Pôles Anti-Corruption Madagascar

Pôles Anti-Corruption Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Pôles Anti-Corruption Madagascar, Government Organization, Immeuble CNAPS 67Ha, Antananarivo.

17/08/2026
10/08/2026
🗓️ Notanterahina tao amin'ny birao fiasàn'ny PAC Mahajanga ny Sabotsy faha 25 Jolay 2026 ny lanonam-pitsarana manetriket...
27/07/2026

🗓️ Notanterahina tao amin'ny birao fiasàn'ny PAC Mahajanga ny Sabotsy faha 25 Jolay 2026 ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin'ny toerany ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny Kolikoly Mahajanga izay hisahana ihany koa ny any Antsiranana , Andriamatoa VORIANDRO Jean Prosper.
📌 Nandritra izany lanonana izany no nanamafisany fa laharam-pahamehana ny ady amin'ny kolikoly amin'ny alalan'ny Fitsarana tsy mitanila.

🗓️ Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Talata faha 21 Jolay 2026 ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny Fitsarana Tampony....
21/07/2026

🗓️ Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Talata faha 21 Jolay 2026 ny fankalazana ny faha 65 taonan'ny Fitsarana Tampony.
📌 Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Praiminisitra , Lehiben'ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana , izay nisolo tena ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
📌 Fanamby goavana no apetraky ny Fitsarana Tampony amin'izao faha 65 taona izao dia ny Fitsarana mangarahara , manakaiky vahoaka sy hamerina ny fitokisan'ny vahoaka amin'ireo Rafi-pitsarana misy eto Madagasikara hoy kosa ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fitsarana , Andriamatoa Ange RANDRIANASOLO , izay nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana.
📍 Haharitra efatra andro izao fankalazana izao ka hisy ny varavarana misokatra ho an'ny daholobe entina hampahafantarina ny tantaran'ny Fitsarana Tampony.

🗓️ Nanomboka ny Alatsinainy faha 13 Jolay 2026 teny amin'ny SAMIFIN Ambohijanaka , ary haharitra 5 andro ny fiofanana om...
13/07/2026

🗓️ Nanomboka ny Alatsinainy faha 13 Jolay 2026 teny amin'ny SAMIFIN Ambohijanaka , ary haharitra 5 andro ny fiofanana omena ireo Mpitsara vaovao eo anivon'ny PAC Antananarivo , PAC Mahajanga ary PAC Fianarantsoa mialohan'ny handraisan'izy ireo ny asany.
⚓ Tonga teny an-toerana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana , Minisitry ny Fitsarana , Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO . Nandritra izany no nilazany fa hisy ny fiofanana hiarahana amin'ireo firenena hafa ivelan'i Madagasikara mba hampitovizana ny fomba fiasa. Tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana ny teknolojia nomerika.
📌 Ho an'ny andro voalohany dia ny Sekretera Mpanatanteraka eo anivon'ny Komity Mitandro ny Fahitsiana , Andriamatoa Tsiry RAZAFIMANDIMBY no nitondra ny fampianarana sy nanazava bebe kokoa ny Lalàna mikasika ny PAC sy ny Rafitra miady amin'ny Kolikoly.
🖇️ Nandray anjara tao anatin'izany avokoa ireo Mpitsara vaovao.

🗓️ Zoma , faha 10 Jolay 2026.📖 Nankalazaina tany Toamasina ny Andro Afrikanina ho an'ny ady amin'ny Kolikoly tamin'ity t...
10/07/2026

🗓️ Zoma , faha 10 Jolay 2026.
📖 Nankalazaina tany Toamasina ny Andro Afrikanina ho an'ny ady amin'ny Kolikoly tamin'ity taona ity .
📌 Lohahevitra nentina nanamarihina izany ny hoe : " Hamafisina ny fampiroboroboana ny fahitsiana sy ny ady amin'ny kolikoly eto Afrika ".
✒️ Tonga nanatrika izany tany an-toerana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika , Kolonely RANDRIANIRINA Michael sy ny Praiminisitra , Lehiben'ny Governemanta .
⚓ Mariky ny fanomezana lanja manokana ny ady amin'ny kolikoly izany hoy ny Tale Jeneralin'ny Bianco , Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor .
🖇️ Niantso ny rehetra tsy ankanavaka kosa ny Filoha mba hiara-hiady amin'izany kolikoly izany entina hampandrosoana ny Firenena .
📍 Nandritra izao fanamarihana ny Andro Afrikanina ho an'ny ady amin'ny kolikoly izao dia notokanana tamin'ny fomba ofisialy ihany koa ny Birao Mahaleotena iadiana amin'ny Kolikoly vaovao (BIANCO) ao Toamasina .
📎 Ankoatr'izay dia nisy ny fanambaram-pananana faobe nataon'ireo tomponandraiki-panjakana tao amin'ny faritra Atsinanana.
.

🗓️ Nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny zoma faha 10 Jolay 2026 ny Fikaonan-doha ho an'ny fianakaviamben'ny Fitsarana Mal...
10/07/2026

🗓️ Nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny zoma faha 10 Jolay 2026 ny Fikaonan-doha ho an'ny fianakaviamben'ny Fitsarana Malagasy izay notanterahina teny amin'ny Hotely Sheraton Ivato nanomboka ny Alatsinainy faha 06 Jolay 2026 lasa teo .
📖 Anisan'ny tsoa-kevitra nivoaka tao anatin'izay 4 andro izay ny fametrahana ny antsoina hoe " pouvoir judiciaire " na fahefam-pitsarana eto Madagasikara mba ho tombontsoan'ny firenena iray manontolo.
🏛️ Fitsarana mahaleotena sy mangarahara no tanjona hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana , Minisitry ny Fitsarana , Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO .
✒️ Tsy maintsy mbola mandalo dingana maro kosa nefa ny fanatanterahina izany.

📌 Delegasiona avy amin'ny Fampanoavana Thaïlandais no tonga eto Madagasikara amin'izao fotoana izao .🗓️ Nanatanteraka fi...
07/07/2026

📌 Delegasiona avy amin'ny Fampanoavana Thaïlandais no tonga eto Madagasikara amin'izao fotoana izao .
🗓️ Nanatanteraka fitsidihana ara - pomba fifanajana teo anivon'ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny Kolikoly ( PAC ) izy ireo ny Talata faha 07 Jolay 2026 .
📌 Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no anton'izao Fitsidihana izao ary fifampizarana traikefa eo amin'ny samy Mpitsara .
📌 Ny 4 ka hatramin'ny faha 12 Jolay 2026 no hijanonan'izy ireo eto Madagasikara .

🗓️ Alatsinainy , faha 06 Jolay 2026📌 Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hôtel Sheraton Ivato ary haharitra d...
06/07/2026

🗓️ Alatsinainy , faha 06 Jolay 2026
📌 Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hôtel Sheraton Ivato ary haharitra dimy andro ny fikaonan-doha ho an'ny fianakaviamben'ny Fitsarana Malagasy izay notarihin'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana , Minisitry ny Fitsarana , Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO .
🏛️ Tanjona amin'izany ny fanavaozana ny rafitra ara-pitsarana araky ny lohahevitra hoe : " Fahefam-pitsarana miantoka ny fanavaozana ny firenena mankany amin'ny fampandrosoana" .
🖇️ Mpitsara , Mpiraki-draharaha , Mpandraharaha ny fonja , Mpisolovava , Mpirakiteny Mpanatoa soratra ary Vadintany no handray anjara ao anatin'izany .

Address

Immeuble CNAPS 67Ha
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pôles Anti-Corruption Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Pôles Anti-Corruption Madagascar:

Shortcuts

Share