31/07/2026
𝗧𝗢𝗨𝗦 𝗥𝗘𝗗𝗘𝗩𝗔𝗕𝗟𝗘𝗦 : 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗘𝗻𝘆 𝗜𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆
Notanterahina ny Alakamisy 30 Jolay 2026, tao amin'ny Le Rêve Antsirabe, ny lanonana fanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny fisitrahan'ireo Kaominina dimy ambin'ny folo (15) avy amin'ny Faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony, ary ny Kaominina Antsiranana, ny tetikasa « Tous Redevables », vatsian'ny Vondrona Eoropeana sy tanterahin'ny Expertise France.
Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, sy ny solontena ambony avy amin'ny Vondrona Eoropeana ary ny solontenan'ny Expertise France no niara-nitarika tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana, izay nanamarihana ny fanombohan'ny fampiharana ity tetikasa ity. Nanatrika izany ihany koa Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Ramatoa Prefen'Antsirabe, ireo Lehiben'ny Distrika, ireo Ben'ny Tanàna voakasiky ny tetikasa, ary ireo tompon'andraiki-panjakana sy mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny.
Tafiditra ao anatin'ny politikam-panjakana momba ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana tsara ny tetikasa « Tous Redevables », izay mikendry ny hanatsara ny fahaiza-mitantan'ireo Kaominina, hampiroborobo ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra, ary hanamafy ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena amin'ny fampandrosoana eny ifotony.
Nandritra ny lahateniny, Ramatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra dia nanamafy fa maneho ny finiavan'ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka hampandroso ny fitantanana akaiky ny vahoaka ity tetikasa ity. Nambarany fa antoky ny fanamafisana ny fahafahan'ireo Kaominina mamolavola sy manatanteraka tetikasa mifanaraka amin'ny filàn'ny mponina izy io, ka hitondra fampandrosoana maharitra sy fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra omena ny vahoaka.
Mitohy ny ezaka iarahan'ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana, ho fanorenana fitantanana mangarahara, tompon'andraikitra ary manakaiky hatrany ny olom-pirenena, ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy manerana an'i Madagasikara.