WWF Madagascar

WWF Madagascar Building a future in which humans live in harmony with nature. These characteristics have led some scientists to dub Madagascar the "seventh continent”.

The island of Madagascar separated from the African continent some 165 million years.1 Since then, a unique array of plants and animals have evolved, including many endemics species which are found nowhere else in the world. You say lemurs? All 99 known species and subspecies of these small primates are found only on this island and on the Comoros where they were likely to be introduced. These inc

lude the indri, the largest living lemur; black lemurs, which feed on ripe fruit, leaves, insects and flowers; and the hairy-eared dwarf lemur that has long wavy hair around its ears. The eastern, or windward side of the island is home to tropical rainforests, while the western and southern sides of the island are covered by tropical dry forests, thorn forests, and deserts and xeric shrublands. Dry forests support hundreds of endemic plant and animal species - for example, 7 species of baobab trees as compared to only one in all of Africa. The islands surrounding Madagascar are equally diverse as are the countless reefs, home to whales, sharks and marine turtles amongst many other species. WWF MDCO (Madagascar Country Office) works in six different fields: terrestrial, marine, footprint, sustainability, species and climate change. We are passionate about nature and leaders in community based conservation work. This group welcomes all people who are interested in our work, who want to read about the latest news and want to share their passion for this corner of the globe.

Madagasikara dia manaporofo fa azo tanterahina tsara ny famerenana amin’ny laoniny ny alaAo anatin’ny hetsika “Restaurat...
02/06/2026

Madagasikara dia manaporofo fa azo tanterahina tsara ny famerenana amin’ny laoniny ny ala

Ao anatin’ny hetsika “Restauration des Paysages Forestiers” (RPF) an’ny WWF aty Afrika, dia efa nihoatra ny 2 tapitrisa hektara ny faritra voaverina tamin’ny laoniny, tanjona napetraky ny WWF ho an’ny taona 2027 i Madagasikara.

Anisan’ireo “UN World Restoration Flagship” ihany koa isika amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny faritra avaratry ny lakandranon’i Mozambika.
Ireo vokatra ireo dia azo noho ny fandraisana andraikitry ny vondrom-piarahamonina, ireo mpiara-miombon’antoka, ny manampahefana ary ireo mpisehatra eny ifotony izay miara-mientana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy fanamafisana ny faharetana manoloana ny fiovan’ny toetrandro.

🌱 Ny famerenana amin’ny laoniny ny ala dia midika ihany koa fandraisana anjara amin’ny hoavin’ny vondrom-piarahamonina.

🌊 Ireo haran-dranomasin’i Madagasikara : tontolo velona mila arovanaAnkalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an'ny ...
01/06/2026

🌊 Ireo haran-dranomasin’i Madagasikara : tontolo velona mila arovana

Ankalazaina androany ny Andro maneran-tany ho an'ny haran-dranomasina, izay mitondra ny lohahevitra hoe “Bringing Corals Back to Life” — izany hoe mamerina aina indray ny haran-dranomasina.

Rehefa miresaka an’i Madagasikara isika, dia matetika no tonga ao an-tsaina ny varika, ny baobab ary ny ala. Kanefa, ao ambanin’ny ranomasina, dia manana harena voajanahary miavaka ihany koa ny firenentsika : haran-dranomasina, ala honko, ahi-dranomasina, fano, trondro, drakaka ary karazana zava-mananaina maro izay miankina amin’ireo tontolo iainana ireo.

Antsoina indraindray hoe “ala tropikaly ao an-dranomasina” ny haran-dranomasina, satria ahitana karazana zava-mananaina an-dranomasina maro be. Miaro ny morontsiraka amin’ny onja ihany koa izy ireo, ary manohana ny fiainan’ireo vondrom-piarahamonina miankina amin’ny jono sy ny harena an-dranomasina.

Saingy tsy ao an-dranomasina ihany no anombohana ny famerenana aina ny haran-dranomasina. Manomboka eny an-tanety ihany koa izany. Rehefa simba ny tany, rehefa mihena ny ala, na rehefa mitondra fotaka sy antsanga be loatra mankany an-dranomasina ny ranon’orana, dia mety ho voasaron’izany ny haran-dranomasina ka mihasimba ireo tontolo iainana an-dranomasina.

Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny ala honko. Miaro ny morontsiraka izy, toerana itomboan’ny zana-trondro sy ny zana-drakaka, ary manampy amin’ny fitazonana ny fifandanjana eo amin’ny tany sy ny ranomasina.

Misy ihany koa ireo karazana biby izay manampy amin’ny fiarovana ny haran-dranomasina. Ohatra, ny fano sasany dia manampy amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny haran-dranomasina amin’ny fihinanana ireo zavamananaina mety hanarona azy. Ny sokatra maitso kosa dia manampy amin’ny fahasalaman’ny ahi-dranomasina, izay tena ilain’ny trondro madinika sy ny biby an-dranomasina maro.

