Malagasy Miara-Miainga - MMM

Malagasy Miara-Miainga - MMM "Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina"

Fahaiza-mitarika(Leadership), Etika sy Fahitsiana(Éthique et Intégrité),ary ny Fitantanan-draharaham-panjakana( Initiati...
26/09/2026

Fahaiza-mitarika(Leadership), Etika sy Fahitsiana(Éthique et Intégrité),ary ny Fitantanan-draharaham-panjakana( Initiation à l'Administration Publique).Ireo no seha-piofanana telo lehibe nodinihin’ireo tanora ao amin’ny Akademia Malagasy Miara-Miainga androany.

Fahalalana fototra tena ilaina ho an’ireo tanora mikasa ny hirotsaka sy handray andraikitra ara piaraha-monina sy ara-politika eto amin'ny firenena rahatrizay.

Mpampiofana manana traikefa sy efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena, ary mpikambana ao amin’ny Birao Politikan’ny Antoko, no nizara ny traikefany sy ny fahalalany tamin’ireo tanora ireo.

Hitohy rahampitso ny fiofanana ka ny resaka fandraharahana (Entreprenariat) sy ny fandraisam-pitenena imasom-bahoaka(Art oratoire) no hodinihina sy hianarana.






Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Akademia Malagasy Miara-MiaingaTetikasan’ny Antoko natao hanofanana sy ha...
25/09/2026

Natsangana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Akademia Malagasy Miara-Miainga

Tetikasan’ny Antoko natao hanofanana sy hampivelarana ny fahaizan’ny tanora eo amin’ny sehatry ny politika, ny fitantanana ary ny fiainam-pirenena.

Tanora 51 avy amin’ny Faritra samihafa manerana ny Nosy no mandrafitra ny andiany voalohany, haharitra enim-bolana ny fiofanana, manomboka ny Septambra 2026 ka hatramin’ny Febroary 2027.

Hifantoka bebe kokoa amin’ny haitarika, ny fampandrosoana ifotony, ny fitantanana tetikasa, ary indrindra ny raharaham-panjakana ny fiofanana izay atao.

Nazava ny hafatry ny Filohan'ny Antoko Atoa Hajo Andrianainarivelo fa hanomana tanora manana fahalalana, fahavononana ary fahaiza-mitarika, afaka mandray andraikitra ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara ny tanjon’ity Akademia Malagasy Miara-Miainga ity.






Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

25/09/2026

25 Septambra 2025 – 25 Septambra 2026

Tsaroantsika androany ny tolona nataon’ny Tanora sy ny Malagasy ho an’ny fanavaozana ny Firenena.

Teny an-kianja, saika manerana ny Faritra maromaro teto Madagasikara, dia anisan’ireo nitarika izany tolona izany ny Antoko MMM.

Tsy misy afaka manova na mamafa izany tantara izany satria nandray ny andraikiny ny Antoko ary sahy nijoro niaraka tamin’ny vahoaka niady ho an’ny Taninjanaka.

Manohana ny Fitondrana Fanavaozana tarihin’ny PRRM Mickaël Randrianirina ny MMM, ary vonona hanohy ny ezaka ho an’ny fanovana satria mbola maro ireo fanamby miandry antsika,hamaliana ireo fitakian'ny tanora sy ny olom-pirenena teny an-kianja.

"Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina"

Rohy::https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Tontosa teto Manakara, Faritra Fitovinany, ny fikaonandohan’ny Antoko MMM, niarahan’tamin'ireo solontena avy amin’ny Dis...
11/09/2026

Tontosa teto Manakara, Faritra Fitovinany, ny fikaonandohan’ny Antoko MMM, niarahan’tamin'ireo solontena avy amin’ny Distrikan'i Manakara, Vohipeno ary Ikongo.

Fakan-kevitra tety ifotony hanangonana ny hevitry ny mpikambana sy ny soso-kevitra hoentina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena sy hanatsarana ny vinan'ny Antoko.

Notsindrian’ny Filohan’ny Antoko MMM, Atoa Hajo Andrianainarivelo, ny maha-zava-dehibe ny faritra mahazaka tena sy ny fametrahana rafi-pifidianana sy lalam-pifidianana madio, hiantohana ny safidim-bahoaka marina.

