02/04/2026
Filoha Nasionaly Antoko Tiako i Madagasikara - TIM : Ravalomanana Marc : Niantso ny mpanara-dia azy tsy hamaly ny filazana any ambadika fa mandrehitra afo.
🔘Tsy hiady amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny tenany fa hanoro azy; hanaraka izy tsara, tsy manaraka izy afaka adidy amin'ny fatana, hoy ny filoha Marc Ravalomanana.
🔘Nambarany ihany koa fa tsy resaka toerana ny olana satria efa tsy nisy toerana nandritra ny 16 taona antoko TIM nefa tsy nisy olana.
🔘Tsy fanoherana fanavaozana no ataony fa te hamaly ny hetahetan'ny vahoaka manontany ny fitantanana raharaham-pirenena.
🔘Nambarany koa fa ny mpitondra tsy tokony hanao fifanarahana maharitra mety hamatotra « contrat à long terme, mi engager Etat contrat lavitr'ezaka » , mamatotra ny firenena.
🔘Hanamaritoerana ny fitondrana, tsara ny mifampiresaka, fa tsy fifampitokisana mihatsara ivelan-tsihy, hoy Marc Ravalomanana, tamin'ireo mpanaradia azy.
🔘Nohamafisin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa vanimpotoana miavaka, ivelan'ny Lalampanorenana no misy ny firenena amin'izao hatramin'ny volana oktobra 2025. Mampiasa lalana « régulateur », vahaolana ivelan'ny Lalampanorenana, satria anaty fotoana ivelan'ny Lalampanorenana isika izao.
🔘Niantso ny mpanara-dia azy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana,hanara-maraso ny fanatanterahina ny tetiandro. Nambarany fa tokony nifanarahana ny famolavolana azy , fa saingy natao « unilatéral » ka manara-maso sisa no ataon'ny ny antoko TIM.
➡️Bel'air 31 martsa 2026.