04/08/2026
𝗙𝗔𝗡𝗢𝗠𝗘𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗗𝗔𝗕𝗜𝗟𝗜𝗢, 𝗧𝗔𝗙𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗜𝗧𝗦𝗢 𝗔𝗥𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗘𝗣𝗣 𝗦𝗬 𝗖𝗦𝗕 𝗜𝗜 𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗦𝗔𝗡𝗚𝗬
Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany ny dabilio 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟰𝟬 sy latabatra ho an'ny mpampianatra ao amin'ny 𝗘𝗣𝗣 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗮𝗵𝗮𝘀𝗼𝗮 𝘀𝘆 𝗘𝗣𝗣 𝗕𝗲𝗳𝗼𝘁𝗮𝗸𝗮, ao amin'ny Kaominina 𝗠𝗮𝗿𝗼𝘀𝗮𝗻𝗴𝘆, Distrikan'i Mananjary.
Tontosa teo anatrehan'ny Chef ZAP, ny talen-tsekoly ary ny ben'ny tanàna tao an-toerana ny fanolorana, avy amin'ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Ankoatra izay, 𝘁𝗮𝗳𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗶𝘁𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟴𝟱 no natolotra ho an'ny 𝗘𝗣𝗣 𝗕𝗲𝗳𝗼𝘁𝗮𝗸𝗮, hanoloana ny tafon'ny sekoly izay efa simba tanteraka, mba hanatsarana ny tontolon'ny fampianarana sy ny fianaran'ny mpianatra.
Tonga nanolotra ireo fanampiana ireo ny 𝗗𝗲́𝗽𝘂𝘁𝗲́ 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔, sady 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥 𝗙𝗔𝗛𝗔 -𝟯 eo anivon'ny 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔, niaraka tamin'ny 𝗧𝗮𝗹𝗲 𝗞𝗮𝗯𝗶𝗻𝗲𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆, notronin'ny solontenan'ny 𝗧𝗮𝗹𝗲𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗯𝗲𝗮𝘇𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 ary ny 𝗕𝗲𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 𝗠𝗜𝗙𝗔𝗚𝗡𝗢𝗠𝗕𝗔 ao amin'ny Kaominina Marosangy.
Nandritra izany ihany koa dia nanolotra fanomezana manokana avy aminy ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔, ka nanolotra 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝟯𝟬𝟬.𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 :
𝟭𝟬𝟬.𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 - 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔
𝟭𝟬𝟬.𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 - 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔𝗠-𝗕𝗘𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗬
𝟭𝟬𝟬.𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿𝗶𝗮𝗿𝘆 - 𝗦𝗘𝗙𝗢 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬,
sy 𝗹𝗮𝘁𝗮𝗯𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 (table d'accouchement) iray ho an'ny 𝗖𝗦𝗕 𝗜𝗜 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗺𝗮𝗵𝗮𝘀𝗼𝗮,
ary baolina iray ho an'ny tanora.
Ireo fanampiana ireo dia natao hanohanana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fiarahamonina eny ifotony.
Nandritra izany ihany koa no nampahafantarana ny vahoaka ireo lalàna lany teo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Anisan'izany ny lalàna mamela malalaka ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy, ary koa ny lalàna mikasika ny famerenana ireo tany nasionalisé ho an'ny vahoaka Malagasy.
Com député Haja Août 2026