SANTE Vakinankaratra

SANTE Vakinankaratra DRSP sous contrat FBP ou Fonds Basés sur la Performance se situant à Andranomafana, Antsirabe

📢 Fampahafantarana antsika ny antsipirian'ny hetsika fanaovana vaksiny zaza 0-59 volana sy fizarana VIT A ho azy ireo iz...
26/09/2026

📢 Fampahafantarana antsika ny antsipirian'ny hetsika fanaovana vaksiny zaza 0-59 volana sy fizarana VIT A ho azy ireo izay hisy manerana ny faritra Vakinankaratra ny 5 hatramin'ny 09 oktobra 2026, ny fandaharana mivantana amin'ny ao amin’ny radio VFM FM 105.0.

📅 𝙏𝙖𝙡𝙖𝙩𝙖 𝟮𝟵 𝙨𝙚𝙥𝙩𝙖𝙢𝙗𝙧𝙖 𝟮𝟬𝟮𝟲
⏰ 𝘼𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝟭𝟰𝙝𝟯𝟬
📻 𝘼𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙈 𝟭𝟬𝟱.𝟬

❓🗣️ Manana fanontaniana ve ianao ?
Afaka mandefa izany : 📩 Amin’ny MP
💬 Na eo amin’ny commentaire
📱 Na amin’ireto laharana ireto :
☎️ 034 76 105 00
☎️ 033 03 105 00

🤝 Lazao ny namana
🔄 Partageo ny publication
✨ Mety hahasoa olona maro ny fampahafantarana izany
🤝 MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA
🇲🇬 MANASITRANA FIRENENA

Mbola nitohy ny fiofanan'ireo AC Antsirabe I anatin'ny tetikasa Mastercard tohanan’ny UNICEF Mankasitraka amin’ny fahazo...
25/09/2026

Mbola nitohy ny fiofanan'ireo AC Antsirabe I anatin'ny tetikasa Mastercard tohanan’ny UNICEF
Mankasitraka amin’ny fahazotoan'izy ireo sy ny fandavan-tenan'ireo mpampiofana na dia andro tsy fiasana aza tamin’ny anio.

👩‍⚕️👨‍⚕️ 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 : 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗔𝗴𝗲𝗻𝘁 𝗖𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗮𝘂𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲 (𝗔𝗖) 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘁𝗶𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮📅 𝟐𝟒 – 𝟐𝟕 ...
24/09/2026

👩‍⚕️👨‍⚕️ 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 : 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗔𝗴𝗲𝗻𝘁 𝗖𝗼𝗺𝗺𝘂𝗻𝗮𝘂𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲 (𝗔𝗖) 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘁𝗶𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮

📅 𝟐𝟒 – 𝟐𝟕 𝑺𝒆𝒑𝒕𝒂𝒎𝒃𝒓𝒂 𝟐𝟎𝟐𝟔
📍 𝑨𝒏𝒕𝒔𝒊𝒓𝒂𝒃𝒆

🎯 Tanjona lehiben’ny Fitondram-panjakana ny hahatonga ny fikarakarana ny fahasalamana hipaka hatrany eny ifotony, mba hahafahan’ny rehetra misitraka tolotra ara-pahasalamana akaiky sy sahaza azy.

👥 Anisan’ny mpandray anjara fototra amin’izany ireo Mpanentana ara-pahasalamana (Agent Communautaire – AC), izay manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina.

📚 Mba hahafahan’izy ireo manatanteraka tsara ny andraikiny dia zava-dehibe ny fanofanana sy ny fanomezana fitaovana ilaina amin’ny asa.

📖 FANOFANANA + 🧰 FITAOVANA = TOLOTRA TSARA KOKOA

Izany indrindra no anton’ity fanofanana izay tanterahina ao anatin’ny Tetikasa Mastercard, miaraka amin’ny SDSP Antsirabe I, izay vatsian’ny UNICEF.

🎒 Nandritra izany ihany koa dia nomena ireo AC ny :
🔹 Kitapo misy fitaovana enti-miasa ;
🔹 Finday hanamorana ny fanaovana tatitra.

✨ Ity no andiany voalohany izay hanofanana AC miisa 157, ary mbola hisy ny andiany faharoa. Hitohy ihany koa ny hetsika ka mbola ho avy any amin’ireo distrika hafa eto Vakinankaratra.

🙏 Ankasitrahana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ezaka sy ny fanohanana amin’ny fanatsarana hatrany ny fahasalamana eny ifotony.

🤝 Isaorana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana ara-bola ary ara-teknika, indrindra ny UNICEF, noho ny fandraisana anjara amin’ny fanamafisana ny asan’ireo mpisehatra eny ifotony.

📢 Ho antsika vahoaka, andao hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana eny amin’ny Toby AC satria maro ireo fihetsika sy torohevitra tsotra ampianarina eny amin’ireo Toby AC, kanefa afaka mitondra tombontsoa lehibe ho an’ny fahasalamana.

𝑵𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒌𝒂 𝒆𝒏𝒚 𝒊𝒇𝒐𝒕𝒐𝒏𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑨𝑪 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒓𝒂-𝒅𝒊𝒂 𝒂𝒌𝒂𝒊𝒌𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂.

