CUA 1er Arrondissement

CUA 1er Arrondissement Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from CUA 1er Arrondissement, Public & Government Service, Soarano Analakely, Antananarivo.

MANDROSO NY ASA FANAMBOARANA NY "ILOT" EO ANOLOAN'NY COTONA ANALAKELY- BORIBORINTANY VOALOHANY> Mandroso sy mizotra tsar...
23/09/2026

MANDROSO NY ASA FANAMBOARANA NY "ILOT" EO ANOLOAN'NY COTONA ANALAKELY- BORIBORINTANY VOALOHANY

> Mandroso sy mizotra tsara ny asa fanatsarana ny ilot manoloana ny COTONA Analakely, izay sahanin'ny ekipa teknikan'ny Boriborintany Voalohany.

> Ny tanjona dia ny hamerina ny hatsaran'ity toerana ity sy hanome endrika vaovao maitso sy mahafinaritra ho an'ny mponina sy ny mpandalo rehetra.

Isaorana manokana ireo mpiara-miombon'antoka, ireo mponina manodidina ary ireo olon-tsotra tsara sitrapo rehetra izay nifanampy sy nanome fitaovana ary nanampy tamin'ny fomba rehetra.

Mankasitraka mialoha ihany koa ireo izay mbola mikasa hitondra ny anjara birikiny

tanàna madio sy kanto dia vokatry ny firaisan-kinantsika rehetra #

FIOMANANA SAHADY AMIN'NY FAHAVARATRA - ANALAKELY- BORIBORINTANY VOALOHANY.Ho fiatrehana ny fahavaratra sy ho fisorohana ...
23/09/2026

FIOMANANA SAHADY AMIN'NY FAHAVARATRA - ANALAKELY- BORIBORINTANY VOALOHANY.

Ho fiatrehana ny fahavaratra sy ho fisorohana ny tondran-drano, dia nanatanteraka fanadiovana ny "chambre de sable" eto Analakely ny ekipan'ny BORIBORINTANY VOALOHANY, niara-niasa tamin'ny ekipan'ny orinasa BAOLAI sy ny SMA (marihana moa fa ao ambanin'ny tranombarotra BAOLAI io chambre de sable io)

Nesorina avokoa ny fotaka sy ny loto ary ireo fako nanentsina ny lakan-drano. Ny tanjona dia ny fikorinan'ny rano malalaka sy ny fahadiovan'ny tanàna.

🧹🌿 MITOHY HATRANY NY FANADIOVANA ATAON’NY EKIPAN’NY BORIBORINTANY VOALOHANY📍 Ambohidahy indray no nanatanterahan’ny ekip...
22/09/2026

🧹🌿 MITOHY HATRANY NY FANADIOVANA ATAON’NY EKIPAN’NY BORIBORINTANY VOALOHANY
📍 Ambohidahy indray no nanatanterahan’ny ekipan’ny Boriborintany Voalohany ny asa fanadiovana androany, ho fanatsarana hatrany ny fahadiovana sy ny tontolo iainana.
🤝 Ndao hiara-hientana!
Ny fahadiovan’ny tanàna dia andraikitsika rehetra. Aoka isika samy hanaja ny tontolo iainana, tsy hanary fako eny rehetra eny ary hifanentana amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna. 🌱✨
❤️ Tanàna madio, tontolo iainana tsara, fiainana milamina!

🧹 FANADIOVANA FAOBE - ANDOHALO | BORIBORINTANY VOALOHANY ✨Mitohy tsy an-kiato ny asa fanadiovana eto anivon'ny Boriborin...
16/09/2026

🧹 FANADIOVANA FAOBE - ANDOHALO | BORIBORINTANY VOALOHANY ✨

Mitohy tsy an-kiato ny asa fanadiovana eto anivon'ny Boriborintany Voalohany. Teny Andohalo no nanatanterahana izany anio.

✅ Madio ankehitriny ny manodidina an'Andohalo.

💡 Tsarovy anefa:
Ny fahadiovana tsy vitan'ny hoe misy olona manadio, fa mila misy olona manaja izany fahadiovana izany.

🚯 Aza manary fako etsy sy eroa.
💚 Hajao ny tanàna, hajao ny mpanadio.

