21/05/2026
𝗙𝗜𝗧𝗢𝗞𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗢𝗜𝗩𝗢𝗛𝗢𝗠-𝗣𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗘𝗗𝗕𝗠 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗥𝗔 : 𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔𝗠-𝗕𝗢𝗟𝗔
[MG - FR]
Manakara, 20 Mey 2026.
🎯Ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonany dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny masoivohony eto Manakara, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Ity fanokafana ity dingana lehibe amin’ny fanakaikezana ny tolotra omen'ny EDBM ho an’ireo mpampiasa vola sy ireo mpandraharaha ara-toekarena eo anivon'ny faritra, indrindra eto amin’ny Faritra FITOVINAGNY.
🎯Ny lanonana ny notanterahina niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana eo an-toerana sy manerana ny nosy, ka isan’izany ny Lehiben’ny Faritra FITOVINAGNY, Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunelle, ny Solombavambahoaka voafidy tao Manakara, Ramatoa ANDRIANASOLO Nadine, ny Prefen’i Manakara, Andriamatoa LUC Mohamed Noro, ary Ramatoa DISAINE Lala, izay solontenan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina, nisy ihany koa ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpisehatra ara-toekarena ao amin’ny faritra.
🎯Nandritra ny lahateniny dia nanasongadina ny finiavan’ny Fanjakana hanakaiky kokoa ny tolotra ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena ny Solombavambahoaka voafidy tao Manakara, ary koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny sehatra miankina sy tsy miankina mba hamoronana asa bebe kokoa ho an’ny tanora. Etsy ankilany, ny Tale Jeneralin’ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina dia nanamafy fa ny “dialogue public-privé” dia isan’ireo antoky ny fampandrosoana eny ifotony. Namarana ny lanonana kosa ny Lehiben’ny Faritra FITOVINAGNY tamin’ny fampahatsiahivana ireo hery ara-toekarena ananan’ny faritra sy ny filàna fanamafisana ny fitaovana sy ny fiaraha-miasa mba hanafainganana ny fampandrosoana.
🎯Amin’ny alalan’izao fametrahana masoivohom-paritra izao dia manamafy ny fisiany eny ifotony mba hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eo anivon’ny faritra ny EDBM. Nasongadin’ny chef d’antenne EDBM Manakara, Ramatoa Larissa BAOARINEVA, tamin’izany koa ny “plateforme en ligne” famoronana orinasa “ORINASA”, izay efa niasa teto Manakara nanomboka ny volana Jolay 2025.
🎯Marihina fa ny fanoratana anarana na “immatriculation” -ny orinasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny masoivoho EDBM eo an-toerana, ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany, ny INSTAT ary ny Fitaleavam-paritry ny hetra. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny EDBM ao amin’ny faritra ihany koa ny fametrahana Dinika eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra Tsy Miankina (DPP) eny ifotony.
🎯Ny Faritra FITOVINAGNY dia manana hery ara-toekarena lehibe, indrindra amin’ireo sehatry ny fambolena sy fanondranana voakatra toy ny kafe, jirofo, letisia ary voankazo tropikaly isan-karazany, izay andry lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena isam-paritra. Manampy izany ihany koa ny harena an-dranomasina sy ny fizahantany.
🎯 Ny fanokafana ity masoivohom-paritry ny EDBM ity dia tontosa noho ny fanohanan’ny Banque mondiale tamin’ny alalan’ny Tetikasa PIC3.
------------------------------------
OUVERTURE DE L’ANTENNE EDBM A MANAKARA : DES SERVICES DE PROXIMITE POUR LE DEVELOPPEMENT DES INVESTISSEMENTS PRIVES
Manakara, 20 mai 2026.
🎯A l’occasion de la célébration de son 20e anniversaire, l’Economic Development Board of Madagascar (EDBM) a officiellement inauguré son antenne régionale à Manakara, marquant une nouvelle étape dans le rapprochement de ses services avec les investisseurs et opérateurs économiques en région, notamment dans la région FITOVINAGNY.
🎯La cérémonie s’est tenue en présence des autorités locales et nationales, notamment du Chef de Région FITOVINAGNY, M. RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunelle, du Député élu à Manakara, Mme ANDRIANASOLO Nadine, du Préfet de Manakara, M. LUC Mohamed Noro, ainsi que de Mme DISAINE Lala, représentant le Ministre de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé, aux côtés des représentants du secteur privé et des acteurs économiques de la région.
🎯Dans son allocution, le Député élu de Manakara a souligné la volonté de l’État de rapprocher les services des opérateurs économiques à travers l’ouverture de cette antenne, ainsi que l’importance de la collaboration entre les secteurs public et privé pour offrir davantage d’opportunités à la jeunesse. De son côté, le Directeur Général du Développement du Secteur Privé a mis en avant le dialogue public-privé comme un levier de développement essentiel au niveau régional. Le Chef de Région FITOVINAGNY, a cloturé la cérémonie en rappelant les importantes potentialités économiques de la région et la nécessité de renforcer les moyens et les partenariats afin d’accélérer son développement.
🎯À travers cette implantation, l’Agence nationale de promotion des investissements renforce sa présence territoriale afin d’améliorer le climat des affaires dans la région et de faciliter l’accompagnement des investisseurs, entrepreneurs et porteurs de projets locaux. A cet effet, la plateforme de création d’entreprises en ligne « ORINASA », déjà opérationnelle à Manakara depuis juillet 2025, a également été présentée par la cheffe d’antenne sur place, Madame Larissa BAOARINEVA.
🎯Il est à souligner que cette déconcentration effective des services d’immatriculation des sociétés repose sur la collaboration entre l’antenne EDBM, le Tribunal de Première Instance, l’ Instat Madagascar et la Direction interrégionale des impôts. Les perspectives de mise en place d’un Dialogue Public-Privé (DPP) régional figurent également parmi les priorités de l’EDBM dans la région.
🎯La Région FITOVINAGNY dispose d’importants atouts économiques, notamment dans les filières agricoles d’exportation telles que le café, le girofle, le litchi et divers fruits tropicaux, qui constituent des leviers majeurs de développement économique régional. Le potentiel halieutique ainsi que les opportunités offertes par le tourisme viennent également renforcer l’attractivité de la région.
🎯L’ouverture de cette antenne régionale de l’EDBM a été rendue possible grâce au soutien de la Banque mondiale Madagascar à travers le Projet Pôles Intégrés de Croissance - PIC
Faritra Fitovinagny Ofisialy
Ministère de l'Industrialisation et du Développement du Secteur Privé
Direction Générale des Impôts Madagascar
Ministère de la Justice de Madagascar