Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana

Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Page officielle du Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar

🇲🇬 𝟎𝟑 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔: 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 🔹Notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ny...
03/08/2026

🇲🇬 𝟎𝟑 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔: 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀

🔹Notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ny fananganan-tsaina, notarihin-dRamatoa Minisitra 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖.

🔹Nandritra izany dia nanentana ny rehetra ho amin’ny fahavitrihana sy firaisan-kina Ramatoa Minisitra, ary nanasongadina ny vokatry ny fihaonana iraisam-pirenena tany Ejipta sy Tchad.

🔹Nankasitrahany ihany koa ireo nandray anjara tamin’ny « Fokontany Madio », sady nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiomanana amin’ireo fanamby ho avy, indrindra ny haintany sy ny fitantanana ny fako.

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐀𝐓𝐎𝐕𝐀𝐕𝐘 : 𝐀𝐍𝐎𝐒𝐈𝐌𝐏𝐀𝐑𝐈𝐇𝐘 𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎, 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀🔹Dingana i...
01/08/2026

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐕𝐀𝐓𝐎𝐕𝐀𝐕𝐘 : 𝐀𝐍𝐎𝐒𝐈𝐌𝐏𝐀𝐑𝐈𝐇𝐘 𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎, 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀

🔹Dingana iray hafa no vita amin’ny fanatsarana ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio. Notanterahina ny 30 jolay 2026 lasa teo ny fandraisana ny 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐭𝐫𝐨 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐨 (𝐀𝐄𝐏) tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anosimparihy, Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy. Fanovana lehibe ho an’ny mponina izany, izay niankina tamin’ny ranon’ny reniranon’i Namorona nandritra ny taona maro. Ankehitriny, manana fotodrafitrasa maharitra izy ireo, ka hahafahany misitraka rano fisotro madio azo antoka sy ara-pahasalamana.

🔹Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny EPP Iaborano, izay nahazo 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 ahitana toeram-pivoahana misaraka ho an’ny zazavavy sy zazalahy ary ho an’ny olona manana fahasembanana, miaraka amin’ny toeram-pidiovana sy fanasana tanana. Tambazotra fantsona mirefy 9 km sy paompin-drano iombonana 54 no napetraka, ka manamafy ny fahazoana rano fisotro madio sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐙𝐀𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐂𝐑𝐒 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐲 𝐖𝐚𝐭𝐞𝐫, dia afaka misitraka rano fisotro madio manakaiky ny toeram-ponenany ny mponina manodidina ny 𝟏 𝟔𝟎𝟖 ao amin’ny Fokontany Anosimparihy, Bac Namorona ary Maromanitra. Napetraka ihany koa ny rafitra hitantanana sy hikojakojana ireo fotodrafitrasa, mba hiantohana ny faharetany sy ny fitohizan’ny tolotra ho an’ny mponina

01/08/2026

Fitsidihana ny New Delta tany Ejipta

𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐄𝐉𝐈𝐏𝐓𝐀 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀🔹Ao anatin’ny fanohizana ny fampiharana ny Memor...
30/07/2026

𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐄𝐉𝐈𝐏𝐓𝐀 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀

🔹Ao anatin’ny fanohizana ny fampiharana ny Memorandum of Understanding (MoU) nosoniavin’i Madagasikara sy i Ejipta, dia nivory tao amin’ny Centre national de recherche sur les ressources en eau na ny Foibem-pikarohana Nasionaly momban’ny loharanon-drano ny delegasiona avy amin’ny firenena roa tonta mba handrafitra ny dingana fanatanterahana ireo laharam-pahamehana efa nifanarahana.

🔹Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina sy injeniera, ny fampandrosoana ireo fotodrafitrasa momba ny rano, ny fifampizarana traikefa sy teknolojia ary ny fampandrosoana ny ivon-toeram-pikarohana momba ny rano sy ny fanondrahana eto Madagasikara ny dinika.

🔹Nifanaraka ihany koa ny roa tonta hamolavola drafitrasa iarahana manatanteraka mandritra ny dimy taona, miaraka amin’ny rafitra fanaraha-maso tsy tapaka. Hanomana ny sarintanin’ireo faritra mbola sahirana amin’ny fahazoana rano i Madagasikara, ary handefa ny volavolan-drafitrasa sy ny fandaharan’asa fanofanana kosa i Ejipta.

🔹Manamarika dingana vaovao ity fihaonana ity hoy ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, satria mifindra avy amin’ny fifanarahana mankany amin’ny fanatanterahana mivaingana ny fiaraha-miasa, ho fanatsarana ny fitantanana ny loharanon-drano sy ny fanamafisana ny fahazoan’ny vahoaka rano fisotro madio.

𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗦𝗬 𝗘𝗝𝗜𝗣𝗧𝗔 : 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗟𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗘𝗞𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗡𝗢🔹Ao anatin’ny fanatant...
30/07/2026

𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗦𝗬 𝗘𝗝𝗜𝗣𝗧𝗔 : 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗟𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗘𝗞𝗡𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗔𝗡𝗢

🔹Ao anatin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Ejipta eo amin’ny sehatry ny rano, dia nanao fitsidihana ara-teknika sy fihaonam-pifanakalozana tao amin’ny tetikasa New Delta any Ejipta ny delegasiona malagasy notarihin-dRamatoa 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.

🔹Nifantoka tamin’ny fifampizarana traikefa sy fomba fanao mahomby momba ny fitantanana maharitra ny loharanon-drano ny fihaonana, indrindra eo amin’ny fakàna, fitaterana, fanodinana ary fampiasana ny rano ho an’ny fanondrahana velaran-tany midadasika. Nandritra izany ihany koa dia nijery mivantana ireo fotodrafitrasa sy teknolojia ampiasain’ny tetikasa New Delta ny delegasiona malagasy, ary nifampizara ireo vahaolana ara-teknika entina manatsara ny fitantanana ny rano.

🔹Nampahafantarin’ny delegasiona malagasy ireo fanamby sy laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny rano eto Madagasikara, ka nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-teknika, ny fanofanana ary ny fampivelarana ny fahaiza-manao.

🔹Nohamafisin’ny roa tonta ihany koa ny fahavononana hanatanteraka ireo laharam-pahamehana voafaritra ao anatin’ny Memorandum of Understanding (MoU) nosoniavin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny Harena An-drano sy ny Fanondrahana ao amin’ny Repoblika Arabo Ejipta, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-teknika, fanofanana ary fampandrosoana tetikasa iombonana. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fitantanana maharitra ny loharanon-drano sy hanatsarana ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana eto Madagasikara.

𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐄𝐆𝐘𝐏𝐓𝐀 🔹Taorian’ny fanaovan-tsonia ny Memorandum of Understanding (MoU) teo ami...
29/07/2026

𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐄𝐆𝐘𝐏𝐓𝐀

🔹Taorian’ny fanaovan-tsonia ny Memorandum of Understanding (MoU) teo amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH) sy ny Ministeran’ny Loharanon-drano sy ny Fanondrahana ao amin’ny Repoblika Arabo Ejipta, dia miroso amin’ny dingana fanatanterahana ny fiaraha-miasa ny roa tonta.

🔹Amin’izao dingana izao dia misy ny fifampidinihana ara-teknika sy ny fandrindrana ireo laharam-pahamehana, izay tarihin-dRamatoa Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, izay hiarahana manatanteraka, mba hampiharana amin’ny fomba mahomby ireo fanoloran-tena voarakitra ao anatin’ny MoU. Tafiditra ao anatin’izany ny famolavolana ny drafi-piasana iombonana izay hitari-dalana ny fiaraha-miasa mandritra ny dimy (05) taona.

🔹Ity fiaraha-miasa ity dia hifantoka indrindra amin’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ary ny fampiroboroboana ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Manamafy hatrany ny fifandraisana ara-teknika sy ara-pirahalahiana eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika Arabo Ejipta izany, sady manampy amin’ny fanatrarana ny tanjona iraisana ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka.