15/09/2026

💡 BORIBORINTANY VOALOHANY : MILAMINA ANATY HAZAVANA 🛡️

Anisan'ny tanjona lehibe napetraka ny hoe "Milamina anaty hazavana"

✨ Efa mipetraka ny andrin-jiro maromaro eto anivon'ny Boriborintany Voalohany.
📍 Teny Analakely - Behoririka - Ambohidahy no nisitraka izany voalohany.

🎯 Tanjona manaraka: Hanitatra izany manerana ny Boriborintany iray manontolo mba:
🌙 Hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana
🤝 Hampilamina ny fiainan'ny mponina mandritry ny alina

🌧️ FIKOJAKOJANA NY LAKAN-DRANO SADY FIATREHANA SAHADY NY FAHAVARATRA🧹💧 67Ha 🏙️ Nanao fanadiovana sy fanesorana ireo fasi...
14/09/2026

🌧️ FIKOJAKOJANA NY LAKAN-DRANO SADY FIATREHANA SAHADY NY FAHAVARATRA🧹💧 67Ha

🏙️ Nanao fanadiovana sy fanesorana ireo fasika sy loto niangona tao anatin’ny lakan-drano, ho fanatsarana ny fikorianan’ny rano sy ho fisorohana ny fitohanana rehefa fotoam-pahavaratra ny BORIBORINTANY VOALOHANY. Teny 67HA no nanantanterahina izany fanadiovana izany tamin'ity Andro anio ity.

🤝 Andao hiara-hientana amin’ny fikojakojana ny fahadiovan’ny tanàna.

🚯 Aza ariana anaty lakan-drano ny fako!
💧 Lakan-drano madio, tanàna voaaro!
🌿 Ny fahadiovan’ny tanàna dia andraikitsika rehetra.

TSY MIJANONA NY EZAKA FANADIOVANA !🧹 BORIBORINTANY VOALOHANY Androany dia teny Antaninarenina indray no nanatanterahina ...
04/09/2026

TSY MIJANONA NY EZAKA FANADIOVANA !🧹 BORIBORINTANY VOALOHANY

Androany dia teny Antaninarenina indray no nanatanterahina ny fanadiovana.
Niaraka tamin'izany ny mpiasan'ny Boriborintany Voalohany sy ny ekipa avy amin'ny DAU.

Saingy...
Raha vao miala ny mpamafa lalana dia miverina maloto indray avy eo.
Herim-po very maina ny asan'ireo mpamafa lalana raha mbola misy mandoto sy manary fako eny rehetra eny.

Tsarovy nefa fa:
1 segondra fotsiny no hanarianao fako.`
Fa 1 ora kosa no hanadiovan'ny mpamafa izany

Koa andao isika hiara-hiezaka.
Aza mandoto intsony. Hajao ny asan'ny hafa.🤝

`

📚 FANOLORANA FITAOVAM-PIANARANA HO AN'NY ANKIZY📚 Taom-pianarana 2026-2027 📚BORIBORINTANY VOALOHANYAnkizy mpianatra miisa...
01/09/2026

📚 FANOLORANA FITAOVAM-PIANARANA HO AN'NY ANKIZY📚 Taom-pianarana 2026-2027 📚BORIBORINTANY VOALOHANY

Ankizy mpianatra miisa 498 amin'ny ambaratonga fototra T1-T5, zanaky ny mpamafa lalana sy ny Ray aman-dreny sahirana eto amin'ny Boriborintany Voalohany, no notolorana fitaovam-pianarana ho an'ny taom-pianarana 2026-2027.

Hanamaivana ny vesatry ny Ray aman-dreny sy hampirisika ny ankizy hianatra tsara no tanjon'izao hetsika izao

🙏 Isaorana manokana Andriamatoa PDS noho izao fanohanana sy ny fiahiana ny hoavin'ireo ankizy ireo izao.

Ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana! 💪

🇲🇬🇲🇬🇲🇬Naneho ny maha Malagasy tamin'ny alalan'ny fomba fitafy ny mpiasan'ny Boriborintany Voalohany tamin'ity Andro zoma...
21/08/2026

🇲🇬🇲🇬🇲🇬Naneho ny maha Malagasy tamin'ny alalan'ny fomba fitafy ny mpiasan'ny Boriborintany Voalohany tamin'ity Andro zoma ity. 🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Fomba iray hanamafisana ny fitiava- tanindrazana sy ny firaisankina eo am-panatanterahina ny adidy ho an'ny vahoaka izany.

21/08/2026

Address

Soarano Analakely
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CUA 1er Arrondissement posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share