SAHY Miteny

SAHY Miteny vaovao rehetra, trangam_piaraha_monina , politika, ....

‼ Délestage tournantTsy misy intsony ny délestage fa ny coupure no misy hoy i Kolonely Michael izay e 😂Nefa vao maika az...
03/08/2026

‼ Délestage tournant

Tsy misy intsony ny délestage fa ny coupure no misy hoy i Kolonely Michael izay e 😂
Nefa vao maika azy miha mafy isan'andro fa miverina indray ny délestage tournant ato e !
Fa tsy ampy 25 MW hoe ny famokarana herinaratra eo amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. (RIA)
Tsy maintsy hiverina tsy ho ela ihany le hira faneva raha izao no mitohy a 😂

Marina mihitsy ity zavatra lazain'i Vonifanja Manitraritsimba Rakotondrahiratra ity😭Tsy misy raha manjary momba an'i Toa...
03/08/2026

Marina mihitsy ity zavatra lazain'i Vonifanja Manitraritsimba Rakotondrahiratra ity😭
Tsy misy raha manjary momba an'i Toamasina fa potika sy rava tanteraka😭
Tena hoe tsy misy mpiahy sy mijery ny vahoaka amin'izao FAHAVOAZANA izao e😭

OMBAY MITADY ⚠️⚠️Hiangaviana izay nahita inty olona ity mba hiantso ireto laharana ireto+261324649290+261336312136+26138...
02/08/2026

OMBAY MITADY ⚠️⚠️

Hiangaviana izay nahita inty olona ity mba hiantso ireto laharana ireto

+261324649290
+261336312136
+261388794768

Ny mombamomba azy :

- Ratiandrivo Arsene Lefra ( Na i Rivo)
- Zarazara fihodirana
- 41 Taona
- Monina ao Antanetibe Antehiroka
- Akanjo nanaovany : Sweet Capuche Manga / Jean Mainty / Kapa Ma ga / Casquette Belgium
- Nahitana azy farany : Pharmacie Talatamaty tami'ny 6 ora Hariva ary mbola tratra antso tamin'ny folo 1O ra alina.

Hiangaviana izay mba manana vaovao momba azy mba hiantso na handefa hafatra miafina.

Mankasitraka tompoko

‼ Rite Funèbre sy Squelette plastiqueTena hoe mihevitra ny vahoaka Malagasy ho bado mihitsy ianareo ireto ry fitondrana ...
02/08/2026

‼ Rite Funèbre sy Squelette plastique

Tena hoe mihevitra ny vahoaka Malagasy ho bado mihitsy ianareo ireto ry fitondrana FAHAVOAZANA a!
Tsy tahotra tsy henatra ry Procureur Narindra fa dia mahita cinéma sy zavatra foronina foana.

Avy hatrany dia hita hoe film sy terena avadika ho resaka politika tsotr'izao ny mahakasika ny hala-jaza sy vono olona nisesy tato ho ato.
Satria fantatry ny fitondrana FAHAVOAZANA tsara fa manomboka tezitra ny vahoaka amin'ny tsy fahaiza-mitantana sy miaro ny vahoaka ka zara aza misy olona hanilihana azy.

Squelette plastique ampiasaina hampianarana sy ampiasain'ny dokotera amin'ny resaka fitsaboana ny vatan'olombelona no natao tao anaty vatapaty.
Hita taratra fa dossiers foronina fotsiny ihany satria te hilaza amin'ny vahoaka hoe mahavita misambotra mpangala-jaza sy mpamono olona ny fitondrana FAHAVOAZANA.

Ny "rite funèbre" moa dia fombafomba amam-panao rehefa misy olona iray maty.
Ireo fomba rehetra ataon'ny fianakaviana, ny fiarahamonina na ny fiangonana rehefa misy olona iray nodimandry no antsoina hoe rite funèbre ao anatin'izany ny fanasana ny razana, ny fiandrasam-paty, ny famonosana, ny fotoam-pivavahana, ny fandevenana na ny fandorana ny razana arakaraka ny finoan'ilay olona.

Ny famadihana dia azo sokajiana ho rite funèbre ihany koa satria mifandray amin'ny tontolon'ireo olona efa nodimandry.
Ka ho samborin'ny fitondrana FAHAVOAZANA daholo koa ve izany ireo olona manao famadihana rehetra satria manao rite funèbre?😂

‼️🔥 FANOLORANA OFISIALY NY FEHIN-KEVITRY NY FIKAONANDOHAM-PIRENEN’NY TANORA – CCI IVATO: Mitaky ny handravana ny Antenim...
01/08/2026

‼️🔥 FANOLORANA OFISIALY NY FEHIN-KEVITRY NY FIKAONANDOHAM-PIRENEN’NY TANORA – CCI IVATO: Mitaky ny handravana ny Antenimierampirenena sy ny CENI ireo tanora.

