22/07/2026
📸 Orientation sur le Contact Tracing mpox
👉 Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka
👉 Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga
Notanterahina tao amin’ny Notre Dame de Cénacle Soavimbahoaka ny atrikasa Orientation Contact Tracing mpox, natokana ho an’ireo EIR District sy ireo Agents Communautaires (AC) avy amin’ireo CSB eto amin’ny Grand Tanà .
Ny atrikasa dia notarihin’Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga, niaraka tamin’ireo EIR Analamanga, mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny fanaraha-maso sy ny fitiliana ireo olona nifandray tamin’ny tranga mpox.
Taorian’ny fiofanana dia nanomboka avy hatrany ny asa eny ifotony ireo AC, izy ireo izay hanatanteraka izany mandritra ny 21 andro.
✅ Contact tracing (fanaraha-maso ireo olona nifandray tamin’ny tranga)
âś… Fanentanana momba ny aretina mpox
âś… Fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny vaksiny sy ireo fepetra fisorohana.
🙏 Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra ny STRIDES noho ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity.