Centre De Fusion D'informations Maritimes - CFIM

Centre De Fusion D'informations Maritimes - CFIM CFIM | Organe de renseignement et de surveillance au service de la sécurité maritime de Madagascar.

🌱 🌊🌱 𝗠𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮Andro miavaka tao amin’ny Centre de Fusion d’Informations Maritim...
31/08/2026

🌱 🌊🌱 𝗠𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮

Andro miavaka tao amin’ny Centre de Fusion d’Informations Maritimes !

Ny zoma 28 aogositra lasa teo, dia natokana ho an’ny tontolo iainana ny andro tao amin’ny CFIM, tamin’ny alalan’ny hetsika « Journée Verte », izay nanasana ireo zanaky ny mpiasa handray anjara tamin’ny fambolena voninkazo tao amin’ny zaridainan’ny Centre.

Efa volana maromaro izao no nanavaozana sy nandaminana ny toerana manodidina ny Centre. Ireo gazanias, raozy, soucis… ary ireo zana-kazo voanio nambolena tamin’io andro io dia nanampy tamin’izany ezaka fanatsarana endrika hatrany ny tontolo manodidina ny Centre izany.

Ny fikambanan’ireo vehivavy mpiasa ao amin’ny Centre no nitarika ny hetsika, izay notontosaina teo ambany fiahian’i Ramatoa Laingo RAMORASATA, filoham-boninahitry ny fikambanana sy vadin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Centre, izay misehatra rahateo eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nandritra ny lahateny kely fanokafana izay nataony, mpisehatra amin’ny asa fiarovana ny tontolo iainana rahateo ny tenany, dia nanararaotra nampita hafatra fanentanana ho an’ireo ankizy nanatrika izy, indrindra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana, izay trano iombonantsika rehetra.

Taorian’ny fambolena dia nitohy tamin’ny lalao samihafa ny fotoana, ka nandray anjara tamim-pifaliana sy hafanam-po ireo ankizy.

🌊🌱 Satria ampahany roa amin’ny zava-misy iray ihany ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny tontolo iainana an-tanety, dia manomboka eny an-tanety ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.

Izany indrindra no antony ananan’ny CFIM finiavana hampihatra sy haneho ireo soatoavina momba ny fiarovana ny tontolo iainana, hatrany anatin’ny toerana iasany, ary indrindra indrindra, hampandray anjara ireo taranaka tanora izay hoavin’ny Firenena.

🏫 Ny eto amin'ny CFIM dia vonona hatrany hiara-hiasa amin'ireo sekoly maniry hampahafantatra bébé kokoa ny sehatry ny ranomasina.



🌴🌴🌴🌴🌴🌴🌴🌴🌴

🌱🌊🌱 𝗘𝗻𝘃𝗶𝗿𝗼𝗻𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗺𝗮𝗿𝗶𝘁𝗶𝗺𝗲 𝗲𝘁 𝗲𝗻𝘃𝗶𝗿𝗼𝗻𝗻𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝘁𝗲𝗿𝗿𝗲𝘀𝘁𝗿𝗲 : 𝗱𝗲𝘂𝘅 𝗳𝗮𝗰𝗲𝘁𝘁𝗲𝘀 𝗱’𝘂𝗻𝗲 𝗺𝗲̂𝗺𝗲 𝗿𝗲́𝗮𝗹𝗶𝘁𝗲́

Journée insolite au Centre de Fusion d’Informations Maritimes !

Le vendredi 28 août, le CFIM a choisi de placer la nature à l’honneur à travers une journée verte, au cours de laquelle les enfants des employés ont été conviés à participer à la plantation de fleurs dans le jardin du Centre.

Depuis quelques mois maintenant, le site fait l’objet d’un réaménagement. Les gazanias, roses, soucis… et même de jeunes cocotiers plantés ce jour-là constituent ainsi une contribution de plus à l’embellissement de ce patrimoine commun du Centre.

Initiée par l’association des employées-femmes du Centre, cette journée a été réalisée sous le marrainage de la Présidente d’honneur, Madame Laingo RAMORASATA, épouse de Monsieur le Directeur Général du Centre. Celle-ci qui est elle-même engagée dans la protection de l’environnement, a d’ailleurs profité de son allocution d’ouverture pour transmettre aux enfants et jeunes présents des messages de sensibilisation sur l’importance de préserver la nature, notre maison commune.

La séance de plantation s’est ensuite poursuivie par différents jeux, auxquels les enfants ont participé avec entrain et enthousiasme.

Car, en tant qu’aspects d’un même tout, préserver l’environnement maritime commence aussi sur terre. C’est pourquoi le CFIM a à cœur de refléter ces valeurs « vertes » jusque dans son environnement immédiat, mais surtout d’y associer les jeunes générations, avenir de la Nation.

🌊🌱 Le CFIM est ouvert à toute collaboration en vue de sensibiliser les jeunes générations sur les enjeux maritimes.

15/08/2026

01/08/2026

31/07/2026

28/07/2026

🌊 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻𝗶𝗼, 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗼Tao anatin’ny EU Maritime Security Week izay notanterahina tany am...
26/07/2026

🌊 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗻𝗶𝗼, 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗼

Tao anatin’ny EU Maritime Security Week izay notanterahina tany amin'ny Nosy Maorisy ary nandraisan’ny CFIM anjara tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny, dia nisy ihany koa ireo fivoriana stratejika maromaro natao handrefesana ny fandrosoan’ireo tetikasa samihafa izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina.

🔹 𝐒𝐚𝐟𝐞 𝐒𝐞𝐚𝐬 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚 (𝐒𝐒𝐀) : fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny ranomasina aty Afrika
Ny andro voalohany dia natokana ho an’ny fampahafantarana ny fivoaran’ny fandaharanasa Safe Seas Africa (SSA). Ity fandaharanasa ity dia mikendry ny hanampy ireo firenena afrikanina amin’ny fanamafisana ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana an-dranomasina, indrindra amin’ny alalan’ny fanofanana, ny fampivoarana ny fahaiza-manao ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana voakasika.

🔹 𝐀𝐫𝐜𝐡𝐢𝐭𝐞𝐜𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐒𝐞́𝐜𝐮𝐫𝐢𝐭𝐞́ 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐭𝐢𝐦𝐞 (𝐀𝐑𝐒𝐌) : fandrindrana ny hetsika ataon’ireo firenena ao amin’ny Ranomasimbe Indianina Andrefana
Ny andro faharoa dia nampivondrona ireo mpisehatra ao anatin’ny Architecture Régionale de Sécurité Maritime (ARSM), rafitra isam-paritra napetraka mba hanatsarana ny fandrindrana eo amin’ireo firenena ao amin’ny Ranomasimbe Indianina Andrefana. Miankina amin’ny Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes (CRFIM) sy ny Centre Régional de Coordination des Opérations (CRCO) indrindra ny ARSM, mba hanamafisana ny fifampizaràna vaovao, ny fiaraha-miasa isam-paritra ary ny fanatanterahana hetsika iaraha-manatanteraka.

🔹 𝐏𝐨𝐫𝐭 𝐒𝐞𝐜𝐮𝐫𝐢𝐭𝐲 𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 (𝐏𝐒𝐏): fanamafisana ny fiarovana ireo fotodrafitrasa seranan-tsambo
Ny andro fahatelo dia niompana tamin’ny Port Security Programme (PSP), fandaharanasa natokana ho an’ny fanatsarana ny fiarovana ny seranan-tsambo. Izy io dia manohana ireo manam-pahefana voakasika amin’ny fanamafisana ny fepetra fiarovana eny amin’ny seranana sy amin’ny fampiharana ireo fenitra iraisam-pirenena mba hiarovana ireo fotodrafitrasa an-dranomasina manan-danja.

🔹 𝐂𝐆𝐈𝐌𝐀 : fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny ady amin’ireo asa tsy ara-dalàna eny an-dranomasina
Ny andro fahefatra dia natokana ho an’ny CGIMA (Contact Group on Illegal Maritime Activities), sehatra iray mampivondrona firenena maro sy mpiara-miombon’antoka voakasiky ny ady amin’ireo asa tsy ara-dalàna eny an-dranomasinavizay tohanan'ny firenena matanjaka tahaka ny Etazonia, ny Vondrona eoropeanina na ny firenena Anglisy. Izy io dia manamora ny fifanakalozana vaovao sy traikefa ary manamafy ny fandrindrana eo amin’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny filaminana an-dranomasina.

Amin'ny maha-ivon-toeram-pirenena misahana ny fanangonana, ny fampivondronana ary ny fifampizaràna vaovao momba ny sehatra an-dranomasina azy, ny Centre de Fusion d'Informations Maritimes (CFIM) dia mandray anjara mavitrika amin'ireo sehatra fiaraha-miasa isam-paritra sy iraisam-pirenena. Ny fandraisany anjara amin'ireo fihaonana tahaka izao dia manamafy ny anjara toerany amin'ny fanohanana ny filaminana an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ary ny fiarovana ny tombontsoa an-dranomasin'i Madagasikara.

🐚🐚🐚🐚🐚🐚🐚

🌊 𝗖𝗼𝗼𝗽𝗲́𝗿𝗲𝗿 𝗮𝘂𝗷𝗼𝘂𝗿𝗱'𝗵𝘂𝗶 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗺𝗶𝗲𝘂𝘅 𝗽𝗿𝗼𝘁𝗲́𝗴𝗲𝗿 𝗻𝗼𝘀 𝗲𝘀𝗽𝗮𝗰𝗲𝘀 𝗺𝗮𝗿𝗶𝘁𝗶𝗺𝗲𝘀 𝗱𝗲𝗺𝗮𝗶𝗻

En marge de l'EU Maritime Security Week, organisée à l'île Maurice et à laquelle le CFIM a pris part à travers son Directeur général, plusieurs réunions stratégiques se sont également tenues afin d'évaluer les progrès réalisés dans le cadre des différents projets soutenus par l'Union européenne.

🔹 𝐒𝐚𝐟𝐞 𝐒𝐞𝐚𝐬 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚 (𝐒𝐒𝐀) : renforcer les capacités des acteurs maritimes africains
La première journée a été consacrée à la présentation de l’évolution du programme Safe Seas Africa (SSA). Ce programme vise à accompagner les États africains dans le développement de leurs capacités en matière de sécurité maritime, notamment à travers la formation, l'amélioration des compétences et le renforcement des mécanismes de coopération entre les institutions concernées.

🔹 𝐀𝐫𝐜𝐡𝐢𝐭𝐞𝐜𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐒𝐞́𝐜𝐮𝐫𝐢𝐭𝐞́ 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐭𝐢𝐦𝐞 (𝐀𝐑𝐒𝐌) : coordonner l'action des États de l'océan Indien occidental
La deuxième journée a réuni les acteurs de l’Architecture Régionale de Sécurité Maritime (ARSM), un dispositif régional mis en place pour assurer une meilleure coordination entre les États de l’océan Indien occidental. L’ARSM s’appuie notamment sur le Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes (CRFIM) et le Centre Régional de Coordination des Opérations (CRCO) afin de renforcer le partage d’informations, la coopération régionale et la conduite d’actions concertées.

🔹 𝐏𝐨𝐫𝐭 𝐒𝐞𝐜𝐮𝐫𝐢𝐭𝐲 𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 (𝐏𝐒𝐏) : renforcer la sûreté des infrastructures portuaires
La troisième journée a porté sur le Port Security Programme (PSP), un programme dédié à l'amélioration de la sûreté des ports. Il accompagne les autorités compétentes dans le renforcement des mesures de sécurité portuaire et dans l'application des standards internationaux afin de mieux protéger les infrastructures maritimes essentielles.

🔹 𝐂𝐆𝐈𝐌𝐀 : favoriser la coopération contre les activités maritimes illicites
La quatrième journée a été consacrée au CGIMA (Contact Group on Illegal Maritime Activities), un cadre de coopération réunissant plusieurs États et des partenaires concernés par la lutte contre les activités maritimes illicites et financés par des pays comme les USA, la Grande Bretagne ou l’Union européenne. Il facilite les échanges d'informations et d'expériences afin de renforcer la coordination entre les acteurs engagés dans la sécurité maritime.