🛑🛑Raha tena mijery ny zava-misy isika dia maro ny olona no mahatsapa fa tsy mbola mahafa-po ny fomba fiasan'ireo andrim-panjakana ireo. Tokony hisy fanovana tena izy mba hiverenan'ny fitokisan'ny vahoaka sy hahatonga ny rafitra hiasa ho tombontsoan'ny firenena fa tsy ho an'ny tombontsoan'olom-bitsy.
Fotoana izao hihainoana ny feon'ny vahoaka sy hitadiavana vahaolana maharitra.

🛑🛑AOKA IZAY FA TAFAHOATRA LOATRA NY FAMPIASANA NY FITSARANA HO FITAOVANA POLITIKA. 🛑🛑Rehefa tsy mahavita mamaha olana sy...
31/07/2026

🛑🛑AOKA IZAY FA TAFAHOATRA LOATRA NY FAMPIASANA NY FITSARANA HO FITAOVANA POLITIKA. 🛑🛑

Rehefa tsy mahavita mamaha olana sy mitady izay tena tompon’andraikitra amin’ny fanaovana sorona ny zanaka malagasy ny fitondrana Fahavoazana, dia mamorona olona ho enjehina sy ampangaina tsotra izao fotsiny.

Nosamborin’ny Fahavoazana ny Chef CISCO Tana ville dia terena tsotra izao hoe izy no tao ambadiky ny halajaza sy vono olona. Satria hoe izy olona akaiky ny fitondrana teo aloha.

Raha ny vaovao tena marina nefa dia misy olona roalahy izay ananan’ilay Chef CISCO vola efa ela, ka notoriany tany amin’ny fitsarana. Samy franc-maçons izy ireo. Tsy te handoa vola ireo olona 2 ireo dia nanao menace hoe ilay Chef CISCO indray no hogadrainy satria ny iray amin’izy 2 lahy dia mpanolotsaina an-dRavilambava.

Izany hoe voafitaky ny olona akaiky azy indray izany Ravilambava, satria dia nolazain’ireto roalahy miady amin’ilay chef CISCO fa izy no mpanao sorona amin’ny maha-franc-maçon azy.

Ilay Ravilambava koa moa tsy nanadihady fa avy hatrany dia mino ny laingan’ireto akaiky azy ka nosamborina ary nogadraina avy hatrany eny Tsiafahy ilay Chef CISCO.

Efa olona tsy vanona tsy mataho-tody mihitsy ireto Fahavoazana ireto, fa raharaha manokana resaka trosa tsy voaloa dia avadika tanteraka ho fanenjehana noho ny hoe fanaovan’ny franc-maçons sorona olona. Zavatra tsy misy porofo na kely aza.

Be dia be nefa ny franc-maçons ao anatin’io fitondrana io, misy minisitra maromaro ao, na ny tamin’ny andron’i Herintsalama izay franc-maçon koa na ao anaty governemanta izao.

I Me Hanitra Razafimanantsoa dia Franc-maçon, ny minisitry ny Foloalindahy Gl Razafitombo Ely, Briand Andrianirina sy ny vadiny Onitiana Realy koa, ireo généraux sy colonels manodidina an-dRavilambava ireo dia maro be koa ny franc-maçons.

Dia mpanao sorona daholo izany ireo? Sa rehefa miaraka miasa amin’ny Fahavoazana ny franc-maçons dia tsy devoly sady tsy mpanao sorona fa rehefa tsy miaraka miasa aminy dia tonga dia endrikendrehana ho mpangala-jaza daholo?

Raha tena sahy tokoa izy dia tokony roahiny daholo izany ireo franc-maçons manodidina azy rehetra ireo, ary araka ny teniny tany Egypte dia tokony roahiny hiala eto Madagasikara daholo ny franc-maçons rehetra na gadrainy daholo satria izany lazainy fa mpanao sorona olona.

TSY MAINTSY HISY NY DIALOGUE POLITIQUE IARAHAN’IREO HERY POLITIKA REHETRA MIDINIKA NY FOMBA HITANTANANA NY TETEZAMITA AR...
31/07/2026

TSY MAINTSY HISY NY DIALOGUE POLITIQUE IARAHAN’IREO HERY POLITIKA REHETRA MIDINIKA NY FOMBA HITANTANANA NY TETEZAMITA ARY IO DIALOGUE POLITIQUE IO DIA TSY MAINTSY FIARAHA-MITANTANA NO IAFARANY

Efa notenenintsika io, ary tsy maintsy niaiky ihany Ravilambava tany Egypte fa tsy maintsy atao io, araka ny toromariky ny SADC tohanan’ny Vondrona Afrikana sy ny Firenena Mikambana. Tsy ilay fikaonandoha karakarain’ny FFKM mihitsy akory fa tena dinika politika ary satria nisy coup d’Etat teto nanonganana ny Filoha Andry Rajoelina, dia TSY MAINTSY MANDRAY ANJARA AO ANATIN’IZANY FIARAHA-MIDINIKA POLITIKA IZANY IZY.

