahana sy vatsim-pianarana, natolotry ny LFL, KIS, Université HKM, Agence MIEL, ary ireo vatsim-pianarana ho an’ny fianarana any Maurice sy Inde.

▶️ Nitarika izany ny solombavambahoaka
misahana ny Faritanin’i Toamasina sy ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana notronin'ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana sy ireo Lehiben’ny CISCO.

▶️Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatra sangany miisa efatra (04) avy amin’ny CISCO Mahanoro, izay notarihin’ny Lehiben’ny CISCO Mahanoro.

UCOM MEN/Septambra 2026

Mizotra am-pilaminana ny fanatanterahana ny andron'ny pedagojia ao amin'ny CISCO Antanambao Manampontsy ho fikirakirana ...
20/09/2026

Mizotra am-pilaminana ny fanatanterahana ny andron'ny pedagojia ao amin'ny CISCO Antanambao Manampontsy ho fikirakirana sy fitrandrahana ny fandaharam-pianarana vaovao.

▶️Andro fahatelo ny alarobia 16 septambra 2026 ho an'ny ivon-toeram-piofanana tapany avaratra: mafana ny adihevitra ary mavitrika sy liana avokoa ny mpandray anjara rehetra.

▶️Hifarana ny alakamisy 17 septambra 2026 ny fiofanana.

UCOM MEN/Septambra 2026

Tanterahina nanomboka ny alarobia 16 ka hatramin'ny zoma 18 septambra 2026 ny fiofanana sy ny fampiofanana ireo mpampian...
20/09/2026

Tanterahina nanomboka ny alarobia 16 ka hatramin'ny zoma 18 septambra 2026 ny fiofanana sy ny fampiofanana ireo mpampianatra rehetra avy amin'ny EPP, CEG ary Lisea mahakasika ny fandaharam-pibeazana vaovao ao anatin'ny ZAP miisa 15 ato anivon'ny CISCO Marolambo ka andron'ny pedagojia ho an'ny mpampianatra eny amin'ny ambaratonga voalohany, "EPIE" kosa ny mpampianatra eny amin'ny kolejy sy lisea.

▶️Tanjona ny hikirakirana sy hitrandrahana ny fandaharam-pibeazana sy ny fampifandraisana izany amin'ny R**E izay napetraky ny Minisitera foibe manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity.

▶️Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Lehiben'ny Distrikan'i Marolambo notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana.

▶️Ireo mpanolotsaina ara-pedagojia sy ireo lehiben'ny ZAP no mitarika ny fiofanana ho an'ny ambaratonga fototra ary ny lehiben'ny sampan-daraharaha misahana ny sekoly no mitarika ny EPIE eny amin'ny kolejy sy lisea.

▶️Mizotra amim-pilaminana izany.

UCOM MEN/Septambra 2026

Notanterahina nanomboka ny alarobia 16 septambra 2026, ny andron'ny pedagojia ao amin'ny CISCO Mahanoro ka haharitra 03 ...
20/09/2026

Notanterahina nanomboka ny alarobia 16 septambra 2026, ny andron'ny pedagojia ao amin'ny CISCO Mahanoro ka haharitra 03 andro izany.

▶️Samy manatanteraka izany avokoa ireo mpampianatra ao anatin’ireo ZAP rehetra mandrafitra ny CISCO Mahanoro, ka samy manao izany amin’ny toerana voatondro ho azy avy.

▶️Ho an’ny ZAP Mahanoro I, dia eto amin’ny EPP manara-penitra Tanamborizano, Mahanoro, no anatanterahana izany.

▶️Miompana amin’ny fandalinana sy ny fifanakalozana mahakasika ny fandaharam-pibeazana (PE) ny asa, mba hanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra amin’ny fanatanterahana ny fampianarana.

UCOM MEN/Septambra 2026

Nisitraka ny fiantoham-panampiana avy amin'ny Fanjakana ireo mpampianatra anivon'ny sekoly miahy tena FJKM Manampontsy F...
17/09/2026

Nisitraka ny fiantoham-panampiana avy amin'ny Fanjakana ireo mpampianatra anivon'ny sekoly miahy tena FJKM Manampontsy Fitiavana, CISCO Antanambao Manampontsy, ny alatsinainy 14 septambra 2026.

UCOM MEN/Septambra 2026

Address

Toamasina
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:30
14:30 - 17:30
Tuesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Wednesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Thursday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Friday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREN Atsinanana:

Shortcuts

Share