Tsy nohadinoiny ihany koa ny nisaotra ireo hery velona sy manam-pahefana isan-tsokajiny izay tonga namaly ny antson’ny Antoko androany.






Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Mafy sy matanjaka ny Antoko MMM eto Alaotra Mangoro. Voaporofo izany nandritra ny fikaonandoham-paritry ny Antoko, izay ...
05/09/2026

Mafy sy matanjaka ny Antoko MMM eto Alaotra Mangoro. Voaporofo izany nandritra ny fikaonandoham-paritry ny Antoko, izay natao teto Ambatondrazaka androany.

Nafana ny adihevitra momba ny fanatsarana ny fitantanana ny firenena, ny fanjakana tan-dalàna, ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny mangarahara, ary indrindra ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanohanana ny tantsaha.

Nohamafisin’ny MMM ihany koa ireo tolo-kevitra efa natolotry ny Antoko momba ny fanavaozana ny rafim-pifidianana, na teo anatrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, na ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, na ny CENI.

Anisan’izany ny:

- Fahafahan’ny ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany(Diaspora) mifidy;

- Fanasaziana ireo manao na mampanao hosoka amin’ny fifidianana;

- Fanamafisana fa Malagasy mizaka ny zom-pirenena Malagasy tokana ihany no afaka milatsaka ho fidina ho Filohan’ny Repoblika.

Tsy mijanona amin’ny fanakianana ny MMM, fa mitondra vahaolana sy tolo-kevitra mivaingana ho an’ny fanavaozana ny firenena.

Ireo antontan-kevitra sy tolo-kevitra natolotry ny MMM rehetra ireo dia azo jerena ao amin’ny tranokalan’ny Antoko.






Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Tonga namaly ny antson’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Antoko Malagasy Miara-Miainga androany,...
03/09/2026

Tonga namaly ny antson’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Antoko Malagasy Miara-Miainga androany, ary nisaotra azy tamin’ny fanasana handray anjara tamin'ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto amintsika.

Fotoana ihany koa nanoloran’ny Antoko tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Fitondrana fanavaozana,ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena,ary ny CENI,ny antotan-kevitry ny MMM izay efa voadinika hatry ny ela, momba ny fanatsarana ny lalam-pifidianana,ny rafim-pifidianana,ary indrindra ny soso-kevitra momba ny sata mifehy ny CENI (Avant proposition de loi organique fixant le nouveau régime général des élections et les référendums / Avant Projet de loi relatif au statut de la CENI).

Ny tanjona dia ny hananana fifidianana mangarahara, azo itokisana,eken'ny rehetra,ary mifanaraka amin’ny fanjakana tan-dalàna mba hizoran’i Madagasikara amin’ny fenitra demokratika marina.

Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

FANAMBARANA 004/MMM/2026 Fandraisan’anjaran’ny Antoko MMM tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifid...
03/09/2026

FANAMBARANA
004/MMM/2026

Fandraisan’anjaran’ny Antoko MMM tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana:

Namaly ny antson’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) androany 03 Septambra 2026, ka nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara.

Ho an’ny MMM, dingana lehibe tokony hitarika amin’ny fanavaozana tena izy ny fifampidinihana momba ny rafim-pifidianana. Tsy tokony hifarana amin’ny fanitsiana ara-teknika fotsiny izany, fa tokony hiteraka fanovana ahafahana manatsara ny rafitra, mampitombo ny fahatokisan’ny olom-pirenena.

Tao anatin’izany, natolotry ny MMM tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Fitondrana Fanavaozana, ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ary ny CENI, ireo antontan-kevitra sy soso-kevitra efa nodinihin’ny Antoko nandritra ny fotoana ela momba ny fanatsarana ny rafi-pifidianana eto Madagasikara.

Anisany natolotra tamin’izany ny :

 Avant-proposition de loi organique relative au régime général des élections et des référendums;
 Avant Projet de loi relatif au statut de la CENI.

