Cffamma

Cffamma Centre de Fabrication ,de Formation et d'Application du Machinisme et de la Mécanisation Agricole

"𝐃𝐞́𝐦𝐨𝐧𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐦𝐚𝐭𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬 𝐩𝐨𝐬𝐭-𝐫𝐞́𝐜𝐨𝐥𝐭𝐞"👉 Tantsaha sy mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra maro no tonga nanatri...
31/07/2026

"𝐃𝐞́𝐦𝐨𝐧𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐦𝐚𝐭𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬 𝐩𝐨𝐬𝐭-𝐫𝐞́𝐜𝐨𝐥𝐭𝐞"

👉 Tantsaha sy mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra maro no tonga nanatrika ny "séance de démonstration" nokarakarain’ny CFFAMMA omaly 30 Jolay 2026.

Tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankazomborona, Distrikan’i Marovoay no nanatanterahana izany.

Naseho nandritra izany ny fomba fampiasàna ny "batteuse-vanneuse combinée", milina iray natao hanatsaràna sy hanamoràna ny fikapohana sy fikororohana vary.

Nisy ihany koa ny fampisehoana ny fampiasàna : fikapoham-bary sy fikororohana voizin-tongotra.

👉 Ho fanamafisana ny fahaiza-manao eo an-toerana dia hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny 3 andro, natokana ho an’ireo mpanao asa tanana (artisans) eo an-toerana, momba ny "mécanisation agricole" sy ny teknika mifandraika amin’ny famokarana sy fikojakojana ireo fitaovana.

👉 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny CFFAMMA ao anatin'ny tetikasa vatsian'ny FSRP, miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka : DRASA, AfricaRice, FOFIFA.

𝐀𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐈𝐄𝐑 𝐌𝐚𝐝𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 indray no fotoana! Daty : 05 hatramin'ny 09 aogositra 2026Ho hitanao ao ireo  𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚...
30/07/2026

𝐀𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐈𝐄𝐑 𝐌𝐚𝐝𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 indray no fotoana!

Daty : 05 hatramin'ny 09 aogositra 2026

Ho hitanao ao ireo 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 novolavolain'ny 𝐂𝐅𝐅𝐀𝐌𝐌𝐀 (hydrotiller, batteuse vanneuse motorisée, broyeur compost) sy ireo fitaovana madinika izay nahafantaranao ny 𝐂𝐅𝐅𝐀𝐌𝐌𝐀 hatramin'izay !

Stade Makis - Andohatapenaka
Stand N°208-209

28/07/2026

"𝐂𝐨𝐧𝐝𝐮𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐝'𝐞𝐧𝐠𝐢𝐧𝐬 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞𝐬": amin'ny 03 aogositra 2026 izao no fanombohan'ny fiofanana! 😎

Saram-piofanana : 400.000 Ar
Faharetany : 1 volana

Antsoy avy hatrany ny laharana : 038 21 838 62

14/07/2026

Fampiharana ny 5S Kaizen

𝟐0 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 izao  ny fidirana amin'ny fiofanana ho "𝐜𝐨𝐧𝐝𝐮𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐝'𝐞𝐧𝐠𝐢𝐧𝐬 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞𝐬"Raha toa ka mahaliana anao ny fiofa...
02/07/2026

𝟐0 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 izao ny fidirana amin'ny fiofanana ho "𝐜𝐨𝐧𝐝𝐮𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐝'𝐞𝐧𝐠𝐢𝐧𝐬 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞𝐬"

Raha toa ka mahaliana anao ny fiofanana mamily sy mikojakoja "engins agricoles" dia manasa hanao handefa hafatra miafina. Alefao ao ny anaranao ary ny laharana afaka iantsoana anao ☺

Azonao atao ihany koa ny misoratra anarana mivantana amin'ny laharana 034 03 966 77.

𝐕𝐨𝐚𝐟𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐢𝐯𝐨𝐧𝐣𝐞𝐨 !!!

Asaramanitra 2026 🇲🇬Fitafy malagasy, firaisankina ary fitiavan-tanindrazana no nentina nanehoana ny hasin'ny maha-Malaga...
26/06/2026

Asaramanitra 2026 🇲🇬

Fitafy malagasy, firaisankina ary fitiavan-tanindrazana no nentina nanehoana ny hasin'ny maha-Malagasy. 🇲🇬❤️

Cffamma, DRAE Vakinankaratra, Cafpa Antsirabe, Fda Madagascar, Fifamanor, Fofifa, Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire

Mécaniciens Agricoles   – 149ᵉ Promotion 🔥Notanterahina androany 24 Jona 2026 ny lanonana fizaràna mari-pankasitrahana h...
24/06/2026

Mécaniciens Agricoles – 149ᵉ Promotion 🔥

Notanterahina androany 24 Jona 2026 ny lanonana fizaràna mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana Mécaniciens Agricoles teto amin’ny Cffamma.

Nandritra ny 5 volana no nanarahan’izy ireo fiofanana, nahafahany nanamafy ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony eo amin’ny fikojakojana, fanamboarana ary fitantanana ireo milina fambolena.

🌱 Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny "149ᵉ Promotion" ny .

Andraikitry ny rehetra ny fahadiovana ☘️Nanatevin-daharana ny hetsika Fanadiovana Faobe nokarakarain’ny Ministeran’ny Ra...
20/06/2026

Andraikitry ny rehetra ny fahadiovana ☘️

Nanatevin-daharana ny hetsika Fanadiovana Faobe nokarakarain’ny Ministeran’ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana ny Cffamma anio 20 jona 2026.

Izany dia niarahana tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Ministère de l'Agriculture et de la Souveraineté Alimentaire sy ireo fitaleavam-paritra isan-karazany eto Vakinankaratra.

✨ Rehefa tsy mandoto dia efa manadio.

Andao samy hanana toe-tsaina tia fahadiovana sy hiaro ny tontolo iainantsika isika ☺️

Fihetsika tsotra ataon’ny tsirairay isan’andro anie dia efa mitondra fiovàna lehibe eh 😁

Famaranana ny fiofanana fanamboarana fatana mandeha amin’ny akofam-bary 🌾Nifantoka betsaka tamin’ny lafiny pratika ity f...
19/06/2026

Famaranana ny fiofanana fanamboarana fatana mandeha amin’ny akofam-bary 🌾

Nifantoka betsaka tamin’ny lafiny pratika ity fiofanana ity, mba hahafahan’ireo mpiofana mampihatra sy mizara ny fahalalana azony rehefa miverina any amin’ny faritra misy azy avy.

Indro sary vitsivitsy manamarika ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana. 📷

Address

IVORY
Antsirabe
109

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261340205398

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cffamma posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Cffamma:

Shortcuts

Share