🤝 MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA
🇲🇬 MANASITRANA FIRENENA

📸 COMM DRSP VAKINANKARATRA
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Sdsp Antsirabe

23/09/2026

Ato ary ny vaovao avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

Ny andro faharoa dia mbola nahitam-pahombiazana hatrany ny hetsika ho an’ny fahasalaman'ny maso
23/09/2026

Ny andro faharoa dia mbola nahitam-pahombiazana hatrany ny hetsika ho an’ny fahasalaman'ny maso

Hisitraka feno ireo fanaovam-baksiny sy vitamine A ny zanantsika eto Vakinankaratra
22/09/2026

Hisitraka feno ireo fanaovam-baksiny sy vitamine A ny zanantsika eto Vakinankaratra

👁️ 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝟰𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗠𝗜𝗛𝗢𝗔𝗧𝗥𝗔 : 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗙𝗔𝗠𝗔𝗞𝗜𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗠𝗔𝗜𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔📅 𝟐𝟏 𝑺𝒆𝒑𝒕𝒂𝒎𝒃𝒓𝒂 ...
22/09/2026

👁️ 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝟰𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗠𝗜𝗛𝗢𝗔𝗧𝗥𝗔 : 𝗙𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗙𝗔𝗠𝗔𝗞𝗜𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗠𝗔𝗜𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔

📅 𝟐𝟏 𝑺𝒆𝒑𝒕𝒂𝒎𝒃𝒓𝒂 𝟐𝟎𝟐𝟔
📍 𝑪𝑯𝑹𝑫 𝑨𝒏𝒕𝒂𝒏𝒊𝒇𝒐𝒕𝒔𝒚

✨ Tontosa ny hetsika lehibe ho an’ny fahasalaman’ny maso, nokarakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny DRSP Vakinankaratra, niaraka tamin’ny Doctors For Madagascar (DFM), ho an’ny vahoakan’Antanifotsy.

👁️ Zava-dehibe amin’ny fiainana andavanandro ny fahitana tsara, lafo nefa ny vidin'ny solomaso ka tombontsoa lehibe ho an’ny mponina ny fisian’ny hetsika tahaka izao. Nisy koa fitiliana tosi-drà sy diabeta, izay aretina be mpahazo ireo sala-taona ireo.

🎊 Notarihin’ireo tompon’andraikitra sy olo-manankaja ny lanonana fanokafana :
🔹 Atoa Député Antanifotsy
🔹 Ramatoa Lehiben’ny Faritra
🔹 Ramatoa Chef District Antanifotsy
🔹 Ireo olo-manankaja maro
🔹 Ary indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana, notarihin’Atoa DRS Vakinankaratra. 👩‍⚕️👨‍⚕️

🙌 Afa-po ireo mpisitraka miisa 800 mahery izay nahazo tombontsoa tamin’ity hetsika ity. 👏
📍 Ary mbola mitohy ny hetsika!
➡️ Ho an’ny 22 Septambra 2026, dia ao amin’ny CSB 2 Ambohimandroso indray no hanatanterahana izany.

🙏 Fisaorana manokana no atolotra ireo rehetra nifarimbona tamin’ny fanatontosana ity hetsika ity, na ireo avy amin’ny Fitondram-panjakana, na ireo mpanohana DFM, noho ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka. 🤝💙
👁️ 𝑺𝒂𝒕𝒓𝒊𝒂 𝒎𝒆𝒏𝒅𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒔𝒊𝒓𝒂𝒊𝒓𝒂𝒚.

🤝 MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA
🇲🇬 MANASITRANA FIRENENA
📸 COMM SDSP ANTANIFOTSY
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SDSP Antanifotsy
Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar
RestoringVision

Ny ady amin’ny haromotana dia ifandrombonan'ny ONE HEALTH na hoe fahasalamana tokana satria aretina amin’ny biby mankami...
19/09/2026

Ny ady amin’ny haromotana dia ifandrombonan'ny ONE HEALTH na hoe fahasalamana tokana satria aretina amin’ny biby mankamin'ny olona. Izay tena ilaina fitandremana be satria mahafaty raha sanatria voa. Amboary ary ny fotoana fa ireo ambany ireo ny hetsika ho atao anatin'ny ady amin’ny haromotana.

FANOMANANA NY FANKALAZANA REGIONALY NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HIADIANA AMIN’NY ARETINA HAROMONTANA

Antsirabe, faha – 15 Septambra 2026

Ao anatin'ny fanomanana ny fankalazana ny Andro maneran-tany hiadiana amin'ny haromotana isika. Aretina izay fahita sy ahitana tranga eto Antsirabe. Nisy ny
Fivoriana notarihan'ny Talem-paritry ny Fiompiana Vakinankaratra, niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa ao amin’ny DIREL, ary ireo dokotera mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana Tokana (One Health).

🎯 Nifantoka tamin'ny tamin’ny fandrindrana sy fanomanana ireo hetsika samihafa hotanterahina mandritra ny fankalazana, izay kasaina hatao ny 09 Oktobra 2026, ao amin’ny Gara ANTSIRABE, ny dinika.