Amin’izao Andro maneran-tany ho an’ny haran-dranomasina izao, aoka hotsaroantsika fa ny fiarovana ny haran-dranomasina dia fiarovana ny harena voajanahary an-dranomasina, ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka ary ny hoavintsika iombonana.

💙 Ny antso ataontsika androany : andao hiaro ny haran-dranomasina, hampihena ny tsindry mahazo ireo tontolo iainana amorontsiraka, ary hiara-hientana mba hamerina aina indray ny haran-dranomasina.

Satria mampifandray antsika rehetra ny ranomasina.

WWF Madagascar recrute !Nous recherchons un(e) Assistant(e) Comptable – Cash Management CE basé(e) à Antananarivo.Le pos...
31/05/2026

WWF Madagascar recrute !

Nous recherchons un(e) Assistant(e) Comptable – Cash Management CE basé(e) à Antananarivo.

Le poste consiste notamment à appuyer la gestion de la trésorerie, la saisie des opérations comptables et bancaires, ainsi que le classement des pièces justificatives.

📍 Lieu : Antananarivo
📄 Contrat : CDI
📅 Date limite de candidature : 10 juin 2026

Les candidatures sont à envoyer à : [email protected]
Avec la mention : « Assistant(e) Comptable Tana »

Lien vers les détails de l'offre en commentaire.

30/05/2026
Ny famerenana amin’ny laoniny ny tany sy ny ala dia midika ihany koa fanomezana fahafahana vaovao ho an’ny vondrom-piara...
29/05/2026

Ny famerenana amin’ny laoniny ny tany sy ny ala dia midika ihany koa fanomezana fahafahana vaovao ho an’ny vondrom-piarahamonina. 🌱

Amin’ny alalan’ny hetsika Restauration des Paysages Forstiers (RPF) aty Afrika, fianakaviana an’arivony no namorona asa maharitra sy mitsinjo ny tontolo iainana : fiompiana tantely, ala vadim-boly (agroforesterie), fitantanana maharitra ny ala, famokarana éco-épices, famerenana amin’ny laoniny ny ala honko ary fizahantany mitsinjo ny tontolo iainana.

Hatramin’ny taona 2021 :
✔️ tokantrano maherin’ny 55 000 no nahazo tombontsoa mivantana avy amin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny ala
✔️ olona maherin’ny 120 000 no nahazo fiofanana

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana sy famerenana amin’izany ny vehivavy, ny tanora ary ny vondrom-piarahamonina eny ifotony.

Satria ny famerenana amin’ny laoniny dia tsy momba ny natiora ihany, fa momba ny fahafahan’ny olombelona miarina sy miatrika ny fiovana ihany koa.

Ny famerenana amin’ny laoniny ireo ala sy tany voajanahary aty Afrika dia famerenana ihany koa ny hoavintsika.. 🌱Manoloa...
28/05/2026

Ny famerenana amin’ny laoniny ireo ala sy tany voajanahary aty Afrika dia famerenana ihany koa ny hoavintsika.. 🌱

Manoloana ny fahasimban’ny tany, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro ary ny faharinganan’ny karazanjavamananaina, ny fanarenana ny tontolo voajanahary dia lasa vahaolana lehibe ho antsika olombelona sy ny natiora.

Teo anelanelan'ny taona 2021 sy 2025, ny tetikasa Restauration des Paysages Forestiers (RPF) an'ny WWF aty Afrika dia nahafahana nanarina velaran-tany maherin'ny 18 tapitrisa hektara tamina firenena 9, anisan'izany i Madagasikara.

Ao ambadik’ireo tarehimarika ireo:
✔️Ala sy tany simba izay miverina tsikelikely amin’ny laoniny ka afaka manohana indray ny zavamananaina sy ny fiainan’ny olona.
✔️Rohivoahary mahazaka kokoa ny fiovan’ny toetrandro sy ireo tsindry mianjady aminy
✔️ vondrom-piarahamonina mahita fidiram-bola sy fihariana vaovao
Tsy voafetra amin’ny fambolen-kazo fotsiny ny fanarenana ny tontolo voajanahary. Fa fanarenana tontolo velona sy maharitra ho an’ny taranaka faramandimby ihany koa.

Ao amin’ny ranty ny rohy raha te hamaky feno ny fanadihadiana ianao.

🤝 Andao hifanome tanana hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara. 🇲🇬Rehefa miara-mientana isik...
26/05/2026

🤝 Andao hifanome tanana hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara. 🇲🇬

Rehefa miara-mientana isika dia ho vita ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ny kolikoly, ary ny doro ala. Raha manam-baovao ianao dia aza misalasala miantso anay farany izay haingana amin'ireto laharana ireto mba hahafahana mandray fepetra.

🌳☎️𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 hikajy sy hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara.📱❌️

🏡𝗛𝗮𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮, 🐢𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗿𝗮-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆, 💰𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗶𝗸𝗼𝗹𝘆, 🔥𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗼𝗿𝗼 𝗮𝗹𝗮, 📣𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼.