Efa nazava ilay fanambarana nataon’ny Iraky ny UA sy ny ONU farany teo, ny fiaraha-midinika politika tsy maintsy « inclusif », izany hoe tsy misy fanilihana fa tsy maintsy mandray anjara ny rehetra, indrindra ny Filoha Rajoelina sy ny mpomba azy. Io dialogue politique io no hamoaka ny « cadre politique consensuel » hitondrana ny firenena, izay ilay fiaraha-mitantana, ary ao anatin’io no hamoahana ny fanovan-drafitra samihafa tokony hotanterahina eto amin’ny firenena.

Fanomanana an’io dialogue politique io no efa antony nihaonan-dRavilambava tamin’ireo Filoha teo aloha 2 lahy, fa tsy ho tafavoaka mihitsy raha sanatria miketrika fanilihana ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy ho eken’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ary hanamafy ny sazy hahazo an’ireo mpitondra fahavoazana sy ny firenena raha hiziriziry.

‼ Politika ny fitsitsianaSamy manana ny politikan'ny fitsitsianany tokoa angambany fa raha ny zavatra ataon'ny mpitondra...
30/07/2026

‼ Politika ny fitsitsiana

Samy manana ny politikan'ny fitsitsianany tokoa angambany fa raha ny zavatra ataon'ny mpitondra dia mifanohitra tanteraka amin'izany.
Tena tsy mbola nisy tao anatin'ny 60 taona ny zavatra ataon'ireto fitondrana FAHAVOAZANA ireto.
Tsy vitan'ny mampiasa jet privé hanaovana fitetezam-paritra fa mbola mividy fiara faran'izay raitra ihany koa ampiasaina.

Tompon'andraikim-panjakana iray no nividy Jaguar F-Pace izay mitentina 250.000 Euro na 1 Miliara sy 23 tapitriasa be izao.
Vola tokony ahavita sekoly EPP na CSB-II maromaro kanefa laniana hividianana fiara ampiasain'olon-tokana.

Tena hoe fandatsana ny vahoaka Malagasy izay mitady ny sakafo hoanina isan'andro ny zavatra ataonareo ry fitondrana FAHAVOAZANA.
Tsy mahalala izay laharam-pahamehana sy mahasoa ny vahoaka fa dia mandany volam-panjakana mihoa-pampana amin'ny zavatra toy izao.

🚨Fly Over Anosizato Soa fa nisy ny asa efa natomboky ny fitondrana teo aloha fa raha tsy izany dia tena tsy nisy apoaka ...
29/07/2026

🚨Fly Over Anosizato

Soa fa nisy ny asa efa natomboky ny fitondrana teo aloha fa raha tsy izany dia tena tsy nisy apoaka mihitsy ry fitondrana FAHAVOAZANA.

Angady nananana sy vy nahitana ny famatsiambola ny tetikasa Fly Over ny Filoha teo aloha Andry RAJOELINA.
Projet présidentiel tamin'ny fitondrana teo aloha ary efa neken'ny Antenimierampirenena ny fanatanterahana azy.

Nolanian'ny Antenimierampirenena tamin'ny 24 Jiona 2022 ny volavolan-dalàna laharana n° 2022-006 mamaritra ny famatsiam-bola ho an'ny Fly Over Anosizato croisement RN1 et RN58A izay azo tamin'ny BADEA.

Tsy misy zava-bitan'ny fitondrana FAHAVOAZANA ankoatran'ny mitaingina projet an'olona.
Halako bika tsy tiako tarehy tokoa no misy fa raha ny asa natao dia mitoetra hatrany ary mbola tohizan'ny ato aoriana.

29/07/2026

‼Influenceurs nalefa any Rosia

Miondrana antsokosoko daholo ny harem-pirenena no sady very ny fiandrianam-pirenena nohon'ny zavatra ataon'ny fitondrana FAHAVOAZANA😭

Mazava ny tanjona fa hanao propagande ankolaka mba hanamafisana ny fidiran'ny Rosiana eto Madagasikara no ao ambadiky ny fandehanan'ireo influenceurs any Rosia.
Ampiasaina ireo influenceurs mba hilazana fa firenena azo hiarahana miasa tsara i Rosia.

Takalon'ilay tank sy fitaovam-piadina ary ireo miaramila 400 miambina an'i Kolonely Michael.
Tonga hatrany amin'ny TVM sy RNM ny fidiran'ny Rosiana eto Madagasikara ary omena fandaharana manokana mihitsy.

Manomboka very tsikelikely ny fiandrianam-pirenen'i Madagasikara.
Mieritreritra ny hametraka base militaire any Diego ihany koa ny Rosiana mba ahafahan'izy ireo manana hery ara-tafika aty amin'ny ranomasimbe indiana.
Eo ihany koa ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tanin'i Madagasikara ataon'ireo Rosiana.

Address

Foulpointe
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAHY Miteny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share