KFIM Ofisialy

KFIM Ofisialy KFIM dia vovonana politika mirona amin'ny foto-kevitra politika mazava. Fitiavan-tanindrazana sy Fiandrianam-pirenena.

Tsy atakalo tombontsoa manokana ireo fa ireo no ivon'ny fampandrosoana ny firenena.

04 juin 2026 | Master Pétanque 2026.Namiratra ny "Étoiles du Sud".Ny Ekipa misy an'i Yves sy Zigle no nandresy tamin'ny ...
04/06/2026

04 juin 2026 | Master Pétanque 2026.

Namiratra ny "Étoiles du Sud".
Ny Ekipa misy an'i Yves sy Zigle no nandresy tamin'ny dingana voalohany ho an'ny fifaninanana Master Pétanque natao tao Romans sur Isère.

Endrika fiaraha-miasa mahomby eo amin'ny samy Afrikanina ity.
Samy mitondra ny talentany fa Tanjona tokana mandrombaka ny amboara.

03 jona 2026 | Varsovie,  tompondaka eran-tany Basket 3x3.✊ Mitohy ny dian'ny Ankoay lehilahy ary tafiakatra amin'ny "pl...
04/06/2026

03 jona 2026 | Varsovie, tompondaka eran-tany Basket 3x3.

✊ Mitohy ny dian'ny Ankoay lehilahy ary tafiakatra amin'ny "play-in".

Valin'ny ezaka maro sosona sy dingana efa nolalovan'ny Ankoay izao vokatra izao ary inoantsika fa hiakatra hatrany ny lentan'ny zava-bitan'izy ireo.

.

03 jona 2026 | Beroroha.Mifanolo-tanana amin'ny Fitondrana miaraka amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny Filoha...
03/06/2026

03 jona 2026 | Beroroha.

Mifanolo-tanana amin'ny Fitondrana miaraka amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny Filoha lefitry ny Soja Fulgence hijerena manokana ny olana mianjady amin'ireo zaza manana toetena Varira.

Misy ny fihainona ireo mponina eny an-toerana ary ny Fitondrana dia efa manao ezaka ny hametrahana vahaolana maika hiarovana azy ireo.

✊Ankasitrahana ny fahasahiana asehon'ny fitondrana amin'ny fanafohanana ireo fifanarahana tsy mahomby sy mamono antoka n...
03/06/2026

✊Ankasitrahana ny fahasahiana asehon'ny fitondrana amin'ny fanafohanana ireo fifanarahana tsy mahomby sy mamono antoka ny JIRAMA, ka miteraka olana miantraika mafy aty amin'ny Malagasy mpanjifa.

✅Mety ny fandraisana andraikatra ataon'ny Fitondrana mividy mivantana "Groupes" ho entina mamaha ny olan'ny Jiro any Antsiranana.

✅ Tohizo ny ezaka fa mbola maro izy ao no mila ialàna fa mamono antsika. Ny dia manohana tanteraka ny ezaka Fanavaozana rehetra hitondra tombotsoa ho an'ny vahoaka maro an'isa.

👉 Vahinin’i Mendrika RAZAFINDRATSIMA anatin’ny Fandaharana L'INVITÉ DU JOUR anio Talata 2 Jona 2026 amin’ny 9 ora alina,...
02/06/2026

👉 Vahinin’i Mendrika RAZAFINDRATSIMA anatin’ny Fandaharana L'INVITÉ DU JOUR anio Talata 2 Jona 2026 amin’ny 9 ora alina,

- SOJA RAMIANDRISOA Fulgence
Filoha Nasionalin'ny Fikambanana Albinos Madagascar / Filoha lefitra Faritany Mahajanga

📺 sur REAL TV MADAGASIKARA - REAL 94 FM - CANAL + REAL TV MADAGASIKARA (canal 8 / 211) - PEJY YOUTUBE REAL TV MADAGASIKARA OFISIALY - PEJY FACEBOOK REAL TV MADAGASIKARA🗞️🆕

02/06/2026

👍Mankasitraka amin'ny fandraisana andraikitra ary manantena fiara-mientana amin'ny tompon'andraikitra rehetra eny ifotony hivahan'ity olana mianjady amin'ny olona manana toetena Varira ity.

🤝Ny dia eo akaikinareo Varira hatrany ary miombon'ady aminareo.

📱 Antsoy ny laharana maitso 147 raha misy tranga mampiahiahy hitanao.

✊ Ho vahinin'ny fandaharana Zara Hevitra ny Alatsinainy 01 Jona  2026: Andriamatoa Soja Fulgence - Filohan'ny fikambanan...
01/06/2026

✊ Ho vahinin'ny fandaharana Zara Hevitra ny Alatsinainy 01 Jona 2026: Andriamatoa Soja Fulgence - Filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar/ Filoha lefitry ny Faritany Mahajanga.

📻 Hivantana eto amin'ny pejy👉 Info Culture Media 2.0 - FM 104.8 sy ny Onjam-peo 104.8 Fm amin'ny 12h15 atoandro

Ampy izay!Basy Eky zalahy e!Ry tompon'andraikitra mpiaro ny zon'olombelona.Ry tompon'andraikitry ny minisiteran'ny mponi...
01/06/2026

Ampy izay!
Basy Eky zalahy e!

Ry tompon'andraikitra mpiaro ny zon'olombelona.
Ry tompon'andraikitry ny minisiteran'ny mponina.
Ry tompon'andraikitry ny fitandrona ny filaminana.
Ry tompon'andraikitry ny Fitsarana.
Raiso ny andraikitra fa efa loza mihatra amin'ny maha olona izao miseho izao.

Tsy ampy ny kabary sy fitserana fa fandraisana andraikitra feno no andrasan'ny vahoaka aminareo, indrindra fa ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo.

Ny dia miray fo sy mijoro eo anilan'ireo olona manana toetena Varira, ary maneho ny fahavononany fa hanolo-tanana amin'ny fomba rehetra hamahana io olana io.

Address

Andravoahangy Ambony
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KFIM Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share