27/08/2026
FANANANTANY MAROVOAY : 10 TAONA HO FANAMAFISANA NY FAHAZOANA TANY!
Marovoay – 25 Aogositra 2026
Aogositra 2016 – Aogositra 2026 : feno 10 taona katroka ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany eto Marovoay!
Lanona tsy manam-paharoa no nanamarihana izany, noravahana tamin’ny Antsa Sakalava sy dihy vakodrazana, ho fanehoana ny maha-zava-dehibe ny tany eo amin’ny tantara sy ny fiainan’ny Malagasy.
👉 Fifampizarana vaovao tamin’ny vahoakan’Ambovomavo, Kaominina Marovoay Ambonivohitra, Faritra Boeny, no anisan’ny nisongadina nandritra ny hetsika.
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Marovoay, ny PDS-n’i Marovoay Ambonivohitra, ny solontenan’ny Solombavambahoaka voafidy eto Marovoay, ary ireo “olobe sy raiamandrenin-tanàna”.
Tanjona lehibe tamin’ity hetsika ity :
👉 Fankasitrahana ny dingana rehetra vita nandritra izay 10 taona nisian’ny Birao Iombonan’ny Fananantany sy Fandrefesantany eto Marovoay;
👉 Fandraisana andraikitra amin’ny famahana ireo olana sy disadisa ara-tany misy eo anivon’ny fiarahamonina;
👉 Famporisihana ny olom-pirenena rehetra hisoratra anarana sy hametraka ara-dalàna ny fananany;
👉 Fampahafantarana ny vahoaka momba ny fanafoanana ireo “titra colons”, ka ny tany voakasik’izany dia hiverina ho tanim-panjakana Malagasy, azo angatahana araka ny lalàna ary hahafahan’ny Malagasy misitraka izany.
Nandritra ny taona maro, efa ho 70 taona, dia niaina teo ambonin’ny tany mbola voasoratra amin’ny anaran’olona vahiny ny fokonolona. Niteraka ahiahy sy tebiteby teo amin’ny mponina izany.
Ankehitriny kosa, nisy ny dingana ara-dalàna noraisin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, naroso teny anivon’ny Antenimiera, ary nohamafisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny fanapahana laharana 18-HCC/D3 tamin’ny 21 Aogositra 2026.
Midika izany fa miverina amin’ny Fanjakana Malagasy ireo tany voasoratra amin’ny anaran’ny vahiny (colons), araka ny fepetra sy ny fomba voalazan’ny lalàna.
Tao anatin’ny folo taona nisokafan’ny Birao Iombonan’ny Fananantany sy Fandrefesantany eto Marovoay: 7 368 titra no efa vita, mandrakotra velaran-tany 56 730 ha, amin’ny velaran-tany manontolo mirefy 380 300 ha.
Ireo tarehimarika ireo dia tsy isa fotsiny. Tantaran’ny ezaka, fiarovana ny fananan’olona, fandriampahalemana ara-tany ary fanamafisana ny zon’ny olom-pirenena amin’ny taniny izy ireo.
Ary ahoana ny 10 taona manaraka?
Ny tanjona dia mazava : 🇲🇬 “Tsy ho Malagasy intsony ny olom-pirenena iray raha mbola tsy manana tany ara-dalàna”
Aoka isika hiara-hientana amin’ny fanamafisana ny fahazoana tany, ny fananan-tany ara-dalàna ary ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina.