Ministeran'ny Fitsarana Malagasy

Ministeran'ny Fitsarana Malagasy Pejy ofisialin'ny Minisiteran’ny Fitsarana Malagasy
(2)

05/08/2026
04/08/2026

⭕ 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝕊𝕆𝔽𝕀𝔸 – 𝗙𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗶𝗸𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮

📹 Nitohy tao Boriziny (Port Bergé) ny fidinana ifotony ao anatin'ny hetsika "Fitsarana manakaiky sy miaro vahoaka", izay entin'ny Ministeran'ny Fitsarana hampanakaiky kokoa ny rariny amin'ny olom-pirenena sy hanamafisana ny fifampitokisana eo amin'ny Fitsarana sy ny vahoaka. ⤵️⤵️

⚖️ Politika napetraky ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, ny fampanatonana ny Fitsarana ny vahoaka, ny fihainoana mivantana ny hetahetany ary ny famaliana ireo olana sedrainy.

🎤 Naneho fahafaham-po sy fankasitrahana lehibe ireo mponina tao amin'ny Distrikan'i Port Bergé noho ity hetsika ity. Maro tamin'izy ireo no nilaza fa vao sambany no nahazo fanazavana mivantana sy mazava momba ny raharaham-pitsarana, ka nahatsapa fa tena manakaiky sy mihaino ny vahoaka ny Fitsarana.

⭕ENMG: Filazana mikasika ny fifaninana hidirana ho mpianatra ho Mpitsara.
04/08/2026

⭕ENMG: Filazana mikasika ny fifaninana hidirana ho mpianatra ho Mpitsara.

03/08/2026

🛑🎤 Lahateny nataon'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO mikasika ny Fanapahan-kevitra noraisina manoloana ny Fifaninana hidirana ho Mpianatra ho Mpitsara.

01/08/2026

🎤 𝗥𝗲𝘀𝗮-𝗱𝗿𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗠𝗽𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗮 𝗹𝗮𝗹à𝗻𝗮 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼, 𝗥𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝗮 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗡𝗜𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗮𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗡𝗮𝘃𝗮𝗹𝗼𝗻𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗴𝗮𝗹𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘃𝗼𝗻𝗼 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝘁𝗮𝘁𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝘁𝗼, 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘀𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗜𝘃𝗮𝗻𝗱𝗿𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗹𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗲𝗼.

📹 𝗔𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮𝗼 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻'𝗶𝘁𝘆 𝗵𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗶𝘁𝘆 ⤵️⤵️

🇲🇬  𝙇𝘼𝙉𝙊𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙍𝙊𝘼 𝙎𝙊𝙎𝙊𝙉𝘼: 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙠𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙖𝙣'𝘼𝙢𝙗𝙤𝙝𝙞𝙢𝙖𝙝𝙞𝙩𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝘼𝙢𝙗𝙖𝙩𝙤𝙗𝙚, 𝙖𝙧𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙩𝙞𝙠'𝙖𝙨𝙖 𝙁𝙇𝙔𝙊𝙑...
31/07/2026

🇲🇬 𝙇𝘼𝙉𝙊𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙍𝙊𝘼 𝙎𝙊𝙎𝙊𝙉𝘼: 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙠𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙖𝙣'𝘼𝙢𝙗𝙤𝙝𝙞𝙢𝙖𝙝𝙞𝙩𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝘼𝙢𝙗𝙖𝙩𝙤𝙗𝙚, 𝙖𝙧𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙢𝙗𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙩𝙞𝙠'𝙖𝙨𝙖 𝙁𝙇𝙔𝙊𝙑𝙀𝙍 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙞𝙯𝙖𝙩𝙤.

📍Notanterahina androany 31 jolay 2026 ny fitokanana ny làlana vaovao mampitohy an'Ambohimahitsy sy Ambatobe ary ny "bretelle" Ambohimahitsy, ankilany kosa dia nomarihina ny lanonana hanombohana ny tetikasa FLYOVER eo Anosizato.

🎉Ny Filohan'ny fanavaozana mivady no nitarika ny lanonana, niaraka tamin'ny Mpanolo-tsaina Avon'ny Fanavaozana mirahalahy, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ka isan'izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO.

⚙️ Nohamafisin'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tafiditra amin'ny vinan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny fanarenana sy fanamboarana fotodrafitr'asa toy ny làlana,ankoatra ny famahana ny olan'ny fifamoivoizana.

🎯 Raha ny teny amin'ny tetikasa FLYOVER Anosizato kosa dia notsindriany fa ho fanombohana ihany izao, satria raha ampitaina amin'ny faritra hafa eto amin'ny Kaontinanta Afrikanina dia efa maro ny làlana efa misitraka izany "FLYOVER" izany.
-------
🇫🇷 𝘿𝙊𝙐𝘽𝙇𝙀 𝘾É𝙍É𝙈𝙊𝙉𝙄𝙀 : 𝙄𝙣𝙖𝙪𝙜𝙪𝙧𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙙𝙚 𝙡𝙖 𝙧𝙤𝙪𝙩𝙚 𝙧𝙚𝙡𝙞𝙖𝙣𝙩 𝘼𝙢𝙗𝙤𝙝𝙞𝙢𝙖𝙝𝙞𝙩𝙨𝙮 à 𝘼𝙢𝙗𝙖𝙩𝙤𝙗𝙚 𝙚𝙩 𝙡𝙖𝙣𝙘𝙚𝙢𝙚𝙣𝙩 𝙙𝙚𝙨 𝙩𝙧𝙖𝙫𝙖𝙪𝙭 𝙙𝙪 𝙁𝙇𝙔𝙊𝙑𝙀𝙍 𝙙’𝘼𝙣𝙤𝙨𝙞𝙯𝙖𝙩𝙤

📍Une double cérémonie s’est tenue ce 31 juillet 2026, marquée par l’inauguration de la nouvelle route reliant Ambohimahitsy à Ambatobe, ainsi que de la bretelle d’Ambohimahitsy, et par le lancement officiel des travaux du projet de FLYOVER à Anosizato.

🎉La cérémonie a été présidée par le Président de la Refondation et son épouse, en présence des deux Hauts Conseillers de la Refondation, du Premier ministre, Chef du Gouvernement, des membres du Gouvernement, parmi lesquels la Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, Madame Fanirisoa ERNAIVO.

⚙️ Dans son allocution, le Président de la Refondation, le Colonel Michaël RANDRIANIRINA, a rappelé que la réhabilitation et la construction d’infrastructures routières s’inscrivent pleinement dans la vision de la Refondation de la République de Madagascar. Au-delà de l’amélioration du réseau routier, ces réalisations visent également à apporter des solutions durables aux difficultés de circulation.

🎯 S’agissant du projet de FLYOVER d’Anosizato, il a souligné qu’il s’agit d’une première étape pour Madagascar, alors que plusieurs pays du continent africain disposent déjà de ce type d’infrastructure. Il a réaffirmé la volonté de poursuivre les efforts de modernisation des infrastructures afin d’accompagner le développement du pays.
--------
🇬🇧 𝘿𝙊𝙐𝘽𝙇𝙀 𝘾𝙀𝙍𝙀𝙈𝙊𝙉𝙔: 𝙄𝙣𝙖𝙪𝙜𝙪𝙧𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙤𝙛 𝙩𝙝𝙚 𝙍𝙤𝙖𝙙 𝙇𝙞𝙣𝙠𝙞𝙣𝙜 𝘼𝙢𝙗𝙤𝙝𝙞𝙢𝙖𝙝𝙞𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙣𝙙 𝘼𝙢𝙗𝙖𝙩𝙤𝙗𝙚 𝙖𝙣𝙙 𝙇𝙖𝙪𝙣𝙘𝙝 𝙤𝙛 𝙩𝙝𝙚 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙞𝙯𝙖𝙩𝙤 𝙁𝙇𝙔𝙊𝙑𝙀𝙍 𝙋𝙧𝙤𝙟𝙚𝙘𝙩

📍A double ceremony was held on 31 July 2026, marking the inauguration of the new road linking Ambohimahitsy and Ambatobe, including the Ambohimahitsy access ramp, as well as the official launch of the Anosizato FLYOVER project.

🎉The ceremony was presided over by the President of the Refoundation and the First Lady, in the presence of the two High Counsellors of the Refoundation, the Prime Minister, Head of Government, and members of the Government, including the Minister of Justice and Keeper of the Seals, Mrs. Fanirisoa ERNAIVO.

⚙️ In his address, the President of the Refoundation, Colonel Michaël RANDRIANIRINA, emphasized that the rehabilitation and construction of road infrastructure are fully aligned with the vision of the Refoundation of the Republic of Madagascar. Beyond improving the road network, these projects are intended to provide sustainable solutions to traffic congestion and facilitate mobility.

🎯 Regarding the Anosizato FLYOVER project, he noted that this marks only the beginning for Madagascar, while several other African countries have already developed similar infrastructure. He reaffirmed the Government's commitment to pursuing the modernization of transport infrastructure in support of the country's development.

🇲🇬 𝙁𝘼𝙉𝙆𝘼𝙇𝘼𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝙁𝙀𝙏𝙄𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 𝙎𝙊𝙄𝙎𝘼🎉🇨🇭 Nankalaza ny fetim-pireneny ny Firenena Soisa, androany 31 jolay 2026, izay no...
31/07/2026

🇲🇬 𝙁𝘼𝙉𝙆𝘼𝙇𝘼𝙕𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝙁𝙀𝙏𝙄𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 𝙎𝙊𝙄𝙎𝘼

🎉🇨🇭 Nankalaza ny fetim-pireneny ny Firenena Soisa, androany 31 jolay 2026, izay notanterahina teny amin'ny Masoivohoiny teny Ambohibao.
✨Nanome voninahitra ny fanasana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, niaraka tamin'ireo solontenan'ny Governemanta, izay isan'ny nanatrika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO.

💐Ny Minisitry ny Foloalindahy no nandray ny fitenenana sy nirary soa, ka nasehony ny finiavan'ny firenena roa tonta hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra maro, toy ny eo amin'ny lafin'ny fampandrosoana, ny fanabeazana ary ny fahasalamana.
------
🇫🇷 𝘾É𝙇É𝘽𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝘿𝙀 𝙇𝘼 𝙁Ê𝙏𝙀 𝙉𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉𝘼𝙇𝙀 𝙎𝙐𝙄𝙎𝙎𝙀

🎉🇨🇭 La Confédération suisse a célébré sa fête nationale ce 31 juillet 2026, à l’occasion d’une réception organisée à son Ambassade à Ambohibao.
✨Le Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur Mamitiana RAJAONARISON, a honoré de sa présence cette cérémonie, aux côtés de plusieurs membres du Gouvernement, parmi lesquels la Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, Madame Fanirisoa ERNAIVO.

💐 À cette occasion, le Ministre des Forces armées a prononcé l’allocution officielle et adressé ses vœux au nom du Gouvernement malgache. Il a réaffirmé la volonté commune de Madagascar et de la Suisse de consolider davantage leur coopération dans plusieurs domaines d’intérêt commun, notamment le développement, l’éducation et la santé.
-------
🇬🇧 𝘾𝙀𝙇𝙀𝘽𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝙊𝙁 𝙏𝙃𝙀 𝙎𝙒𝙄𝙎𝙎 𝙉𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉𝘼𝙇 𝘿𝘼𝙔

🎉🇨🇭 The Swiss Confederation celebrated its National Day on 31 July 2026 during a reception hosted at the Embassy of Switzerland in Ambohibao.
✨The event was attended by the Prime Minister, Head of Government, Mr. Mamitiana RAJAONARISON, together with members of the Government, including the Minister of Justice and Keeper of the Seals, Mrs. Fanirisoa ERNAIVO.

💐 On this occasion, the Minister of the Armed Forces delivered the official address and extended his best wishes on behalf of the Malagasy Government. He reaffirmed the shared commitment of Madagascar and Switzerland to further strengthen their cooperation across a wide range of areas, particularly in development, education, and healthcare.

🇲🇬 30 𝙅𝙊𝙇𝘼𝙔, 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙉𝙀𝙍𝘼𝙉-𝙏𝘼𝙉𝙔 𝙃𝙄𝘼𝘿𝙄𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙈𝘼𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙊𝙇𝙊𝙈𝘽𝙀𝙇𝙊𝙉𝘼📍Anio 30 jolay no fankalazana ny Andro Maneran-tan...
30/07/2026

🇲🇬 30 𝙅𝙊𝙇𝘼𝙔, 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙉𝙀𝙍𝘼𝙉-𝙏𝘼𝙉𝙔 𝙃𝙄𝘼𝘿𝙄𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙈𝘼𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙊𝙇𝙊𝙈𝘽𝙀𝙇𝙊𝙉𝘼

📍Anio 30 jolay no fankalazana ny Andro Maneran-tany hiadiana amin'ny Famarinana Olombelona. Nanokatra izany teny amin'ny Hôtel Panorama, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, ka isan'ny nanatrika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, teo ambany fanomanan’ny Birao nasionaly hiadiana amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH) eo anivon’ny Primatiora.

✒️Ny lohahevitra tamin'ity taona 2026 ity dia mahakasika ny fanararaotana olona amin'ny alalan'ny tambajotran'ny fisolokiana an'habaka, manao hoe : "Ao ambadik'ireo fisolokiana an'habaka dia misy olona voafandrika."

⚙️ Nandritra ny lahateniny, nanamafy Ramatoa Minisitra fa fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny hasin'ny maha-olona ny famarinana olombelona, ka isan’ny mandray anjara lehibe amin’izany ny fanjakana izay hisian'ny « task force » amin'ny alalan'ny fiarovana ireo niharam-boina.
--------
🇫🇷 30 𝙅𝙐𝙄𝙇𝙇𝙀𝙏 : 𝙅𝙊𝙐𝙍𝙉É𝙀 𝙈𝙊𝙉𝘿𝙄𝘼𝙇𝙀 𝘿𝙀 𝙇𝘼 𝙇𝙐𝙏𝙏𝙀 𝘾𝙊𝙉𝙏𝙍𝙀 𝙇𝘼 𝙏𝙍𝘼𝙄𝙏𝙀 𝘿𝙀𝙎 Ê𝙏𝙍𝙀𝙎 𝙃𝙐𝙈𝘼𝙄𝙉𝙎

📍À l'occasion de la Journée mondiale de la lutte contre la traite des êtres humains, célébrée chaque 30 juillet, une cérémonie officielle s'est tenue à l'Hôtel Panorama. Elle a été présidée par le Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur RAJAONARISON Mamitiana, en présence notamment de la Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, Madame Fanirisoa ERNAIVO. Cet événement a été organisé par le Bureau national de lutte contre la traite des êtres humains (BNLTEH), placé sous l'autorité de la Primature.

✒️Le thème retenu pour l'édition 2026 est consacré à l'exploitation des personnes à travers les réseaux d'escroquerie en ligne : « Derrière les escroqueries en ligne se cachent des personnes piégées. »

⚙️ Dans son allocution, Madame la Ministre a rappelé que la traite des êtres humains constitue une infraction grave et une atteinte à la dignité humaine. Elle a également souligné le rôle essentiel de l'État dans la lutte contre ce fléau, notamment à travers la mise en place d'une Task Force chargée de renforcer la protection et la prise en charge des victimes.
--------
🇬🇧 30 𝙅𝙐𝙇𝙔: 𝙒𝙊𝙍𝙇𝘿 𝘿𝘼𝙔 𝘼𝙂𝘼𝙄𝙉𝙎𝙏 𝙏𝙍𝘼𝙁𝙁𝙄𝘾𝙆𝙄𝙉𝙂 𝙄𝙉 𝙋𝙀𝙍𝙎𝙊𝙉𝙎

📍On the occasion of the World Day Against Trafficking in Persons, observed annually on 30 July, an official ceremony was held at the Panorama Hotel. The event was presided over by the Prime Minister, Head of Government, Mr. RAJAONARISON Mamitiana, in the presence of the Minister of Justice and Keeper of the Seals, Mrs. Fanirisoa ERNAIVO. The ceremony was organized by the National Office for the Fight Against Trafficking in Persons (BNLTEH) under the authority of the Prime Minister's Office.

✒️The theme for the 2026 observance focuses on the exploitation of individuals through online scam networks: "Behind every online scam, there is a person being exploited."

⚙️ In her address, the Minister emphasized that trafficking in persons is both a criminal offence and a serious violation of human dignity. She also reaffirmed the Government's strong commitment to combating this crime, notably through the establishment of a Task Force dedicated to strengthening the protection and assistance provided to victims.

🇲🇬 𝙁𝘼𝙉𝙊𝙆𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙍𝘼-𝙋𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙊𝙁𝙄𝙎𝙄𝘼𝙇𝙔 𝙉𝙔 (𝘼𝘾𝘼𝙋) 𝙣𝙖 𝘼𝙐𝙈Ô𝙉𝙀𝙍𝙄𝙀 𝘾𝘼𝙏𝙃𝙊𝙇𝙄𝙌𝙐𝙀 𝘿𝙀 𝙇’𝘼𝘿𝙈𝙄𝙉𝙄𝙎𝙏𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝙋É𝙉𝙄𝙏𝙀𝙉𝙏𝙄𝘼𝙄𝙍𝙀 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝙄𝙆𝘼𝙍𝘼. ✨...
29/07/2026

🇲🇬 𝙁𝘼𝙉𝙊𝙆𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙍𝘼-𝙋𝙊𝙈𝘽𝘼 𝙊𝙁𝙄𝙎𝙄𝘼𝙇𝙔 𝙉𝙔 (𝘼𝘾𝘼𝙋) 𝙣𝙖 𝘼𝙐𝙈Ô𝙉𝙀𝙍𝙄𝙀 𝘾𝘼𝙏𝙃𝙊𝙇𝙄𝙌𝙐𝙀 𝘿𝙀 𝙇’𝘼𝘿𝙈𝙄𝙉𝙄𝙎𝙏𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝙋É𝙉𝙄𝙏𝙀𝙉𝙏𝙄𝘼𝙄𝙍𝙀 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝙄𝙆𝘼𝙍𝘼.

✨Androany 29 Jolay 2026 no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny "Chapelle" fonjan'Antanimora ny (ACAP), niorina mba hikarakarana sy hampiorina ny fiainam-panahin'ny mpandraharahan'ny Fonja.

⛪ Araka izany dia nisy ny lamesam- panokafana izay notarihin'ny Eveka mpanampy ao amin'ny diosezin'Antananarivo, "Son Excellence Monseigneur" RANDRIANIFAHANANA Mamiarisoa Modeste, izay natrehin'ireo tompon'andraikitra teto anivon'ny Minisitera sy ny fandraharana ny fonja, ary ny solontenan'ny "Aumônerie catholique" an'ny Miaramila sy Polisim-pirenena.

🌷 Ny lohahevitra nentina androany : "Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo tokoa ; toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olombelona".
--------
🇫🇷 𝙊𝙐𝙑𝙀𝙍𝙏𝙐𝙍𝙀 𝙊𝙁𝙁𝙄𝘾𝙄𝙀𝙇𝙇𝙀 𝘿𝙀 𝙇’𝘼𝙐𝙈Ô𝙉𝙀𝙍𝙄𝙀 𝘾𝘼𝙏𝙃𝙊𝙇𝙄𝙌𝙐𝙀 𝘿𝙀 𝙇’𝘼𝘿𝙈𝙄𝙉𝙄𝙎𝙏𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝙋É𝙉𝙄𝙏𝙀𝙉𝙏𝙄𝘼𝙄𝙍𝙀 (𝘼𝘾𝘼𝙋) 𝘿𝙀 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝘾𝘼𝙍

✨L’Aumônerie Catholique de l’Administration Pénitentiaire (ACAP) de Madagascar a été officiellement inaugurée ce 29 juillet 2026, au sein de la chapelle de la Maison centrale d’Antanimora. Cette structure a pour mission d'assurer l'accompagnement et le renforcement de la vie spirituelle des personnels de l'Administration pénitentiaire.