🔹 En tant que centre national chargé de la collecte, de la fusion et du partage des informations relatives au domaine maritime, le Centre de Fusion d'Informations Maritimes (CFIM) participe activement aux mécanismes de coopération régionaux et internationaux. Sa participation à ce type de rencontres contribue à renforcer son rôle dans la promotion de la sécurité maritime, le développement de la coopération et la protection des intérêts maritimes de Madagascar.

24/07/2026
🌊 𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮-𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗻𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝘆⚓Raha te hitodika bebe kokoa amin'ny rano...
23/07/2026

🌊 𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮-𝗺𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗻𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝘆

⚓Raha te hitodika bebe kokoa amin'ny ranomasina sy hanamafy ny fitantanana ary ny fiarovana azy isika, dia isan'ny dingana lehibe tsy maintsy lalovana ny fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra. Satria izay mahalala sy mahafehy ihany no afaka mandray fanapahan-kevitra mahomby sy miaro ny tombontsoan'ny firenena eo amin'ny sehatra an-dranomasina.

⚓Izany indrindra no antony nanatanterahana ity fotoam-pampahafantarana momba ireo lalam-piofanana eo amin'ny fitantanana ny ranomasina ity, izay natao tao amin'ny Centre de Fusion d'Informations Maritimes (CFIM).

⚓Ny famelabelarana dia notarihin'Andriamatoa Kapiteny an-dRanomasina RANDRIANANTENAINA Jean Edmond, izay nizara tamin'ireo mpandray anjara ireo karazana fiofanana misy, ahitana ny fiofanana maharitra, ny fikarohana, ny fiofanana an-tsehatra (stages pratiques) ary ny académies d'été, ary koa ireo andrim-panjakana sy mpiara-miombon'antoka manolotra izany.

⚓Ankoatra ny fampahafantarana ireo lalam-piofanana sy ny fepetra hahafahana misitraka azy, dia nizara ny traikefany manokana amin'ny maha-mpahazo vatsim-pianarana azy ihany koa izy, ka nanome torohevitra sarobidy ho an'ireo maniry hanohy fianarana sy hanamafy ny fahaiza-manaony eo amin'ny sehatry ny ranomasina.

⚓Ity hetsika ity dia manohy ny ezaka natomboka nandritra ny Atrikasa Nasionaly momba ny Fitantanana sy ny Fiarovana an-dRanomasina (GOSMA 2026), izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra ho an'ny fitantanana ranomasina eto Madagasikara.

⚓Mijoro hatrany ny CFIM ho sehatra mampahafantatra, mampiroborobo ary manome lanja ny sehatra an-dranomasin'i Madagasikara.

🐚🐚🐚🐚🐚🐚🐚
🌊 𝗥𝗲𝗻𝗳𝗼𝗿𝗰𝗲𝗿 𝗹𝗲𝘀 𝗰𝗼𝗺𝗽𝗲́𝘁𝗲𝗻𝗰𝗲𝘀 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗺𝗶𝗲𝘂𝘅 𝗴𝗼𝘂𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗿 𝗻𝗼𝘀 𝗲𝘀𝗽𝗮𝗰𝗲𝘀 𝗺𝗮𝗿𝗶𝘁𝗶𝗺𝗲𝘀.

⚓Le CFIM a accueilli une séance d'information sur les opportunités de formation en gouvernance maritime, animée par le Capitaine de Vaisseau RANDRIANANTENAINA Jean Edmond.
Cette rencontre a permis de présenter les différentes possibilités de formation (cursus de longue durée, recherche, stages pratiques et académies d'été), les institutions qui les proposent, ainsi que les modalités d'accès à ces programmes. À travers le partage de son expérience personnelle, l'intervenant a également prodigué de précieux conseils aux participants.

⚓S'inscrivant dans la continuité de l'Atelier national sur la gouvernance et la sécurité maritimes, cette initiative témoigne de l'engagement du CFIM à devenir un espace privilégié d'échanges, de sensibilisation et de promotion des connaissances sur les enjeux maritimes à Madagascar.

🌊 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝘆. 𝗡𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮. 🛡️Nandray ...
23/07/2026

🌊 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝘆. 𝗡𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮.

🛡️Nandray anjara tamin’ny Week, izay notanterahina tany amin’ny Nosy Maorisy, ny Centre de Fusion d’Informations Maritimes (CFIM). Andriamatoa Tale Jeneraly no nisolo tena ny Ivon-toerana nandritra ity fihaonana ity.

