Centre Malgache de la Canne et du Sucre

Centre Malgache de la Canne et du Sucre Page officielle du Centre Malgache de la Canne et du Sucre

24/07/2026
Morondava : Fanarenana ny orinasa SIRANALATaorian'ny fitsidihana nataon'ny Filoham-panjakana, ny Colonel ANDRIANIRINA Mi...
16/07/2026

Morondava : Fanarenana ny orinasa SIRANALA

Taorian'ny fitsidihana nataon'ny Filoham-panjakana, ny Colonel ANDRIANIRINA Mickaël, taty amin'ny Faritra Menabe, dia nilaza izy tamin'ny lahateny nataony fa hamerina ny orinasa SIRANALA, iray amin'ireo orinasa mpamokatra siramamy eto Madagasikara, izay rava noho ny korontana tamin'ny taona 2014. Raha nitafa tamin'ny vahoaka izy tamin'io fitsidihana io, dia nanambara fa afaka telo herinandro, dia ho tonga aty an-toerana ny teknisianina rehetra hanao ny fitsirihina sy ny fanadihadiana rehetra hahafahana mamerina ny orinasa.
Arak'izany, telo herinandro aty aoriana, dia tonga tokoa ny teknisiana maro avy amin'ny ministera sy ivon-toerana maro anantateraka io asa goavana io, dia ny fanarenana ny orinasa izany.
Nanomboka ny 15 jolay teo àry ny fitsirihana voalohany.
Nitarika izany ny Secrétaire Général ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria. Notronin'ny Lehiben'ny Faritra Menabe sy ny Lehiben'ny Préfektioran'i Morondava ary ny Ben'ny Tanana Analaiva.
Haharitra andro maromaro ny fitsirihana atao hamoahana ny antontanisa hijerena ny fomba hanarenana ny orinasa.

Araka ny fanendrena tamin'ny filankevitry ny ministra natao ny 24 jona 2026, dia voatendry ho Tale Jeneraly hitantana ny...
01/07/2026

Araka ny fanendrena tamin'ny filankevitry ny ministra natao ny 24 jona 2026, dia voatendry ho Tale Jeneraly hitantana ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy na Centre Malgache de la Canne et du Sucre (CMCS ) Atoa TSILEFA Antonio.
Tontosa omaly 30 jona ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy Atoa RAGALISON Théophile, Tale Jeneraly teo aloha.
Olo-manakaja maro no nanotrota ny lanona izay teo ambany fiahian'ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera mpiahy.
Nizotra tamim-pirahalahiana tanteraka moa izany famindram-pitantanana izany.
Ny mpiara-miasa rehetra eo amin'ny foibe dia miarahaba an'Atoa Talé Jeneraly vaovao hahantontosa ny adidy nampetraka taminy ary manolotra fisaorana ny Talé Jeneraly teo aloha noho ny asa vitany

Ambilobe : Fanolorana fary ho an'ny Mpamboly faryAo anatin'ny ezaka fanatsarana sy fanapariahana karazam-pary tsara, iza...
07/06/2026

Ambilobe : Fanolorana fary ho an'ny Mpamboly fary

Ao anatin'ny ezaka fanatsarana sy fanapariahana karazam-pary tsara, izay isan'ny asa lehibe sahanin'ny CMCS, dia notanterahina teto ambilobe ny voalohan'ny vola jona teo ny fanomezana
fary ho an'ny tantsaha rehetra teo Ambilobe.
Ny fifanafarana fary moa, dia isan'ny asa iandraiketan'ny CMCS, ny sampan-draharaha misahana ny fikarohana sy fampiroboroboana ny fambolena no misahana an'izany (SRDA). Ary anjaran'ny sampandraharaha misahana ny tantsoroka ho an'ny orinasa sy ny mpamboly fary (SATIP) indray no manara-maso ny fambolena
sy ny fikarakarana ny fary any amin'ny tantsaha.
Masomboly fary mahatratra 100 taonina no nozaraina tamin'izany. Teo ambany fitarihan'ny Talé Jeneralin'ny CMCS, Atoa Ragalison Théophile sy ny Filohan'ny Federasionan'ny Mpamboly fary eto Ambilobe no nanaovana an'izany.
Nisaotra sy nankasitraka izao fizarana izao moa ny Mpamboly fary izay taritin'ny Filohan'ny Federasiona, Atoa Tista Fety.
Nanamafy moa ny CMCS sy ny Federasiona fa hihamahafy ary ho hatsaraina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta.

Fankalazana ny famaranana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kôperativa.Ny Faritra Bongolava no nandray ny fankalazana n...
28/11/2025

Fankalazana ny famaranana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kôperativa.

Ny Faritra Bongolava no nandray ny fankalazana ny famaranana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kôperativa.
Mandray anjara amin'izany ny CMCS

Ambilobe : Fanatsarana ny famokarana fary sy siramamy.Zavatra maro lafy no notanterahin'ny CMCS taty ambilobe ny 08 sy 0...
10/05/2025

Ambilobe : Fanatsarana ny famokarana fary sy siramamy.

Zavatra maro lafy no notanterahin'ny CMCS taty ambilobe ny 08 sy 09 mai 2025 teo.
Teo ny fanaovana ny atrikasa mahakasika ny fampiroboroboana ny seha-pihariana siramamy, izay nisian'ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana ara-barotra eo amin'ny tantsaha mpamboly sy ny orinasa Ouest Sucre. Efa nisy fifanarahana tamin'ny taona 2017 saingy efa maro ny zavatra tsy mifanaraka intsony amin'ny zava-misy tao anatin'ity fifanarahana 2017 ity. Manoloana izany, mba ho tombotsoan'ny rehetra, dia nanao fifanarahana vaovao indray ny orinasa sy ny tantsana ny 08 sy 09 mai teo. Mafimafy ny adihevitra kanefa dia nahita marimaritra iraisana ihany ny rehetra tao anatin'izany rehetra izany ka vita soamantsara ny fifanarahana vaovao.
Isan'ny laha-dinika koa ny fifandraisan'ny mpiompy omby sy ny mpamboly fary. Ary efa voarafitra ny Dina mahakasika izany ho fitsinjovana ny tsirairay. Efa mandalo fankatoavana any amin'ny tribonaly moa ity DINA ity. Ka heverina hivoaka ny 06 jona ho avy izao.
Mahakasika kosa indray ny fanatsarana ny fary, dia nisy ny fanolorana karazam-pary efa vita sedra ho an'ny tantsaha avy amin'ny CMCS. Variétés 2 no natolotra tamin'izany ka ny B.82.333 sy R577 no nozaraina ho an'ny tantsaha ao Ambilobe. 200 taonina ny fitambaran'ireo variétés nozaraina amin'ny tantsaha ireo. Ny tantsaha nahazo variété indray, dia hizara izany amin'ny tantsaha hafa namany amin'ny taona ho avy.
Ho fanatsarana hatrany ny fary, dia nisy koa 25 variétés izay avy any amin'ny Site de Quaraintaine Ouvert any RANOMAFANA BRICKAVILLE, nafindra ao amin'ny Site d'expérimentation ao Ambilobe. Ny tanjona dia ny hitiliana ireo variété tsara ho zaraina amin'ny tantsaha indray amin'ny fotoana manaraka.