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐒𝐁 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎𝐑𝐈𝐀...
29/07/2026

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐎𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐒𝐁 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐎𝐕𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀 𝐆𝐄𝐙𝐀𝐍𝐈

🔹Taorian’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI, dia notanterahina ny asa fanarenana ny Toeram-pitsaboana Fototra (CSB) ao amin’ny Kaominina Fanandrahana, Faritra Atsinanana, mba hanatsarana ny tontolo ara-pahasalamana sy ny fepetra momba ny fahadiovana ao anatin’ity toeram-pitsaboana ity .

🔹Notanterahina ny 𝐭𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 𝟐𝟖 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 ny fandraisana vonjimaika ireo fotodrafitrasa vita, izay dingana lehibe amin’ny famerenana amin’ny laoniny sy fanatsarana ny fotodrafitrasa fanadiovana sy fidiovana. Anisan’izany ny trano fivoahana misy efitra enina, ny toeram-pidiovana, ny toeram-pandoroana fako ara-pitsaboana ary ny toeram-panangonana fako.

🔹Ireo asa fanarenana ireo no tanteraka nohon’ny fiaraha-miasan’ny MEAH tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Action Contre la Faim (ACF), ka nahafahana nanarina ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny rivo-doza ary nanatsara ny fandraisana an-tanana ny filan’ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fidiovana.

𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞𝐣𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐫𝐞𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐭𝐫𝐨 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫...
27/07/2026

𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐭𝐫𝐚𝐭𝐞𝐣𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐫𝐞𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐭𝐫𝐨 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨.

🔹Mitohy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny Renivohitra. Ao anatin’izany, manamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), tarihin-dRamatoa 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖.

🔹Nandritra ny fitsidihana ofisialy nataon’ireo solontenan’ny Fanjakana Koreana tao amin’ny MEAH dia nohamafisina ny fahavononan’i Korea hanohana tetikasa vaovao, hanatsarana ny kalitao sy ny faharetan’ny famatsiana rano fisotro madio eto Antananarivo.

🔹Dingana lehibe iray hanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika sy ny fananganana fotodrafitrasa maharitra ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐯𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 🔹Ho fanohanana ireo fianakaviana traboina vok...
25/07/2026

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐯𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨

🔹Ho fanohanana ireo fianakaviana traboina vokatry ny faharavan-trano nateraky ny fanatanterahana ny tetikasa PORT (SPAT)ao Toamasina, dia nandray fepetra maika ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 (𝐌𝐄𝐀𝐇), tamin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra Atsinanana, mba hiantohana ny fahazoan’izy ireo rano fisotro madio sy ny fahadiovana.

🔹Napetraka ny 𝐬𝐢𝐧𝐢𝐛𝐞𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐳𝐚𝐤𝐚 𝟓 𝐦³ tao amin’ny Lycée II, toerana fandraisana vonjimaika ireo 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝟏𝟎𝟕 𝐭𝐫𝐚𝐛𝐨𝐢𝐧𝐚, mba hahafahan’izy ireo misitraka rano fisotro madio mandritra izao vanim-potoana sarotra izao.

🔹Ankoatra ny famatsian-drano dia nanolotra fitaovana ara-pahasalamana sy ara-pidiovana ihany koa ny MEAH, ahitana 𝐬𝐚𝐯𝐨𝐧𝐲, 𝐒𝐮𝐫’𝐄𝐚𝐮, 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐡𝐢𝐫𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐠𝐞𝐥 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, ho fiarovana ny fahasalaman’ireo traboina sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

🔹Manamafy hatrany ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ny fahavononany hiara-hisalahy amin’ireo mponina marefo sy hiantoka ny fahazoana rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana ho an’ny rehetra, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra, araka ny vina tsy hisy Malagasy ho tavela an-damosina.

« 𝐌𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐌𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 ».
25/07/2026

« 𝐌𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀 𝐌𝐈𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 ».

Address

Batiment Ex-DAIEC Ambohijatovo Ambony
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana:

Shortcuts

Share