Ny tanjona dia ny hahazoana fifidianana mangarahara, azo itokisana, ara-drariny ary eken’ny rehetra, ao anatin’ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna sy ny soatoavina demokratika, mba hahafahan’ny olom-pirenena maneho malalaka ny safidiny ary hahazoan’ny fifidianana indray ny lanjany maha-fototry ny fahefana demokratika azy.

Antananarivo, faha 03 Septambra 2026

---------------------------------

COMMUNIQUÉ
004/MMM/2026

Participation du Parti MMM à la consultation sur la gouvernance électorale:

Le Parti Malagasy Miara-Miainga (MMM) a répondu aujourd’hui à l’appel du Président de la Refondation de la République de Madagascar et a pris part à la consultation consacrée à la gouvernance du processus électoral à Madagascar.

Pour le MMM, cette concertation sur le système électoral constitue une étape importante qui doit ouvrir la voie à une véritable réforme. Elle ne doit pas se limiter à de simples ajustements techniques, mais doit aboutir à des changements permettant d’améliorer le système électoral, de renforcer la confiance des citoyens et de consolider la crédibilité des élections.

Dans ce cadre, le MMM a officiellement remis au Gouvernement de la Refondation, aux partenaires internationaux ainsi qu’à la CENI, les documents et propositions élaborés par le Parti au terme d’une réflexion approfondie sur l’amélioration du système électoral malgache.

Parmi les documents présentés figurent notamment :

 l’Avant-proposition de loi organique relative au régime général des élections et des référendums ;

 Avant Projet de loi relatif au statut de la CENI.

À travers ces propositions, le MMM entend contribuer à la mise en place d’élections transparentes, crédibles, équitables et acceptées par tous, dans le respect de l’État de droit et des valeurs démocratiques.

L’objectif est de permettre aux citoyens d’exprimer librement leur choix et de redonner à l’élection toute sa portée en tant que fondement de la légitimité du pouvoir démocratique.

Antananarivo, le 03 septembre 2026

Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Taorinan’i Toamasina dia hitohy any Fianarantsoa sy Antsirabe I-II ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirar...
30/08/2026

Taorinan’i Toamasina dia hitohy any Fianarantsoa sy Antsirabe I-II ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary karakarain’ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM).

Hetsika efa roa ambin'ny folo taona izao, natao hanampiana ny ray aman-dreny sy hanamaivanana ny fandaniana amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Fandraisana anjara biriky ihany koa amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fampianarana.

Koa manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka ho avy amin'ireo daty sy toerana voatondro etsy ambany, fa natao ho antsika rehetra ity hetsika ity.

"Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina"

Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg

20/08/2026

Fanehoan-kevitry ny Birao Politikan’ny Antoko MMM mahakasika ireo raharaham-pitsarana goavana nahavoasaringotra ny mpitondra teo aloha, izay mbola tsy nahenoana tatitra hatreto.

Ary manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hampanjaka ny mangarahara ary hanenjika araka ny lalàna ireo izay rehetra voarohirohy na iza na iza, mba tsy hisian'ny tsy maty manota!

Rohy:https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Na inona na inona Zavatra nandalo sy niseho teo amin'ny fiaraha-monina indrindra teto amin'ny firenena dia teo foana ny ...
13/08/2026

Na inona na inona Zavatra nandalo sy niseho teo amin'ny fiaraha-monina indrindra teto amin'ny firenena dia teo foana ny Antoko MMM,nifanome tanana tamin'ny mpiara-belona

Efa ho 12 taona izao no nanaovan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM) ity hetsika fifanampiana ity. Ary toy ny isan-taona, hanomboka rahampitso eny Ambohitrimanjaka ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ho fanalana sahirana ireo ray aman-dreny amin'izao izao ankatoky ny fidiran'ny mpianatra izao

Mila maharitra raha te hahomby. Isika tsy niova, fa niasa, miasa ary mbola hiasa hatrany ho an’ny fanasoavana ny Taninjanaka, indrindra amin’ny fampivoarana ny fanabeazana,izay anisan’ny foto-kevitra ijoroantsika.

Rohy: https://www.malagasy-miara-miainga.mg/

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy Miara-Miainga - MMM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Malagasy Miara-Miainga - MMM:

Shortcuts

Share