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐎𝐁𝐎𝐑𝐎𝐁O𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐈𝐍𝐃𝐎𝐒𝐓𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀Andro fah...
18/12/2024

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐎𝐁𝐎𝐑𝐎𝐁O𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐈𝐍𝐃𝐎𝐒𝐓𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀
𝐕𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀

Andro faharoa amin'ny varavarana misokatra ho an'ny rehetra androany 18/12/2024. Marobe ireo mpitsidika. Raha ny isan'ny fitsidihana trano eva, dia fahombiazana no azo tamin'ity varavarana misokatra ho an'ny rehetra ity.
Afa-po sy nahazo fahalalana avokoa ireo mpitsidika, nitombo arak'izany ny fahafataran'ny olona ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ireo ratsa-mangaika rehetra ao aminy, ao anatin'izany ny CMCS

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐎𝐁𝐎𝐑𝐎𝐁O𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐈𝐍𝐃𝐎𝐒𝐓𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀Tanteraha...
17/12/2024

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐎𝐁𝐎𝐑𝐎𝐁O𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐈𝐍𝐃𝐎𝐒𝐓𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀

𝐕𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐇𝐄𝐓𝐑𝐀

Tanterahana androany 17 desambra 2024 sy rahapitso 18 desembra 2024 ny varavarana misokatra ho an'ny rehetra izay atao eo amin'ny tokontany MIC Ambohidahy.
Ny famelaberalan-kevitra kosa, izay natao ho an'ny mpandraharaha sy izay vonona hirotsaka eo amin'ny sehatry ny fandraharahana dia atao eny amin'ny efitrano fivoriana MEF Anosy.
Amin'ny maha rafitra anatin'ny MIC ny CMCS, dia Mandray anjara amin'io hetsika io koa ny Foibe. Miompanana amin'ny fampahafantarana ny Foibe sy ny asa sahaniny ny fampirantiana atao.
Ny fampiroboroana ny fihariana siramamy moa no tena imasoan'ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy.
Notsidihin'Atoa Ministra tsirairay moa ny trano eva rehetra amin'ity varavarana misokatra ity.
Entanina ny rehetra hitsidika azy ity satria dia maimaimpoana ny fidirana kanefa, zavatra marobe no ho fantatry ny mpitsidika, indrindra ny mahakasika ny Ministera sy ireo sampan-draharaha ao aminy.

28/01/2024
FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLENA HAZO 2024Notanterahina ny zoma 26/01/2024, tao amin'ny tanàna vaovao...
27/01/2024

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLENA HAZO 2024

Notanterahina ny zoma 26/01/2024, tao amin'ny tanàna vaovao, Tanamasoandro ao Imerintsiatosika ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolena hazo 2024. Nampitondraina ny teny filamatra hoe : "Fambolenkazo : manarina tontolo iainana, mamelona aina".
Andrimpanjakana rehetra, ny mpiara-miombon'antoka, ny vahoaka, sivily sy miaramila maro be no tonga nanotrona ity andro fanokafana ity.
Tsy diso anjara amin'izany ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy fa mahatsiaro manana adidy amin'ny tanindrazana manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro izay tena miantraika mivantana any amin'ireo tantsaha sahanin'ny Foibe.
Marihina moa fa fanokafana ihany ity fa mbola handena ny an'ny Andrimpanjakana tsirairay avy. Tsy ho diso anjara amin'izany koa ny CMCS.
Ny CMCS dia miantso sy manentana ny olom-pirenena rehetra hikajy sy hiaro ny tontolo iaianana satria maro ny voka-dratsy ateraky ny fahasimban'izany tontolo iainana izany ho an'ny olombelona tsirairay. Miantso ny CMCS mba samy hitondra ny anjara birikiny avy ny tsirairay, araka ny tandrify azy avy amin'izany fiarovana ny tontolo iainana izany. Tsy efan'olon-tokana anefa izany asa lehibe izany fa mila ny firaisan-kinan'ny tsirairay avy.

Address

Ampitatafika

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:30
Tuesday 08:30 - 16:30
Wednesday 08:30 - 16:30
Thursday 08:30 - 16:30
Friday 08:30 - 16:30

Telephone

+261202255447

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Malgache de la Canne et du Sucre posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Centre Malgache de la Canne et du Sucre:

Shortcuts

Share