⛪ À cette occasion, une messe inaugurale a été célébrée par Son Excellence Monseigneur Mamiarisoa Modeste RANDRIANIFAHANANA, Évêque auxiliaire de l’Archidiocèse d’Antananarivo, en présence des hauts responsables du Ministère de la Justice et de l'Administration pénitentiaire, ainsi que des représentants de l’Aumônerie catholique des Forces armées et de la Police nationale.

🌷 Le thème retenu pour cette cérémonie était tiré de l’Écriture Sainte :
« Quoi que vous fassiez, faites-le de tout votre cœur, comme pour le Seigneur et non pour les hommes. »
-------
🇬🇧 𝙊𝙁𝙁𝙄𝘾𝙄𝘼𝙇 𝙄𝙉𝘼𝙐𝙂𝙐𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 𝙊𝙁 𝙏𝙃𝙀 𝘾𝘼𝙏𝙃𝙊𝙇𝙄𝘾 𝘾𝙃𝘼𝙋𝙇𝘼𝙄𝙉𝘾𝙔 𝙊𝙁 𝙏𝙃𝙀 𝙋𝙍𝙄𝙎𝙊𝙉 𝘼𝘿𝙈𝙄𝙉𝙄𝙎𝙏𝙍𝘼𝙏𝙄𝙊𝙉 (𝘼𝘾𝘼𝙋) 𝙊𝙁 𝙈𝘼𝘿𝘼𝙂𝘼𝙎𝘾𝘼𝙍

✨The Catholic Chaplaincy of the Prison Administration (ACAP) of Madagascar was officially inaugurated on 29 July 2026 at the chapel of Antanimora Central Prison. The chaplaincy was established to provide spiritual guidance and foster the spiritual well-being of Prison Administration personnel.

⛪ The inauguration was marked by a Holy Mass celebrated by His Excellency Bishop Mamiarisoa Modeste RANDRIANIFAHANANA, Auxiliary Bishop of the Archdiocese of Antananarivo. The ceremony was attended in the presence of senior officials from the Ministry of Justice and the Prison Administration, as well as representatives of the Catholic Chaplaincy of the Armed Forces and the National Police.

🌷 The theme chosen for the occasion was:
“Whatever you do, work at it with all your heart, as working for the Lord, not for men.”

𝙎𝙖𝙣𝙩𝙞𝙤𝙣𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 "𝙗𝙖𝙧𝙧𝙖𝙜𝙚𝙨" 𝙨𝙮 "𝙥𝙖𝙩𝙧𝙤𝙪𝙞𝙡𝙡𝙚𝙨" 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣’𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤.Ho fanamafisana ny fandriampahalemana ...
28/07/2026

𝙎𝙖𝙣𝙩𝙞𝙤𝙣𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 "𝙗𝙖𝙧𝙧𝙖𝙜𝙚𝙨" 𝙨𝙮 "𝙥𝙖𝙩𝙧𝙤𝙪𝙞𝙡𝙡𝙚𝙨" 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣’𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤.

Ho fanamafisana ny fandriampahalemana sy hiantohana ny fiarovana ny vahoaka, dia manohy ny hetsika iraisana ataony ny "TASK FORCE Anti-Enlèvement", eo ambany fandrindran’ny CO-FDS, ahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ny Tafika Malagasy.

Mitohy isan’alina ny "barrages" sy ny fisafoana eny an-kianja, ho fisorohana sy hiadiana amin’ny asan-jiolahy ary hiantohana ny filaminam-bahoaka.

Eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ny Fitondram-panjakana. Ny fiarovana ny ain’ny olom-pirenena sy ny fananana no laharam-pahamehana, ary mitohy tsy an-kijanona ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Address

43 Rue Joël RAKOTOMALALA FARAVOHITRA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:00
Tuesday 08:30 - 16:00
Wednesday 08:30 - 16:00
Thursday 08:30 - 16:00
Friday 08:30 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministeran'ny Fitsarana Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share