⚓Nanatrika ny hetsika ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola lehibe, isan’izany ny Vondrona Eoropeanina (UE), ny Interpol, ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) ary ny United Nations Office on Drugs and Crime (UNODC). Firenena maro avy amin’ny faritra atsimo-andrefan’ny Ranomasimbe Indianina no nandray anjara, niaraka tamin’ny firenena mpiara-miombon’antoka toan’i Etazonia.

🇲🇬Voasolo tena tamin’izany ihany koa i Madagasikara. Ankoatra ny Tale Jeneralin’ny CFIM, dia nandray anjara tamin’ny fivoriana ny Point Focal National amin’ny tetikasa Safe Seas Africa sy ny lefitrany.

⚓Etsy ankilany, ny Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes (CRFIM) sy ny Centre Régional de Coordination des Opérations (CRCO), amin’ny maha-andrim-panjakana mpisehatra ao anatin’ny Architecture Régionale de Sécurité Maritime (ARSM) azy ireo, dia samy nandefa solontena ihany koa.

🎯Ny tanjon’ity fihaonana ity dia ny hanamafisana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny filaminana an-dranomasina, mba hisorohana ny fifanindrianan’ny hetsika sy hampitombo ny fifamenoan’ny ezaka. Nandritra izany ihany koa no nanaovana tombana ireo asa vita sy ireo vokatra efa azo tamin’ireo tetikasa sy fandaharan’asa iarahan’ny mpiara-miombon’antoka manatanteraka, ary niresahana ireo laharam-pahamehana ho an’ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy.
🐚🐚🐚🐚🐚🐚🐚

🌊 𝗔𝘂𝗰𝘂𝗻 𝗽𝗮𝘆𝘀 𝗻𝗲 𝗽𝗲𝘂𝘁 𝗽𝗿𝗼𝘁𝗲́𝗴𝗲𝗿 𝘀𝗲𝘂𝗹 𝘀𝗼𝗻 𝗲𝘀𝗽𝗮𝗰𝗲 𝗺𝗮𝗿𝗶𝘁𝗶𝗺𝗲. 𝗟𝗮 𝗰𝗼𝗼𝗽𝗲́𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗲𝘀𝘁 𝗹𝗮 𝗰𝗹𝗲́ 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝘀𝗲́𝗰𝘂𝗿𝗶𝘁𝗲́ 𝗲𝗻 𝗺𝗲𝗿.

🛡️Le Centre de Fusion d'Informations Maritimes (CFIM) a pris part à l'EU Maritime Security Week, organisée à l'île Maurice. Le Centre y était représenté par son Directeur général.

🛡️Cette rencontre a réuni les principaux partenaires techniques et financiers engagés dans la sécurité maritime, notamment l'Union européenne (UE), Interpol, la Commission de l'océan Indien (COI) et l'Office des Nations Unies contre la drogue et le crime (UNODC). De nombreux États de la région de l'océan Indien occidental y ont participé, aux côtés de partenaires internationaux tels que les États-Unis.

🇲🇬Madagascar était également représenté par le Point Focal National du projet Safe Seas Africa et son adjoint, en plus du Directeur général du CFIM.

⚓Par ailleurs, le Centre Régional de Fusion d'Informations Maritimes (CRFIM) et le Centre Régional de Coordination des Opérations (CRCO), en leur qualité d'acteurs de l'Architecture Régionale de Sécurité Maritime (ARSM), ont également pris part aux travaux.

🎯Cette rencontre avait pour principal objectif de renforcer la coordination et la coopération entre les acteurs de la sécurité maritime, afin d'éviter les chevauchements d'initiatives et de favoriser la complémentarité des actions. Elle a également permis d'évaluer les progrès accomplis et les résultats obtenus dans le cadre des différents projets et programmes de coopération, tout en définissant les priorités qui guideront les futures actions conjointes au service d'une gouvernance maritime plus efficace dans l'océan Indien.

Commission de l'océan Indien - Indian Ocean Commission

Address

En Face De L'Ecole De La Francophonie Ankaditoho
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre De Fusion D'informations Maritimes - CFIM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Centre De Fusion D'informations Maritimes - CFIM:

Shortcuts

Share