🐕🐈 Anisan’ireo hetsika kasaina hotanterahina :
💉 Vaksiny faobe maimaim-poana ho an’ny alika sy saka;
📢 Fanentanana sy fampahafantarana ny mponina momba ny aretina Haromontana, ny fomba fifindrany ary ny fisorohana azy;
🏥 Fanazavana ireo fepetra tokony ho raisina raha voarangotra na voakaikitry ny alika na saka;
📻 Radio crochet sy hetsika fanentanana ho an’ny besinimaro;
🤝 Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ho an’ny olona, ny biby ary ny tontolo iainana.

🟢 LOHAHEVITRA
« MIARA-MIENTANA, MATANJAKA KOKOA AMIN’NY ADY AMIN’NY HAROMONTANA »

Ny hetsika dia mikendry ny hanatsarana ny fahasalaman’ny biby, hisorohana ny fihanaky ny Haromontana, ary hiarovana ny fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra, Paikady lehibe tanterahina ao anatin'ny Politika ankapobeny Fanjakanan'ny Fanavaozana.

🤝 Miara-mientana isika, satria adidy iombonana ny fiarovana ny olona sy ny biby amin’ny Haromontana.
FITOMBOANA SY FAMPANDROSOANA

« Fiompiana maoderina, fidiram-bola maharitra ho an’ny mpiompy, loharanon-karena ho an’ny Firenena. »

📢 Mbola hiverina amintsika ny service MATERNITE ao amin’ny CHRR Vakinankaratra, raha fisafoana no nataontsika tamin’ny h...
19/09/2026

📢 Mbola hiverina amintsika ny service MATERNITE ao amin’ny CHRR Vakinankaratra, raha fisafoana no nataontsika tamin’ny heriny dia hiresaka ny lafiny eo amin’ny fiterahana amin’ny hopitaly indray no horesahantsika mivantana amin'ny fandaharana ao amin’ny radio VFM 105

📅 Talata 22 septambra 2026
⏰ Amin’ny 14h30
📻 Ao amin’ny FM 105.0

❓🗣️ Manana fanontaniana ve ianao ?
Afaka mandefa izany : 📩 Amin’ny MP
💬 Na eo amin’ny commentaire
📱 Na amin’ireto laharana ireto :
☎️ 034 76 105 00
☎️ 033 03 105 00

🤝 Lazao ny namana
🔄 Partageo ny publication
✨ Mety hahasoa olona maro ny fampahafantarana izany
🤝 MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA
🇲🇬 MANASITRANA FIRENENA

♿📢 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗧𝗜𝗞𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗟𝗜𝗠𝗔📅 𝟭𝟱–𝟭𝟲 𝙎𝙚𝙥𝙩𝙖𝙢𝙗𝙧𝙖 𝟮𝟬𝟮𝟲 📍 𝘼𝙠𝙖𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙖𝙫𝙤𝙝𝙞𝙩𝙧𝙖🩺 N...
15/09/2026

♿📢 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗜𝗞𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗧𝗜𝗞𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗟𝗜𝗠𝗔

📅 𝟭𝟱–𝟭𝟲 𝙎𝙚𝙥𝙩𝙖𝙢𝙗𝙧𝙖 𝟮𝟬𝟮𝟲
📍 𝘼𝙠𝙖𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙖𝙫𝙤𝙝𝙞𝙩𝙧𝙖

🩺 Ny olona rehetra dia manan-jo hisitraka tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ny CSB.
Ao anatin’izany, ny Tetikasa ELIMA, izay miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia mitsinjo manokana ireo olona marefo sy ireo olona manana fahasembanana. 🤝
🎯 Tanjona : hanamora ny fahazoan’izy ireo tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny filàny.

👩‍⚕️👨‍⚕️ Nahazo fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hahafahan’izy ireo :
🔹 manamora ny fanentanana sy fampahafantarana,
🔹 manatsara ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana,
🔹 mamantatra ireo tranga mila fandraisana an-tanana manokana,
🔹 ary mampifandray ireo marary amin’ireo manam-pahaizana manokana (spécialistes) rehefa ilaina.

✨ Rehefa mirindra ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana an-tanana, dia mora kokoa ho an’ireo olona marefo sy manana fahasembanana ny mahazo ny fitsaboana sahaza azy.

💙 𝓕𝓪𝓱𝓪𝓼𝓪𝓵𝓪𝓶𝓪𝓷𝓪 𝓱𝓸 𝓪𝓷’𝓷𝔂 𝓻𝓮𝓱𝓮𝓽𝓻𝓪, 𝓽𝓼𝔂 𝓶𝓲𝓼𝔂 𝓯𝓪𝓷𝓪𝓿𝓪𝓱𝓪𝓷𝓪.

🤝 MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA
🇲🇬 MANASITRANA FIRENENA
📸 COMM DRSP VAKINANKARATRA
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SDSP Antsirabe I
SDSP Antsirabe 2
SDSP Betafo
CBM Global Disability Inclusion - Madagascar

Address

VAKINANKARATRA, ANTSIRABE
Antsirabe
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SANTE Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share