✅️📱Aza misalasala isika miantso ireo 👇👇 laharana findray etsy ambany👇👇 ireo raha manam-baovao na fizarana hahafahanay mandray fepetra haingana.☎️👇👇

🔆 Vous produisez ou distribuez des solutions de cuisson propre ?Rejoignez le programme de formation et d'accompagnement ...
24/05/2026

🔆 Vous produisez ou distribuez des solutions de cuisson propre ?

Rejoignez le programme de formation et d'accompagnement >>Forward Clean Cooking et accélérez la croissance de votre entreprise.

Scannez le Code QR ou suivez le lien en commentaire pour vous inscrire ! Date limite d'inscription : 22 juin 2026

Contactez [email protected] pour plus d'informations.

Bonne chance !

23 Mey : Andro maneran-tany ho an'ny sokatra 🐢 Any anatin’ny ala maiky any Atsimo Andrefana no ahitana ny “sokake” na so...
23/05/2026

23 Mey : Andro maneran-tany ho an'ny sokatra 🐢

Any anatin’ny ala maiky any Atsimo Andrefana no ahitana ny “sokake” na sokatra radiée izay tsy biby fotsiny ho an’ny mponina any an-toerana, fa lova ara-kolontsaina sy mifandray amin’ny fomba amam-panao ary ny razana.

Ao amin’ny foko Mahafaly sy Antandroy, maro ireo fady miaro ny sokake hatramin’ny taranaka maro nifandimby : voarara ny mamono azy, mihinana azy, ary indraindray na mikasika azy aza.
Amin’izao fotoana izao anefa dia tandindomin-doza ny sokake noho ny hain-tany, ny fahantrana, ny fahasimban’ny ala tsilo ary ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.

Manoloana izany, maro ireo hetsika fiarovana atao miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina : fanaraha-maso ifotony, fanentanana ara-kolontsaina, famerenana ireo sokatra voavonjy eny amin’ny toeram-ponenany ary fiarovana ireo ala tsilo izay fonenany.

Ny fiarovana ny sokake dia tsy fiarovana biby ihany, fa fiarovana ny kolontsaina sy ny harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ihany koa, mba hisian'ny tontolo ahafahan'ny olombelona miaina mirindra miaraka amin’ny natiora.

22 Mey – Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina : andao hamantatra ireo harena voajanahary miavaka eto Mad...
22/05/2026

22 Mey – Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina : andao hamantatra ireo harena voajanahary miavaka eto Madagasikara 🌿

Ho fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina 2026, izay mitondra ny lohahevitra hoe « Hetsika ifotony, misy vokany maneran-tany », andao asongadina indray ny harena sarobidy ananan’i Madagasikara.

Eto amintsika, dia mifamatotra amin’ny fiainan’ny olona sy ny fifandanjan’ny tontolo iainana ny karazanjavamananaina. Manomboka amin’ny ala mando any atsinanana, ny honko amin’ny morontsiraka andrefana, hatrany amin’ny haran-dranomasina, ny haram-bato sy ny ahi-drano an-dranomasina, ary ny ala tsilo any atsimo, dia misy zavamananaina tsy hita afa-tsy eto Madagasikara irery ihany, toy ny simpona, maki, sokake, sokatra an-dranomasina, sy maro hafa. Ireo karazana ireo dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny natiora izay iankinan’ny fiainan’ny mponina ihany koa.

Na izany aza, mihamihena sy mihamarefo ireo tontolo iainana ireo noho ny fahapotehan’ny ala, ny doro tanety, ny fitrandrahana tsy maharitra ny harena voajanahary, ny fandotoana plastika, ary ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro.
Rehefa potika ny ala dia potika ihany koa ny toeram-ponenan’ny zavamananaina, ny loharanon-drano, ary mihasimba ny tontolo iainana manontolo. Toy izany koa, ny fahasimban’ny tontolo an-dranomasina sy morontsiraka dia miantraika mivantana amin’ny zavamananaina an-dranomasina sy ny fiveloman’ireo vondrom-piarahamonina miankina aminy.

Ny fiarovana ny natiora dia manomboka amin’ny hetsika tsotra atao eo an-toerana: fiarovana ny ala sy ny faritra marefo, fanarenana ireo tontolo efa simba, fanentanana sy fampiharana hetsika tsotra miaro ny tontolo iainana. Na dia hetsika kely aza, dia efa manampy betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ny fiarovana ny karazanjavamananaina dia midika ho fiarovana ny toetr’andro, ny ranomasina, ary ny harena voajanahary rehetra. Rehefa miara-mientana ny tsirairay, ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, ary ireo manohana avy lavitra, dia efa mitondra fiovana tsara sy maharitra kokoa.

Address

BP 738 Lot Près II 85 Ter Antsakaviro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261344988804

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when WWF Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to WWF Madagascar:

Share