26/06/2026
Ry Vahoaka Malagasy 🇲🇬
Arahabaina Tratry ny Asaramanitra !
Mahaleo-Tena ianao rehefa fantatrao ny toerana alehan'ny Volam-bahoaka !
Mahaleo-Tena ianao rehefa sahy manontany ny Mpitondra, ary mahazo valiny mazava sy porofo ny Trosa ataon'izy ireo sonia , ary ny fomba ampiasana ny Hetra aloanao
Mahaleo-Tena ianao rehefa misy Mangarahara, Tamberin'andraikitra — ary sazy ho an'ireo rehetra manararaotra ny Fahefam-panjakana
Mahaleo-Tena ianao rehefa afaka mividy sakafo, mitsabo tena, mampianatra ny zanakao ary manomana ny ho avy — fa tsy miaina isan'andro amin'ny Tahotra sy ny Tsy fahampiana !
Mahaleo-Tena ianao rehefa mahavita mamelona ny ankohonanao ny karamanao — rehefa tsy miaina ao anaty fahantrana ny maro an'isa Malagasy 🇲🇬
Mahaleo-Tena ianao rehefa tsy voatery hiala eto Madagasikara vao manana Fiainana mendrika !
Mahaleo-Tena ianao rehefa miasa hoan'ireo Vahoaka Malagasy maro an'isa ny Mpitondra, fa tsy mampiasa ny Vahoaka hanompo ny sezany !
Ry Vahoaka Malagasy, ny Fahaleovan-Tena Tsy kabary, Tsy afomanga, Tsy matso, Tsy fankalazana indray andro isan-taona ... Tokony ho hitanao ary tsapanao eo andavan'andronao ny Fahaleova-Tena 🇲🇬
66 taona aty aoriana ... Mahaleo tena ve i Madagasikara ? Nahoana no Fahaleovan-Tena an-taratasy hatrany no ananantsika ?
Samia ho tahian'Andriamanitra 🇲🇬