28/09/2026
KAOMININA AMBONIVOHITRY TOLIARA : FANAMAFISANA NY FAMPANDROSOANA ARA-TOEKARENA
Notanterahina tamin'ny asabotsy 27 Septambra 2026 lasa teo ny fitokanana ofisialy ny orinasa AMBININTSOA MARINE EXPORT, orinasa 100% malagasy misehatra amin'ny jono sy fanondranana vokatra andranomasina toy ny drakaka, langouste, horita, angisy, sns... Orinasa manaraka tanteraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Hitondra voninahitra ho an'ny Kaominina Ambonivohitry Toliara ny fisian'ity orinasa ity, izay hamorona asa mivantana 80 sy an-jatony ankolaka ho an'ny tanora, vehivavy, mpanjono ary mpanangom-bokatra. Ny tanjonany dia hampisandratra ny harena avy amin'ny ranomasintsika mankany Eoropa, Azia ary maneran-tany.
Commune Urbaine de Toliara
Commune Urbaine de Toliara