04/09/2026
🇲🇬 Anisan'ny voafidy hisalotra ny anaram-boninahitra " Gender Inclusive Finance Champion" amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misahana ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka na Alliance pour l'Inclusion Financière - AFI, ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin'ny alalan'ny Tahirimbolam-panjakana.
👌Ny lanonana fizarana mari-pankasitrahana dia natao ny Alakamisy 3 Septambra 2026, tao Port Moresby - Papouasie Nouvelle Guinée,
nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena mikasika ny politika ny Fandraharahana ara-bola tsy manavaka (Global Policy Forum - GPF).
👥 Ramatoa Mbinison Dorette Ratsiavahana, Tale Jeneraly ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy no nandray ny taratasy fanamarihana, notronin'ireo mpiara-miasa avy ao amin'ny Fandrindrana Nasionaly ny Fandraharahana ara-bola tsy manavaka (Coordination Nationale de la Finance Inclusive).
📍Marihina moa fa noho ny ezaka manokana nataon'ny Tahirimbolam-panjakana teo amin'ny lafiny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka ho an'ny vehivavy sy fanohanana azy ireo hanana anjara toerana amin'ny fampandrosoana ny firenena no nahazoana izany anaram-boninahitra izany. Efa voafidy nisalotra ny " Gender Finance Inclusive Ambassador" ho an'ny vondrona AFI ihany koa ny Tahirimbolam-panjakana tamin'ny taona 2025.
👌Maro ireo endri-panohanana ny vehivavy hahaleo tena ara-bola amin'ny alalan'ny fisitrahana sy fampiasana tolotra ara-bola isan-karazany nisongadina, toy (i) ny fanamafisana ny fanohanana ny Wefi Code izay mampiroborobo ny vehivavy manana orinasa, (ii) ny fanaparihana ny fanabeazana ara-bola eraky ny faritra maro eto Madagasikara ka mihoatra ny 70% amin'ny olona voakasik'izany dia vehivavy avokoa, (iii) ny fanohanana ireo banky sy mpampindrama-bola madinika amin'ny alalan'ny fandrafetana tolotra manokana ho an'ny vehivavy toy ny findramam-bola ombam-panabeazana (crédit avec éducation) sy ireo tetikasa mampiroborobo ny vehivavy, (iv) ary indrindra indrindra ny fanjohiana sy fanomezana tan-tsoroka ireo Vondrona manao tahiry (groupes d'épargne) izay manana mpikambana vehivavy mihoatra ny 75%.