Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena Toliara II

Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena Toliara II Sekolim_panjakana ambaratonga faharoa. Naorina mba hanamafisana sy fampiakarana avo ny fahaizan'ny zanaka Malagasy.

18/09/2026
FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONYNandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany Asabotsy 12 Septambra 2...
12/09/2026

FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany Asabotsy 12 Septambra 2026, dia voatendry ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) Atsimo Andrefana vaovao Ramatoa RAZAIARIMANANA Voahangy Rivesty Aimée.

Mpitaiza, manampahaizana, ary efa rantsana mavitrika eo anivon'ny fanabeazana Razaiarimanana Voahangy Rivesty Aimée. Matoky izahay fa hitondra fandrosoana sy hery vaovao ho an'ny sekoly sy ny fampianarana ato amin'ny faritra misy antsika ny fahatongavany eo amin'ity fitantanana ity.

Arahabaina nahazo ny fahatokisan'ny mpitondra fanjakana ambony ary mirary fahombiazana feno amin'ny andraikitra vaovao sarotra nefa masina izay miandry anao, Ramatoa Tale! 🤝✨

10/09/2026
FAMPIANARANA ETO MADAGASIKARA LYCÉE MANARAPENITRA MITSINJO BETANIMENA ⭕ ÔFISIALY Fandaharam-pianarana vaovao no harahina...
10/09/2026

FAMPIANARANA ETO MADAGASIKARA
LYCÉE MANARAPENITRA MITSINJO BETANIMENA

⭕ ÔFISIALY

Fandaharam-pianarana vaovao no harahina manomboka izao. (PRIMAIRE, COLLÈGE, LYCÉE)

Foana araka izany ny sokajy A, C, D eny anivon'ny Lisea. Ary ny L, OSE, S ihany no sokajy hanadinana amin'ny Bakalôrea 2027.

06/09/2026

Fidirana ho an'ny taom-pianarana 2026-2027.

Ilazana ianareo mpianatra rehetra izay nisoratra anarana hiditra ato amin’ny Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena fa ny Alatsinainy 07 Septambra 2026 amin'ny 07ora tsy diso maraina ny fidirana.

Hisy ny rassemblement amin'io izay hanomezana toromarika rehetra mandritra ny taom-pianarana.

Hafatra avy amin'i Ramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.

https://www.facebook.com/reel/965108862783739/?app=fbl

31 Aogositra 2026Lycée Manarapenitra Mitsinjo BetanimenaNotanterahina androany Alatsinainy 31 Aogositra 2026 ny fivorian...
31/08/2026

31 Aogositra 2026
Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena

Notanterahina androany Alatsinainy 31 Aogositra 2026 ny fivoriana voalohany amin’ny fidiran'ny mpampianatra amin’ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity.

Mpampianatra rehetra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ato anatin'ny ZAP Mitsinjo Betanimena, Kaominina Mitsinjo Betanimena Toliara II no niara-nivory tato amin’ny efitrano malalaky ny Lycée Manarapenitra ho fanokafana ity taom-pianarana vaovao ity.

Nitarika ny fivoriana, ny solotena avy ao amin’ny DREN Atsimo Andrefana, ny Lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana Toliara II, ireo Talen-tsekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo tompon'andraikitra maro samihafa.

Mirary soa sy mampahery ny mpampianatra mpanabe rehetra hahatontosa ny taom-pianarana.

27 Aogositra 2026Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena Fivoriana voalohany niarahana tamin'ny Ray aman-drenin'ny mpian...
27/08/2026

27 Aogositra 2026
Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena

Fivoriana voalohany niarahana tamin'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra ho fanomanana ny taom-pianarana 2026-2027.

🧶Noresahina tao ny fandaminana sy ny fitsipika anatiny ato amin'ny Lisea.

🧶Ny fanatsarana ny kalitaon'ny fianarana sy ny fitaovana ilain'ny sekoly.

24/08/2026
Anisan'ny mpianatra novolavolaina tato amin'ny Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena i Fitahiana. Zaza mahay izy.  Nou...
23/08/2026

Anisan'ny mpianatra novolavolaina tato amin'ny Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena i Fitahiana.

Zaza mahay izy. Nous sommes très fière de toi.

Andriananahary hitari-dalana anao amin'izay irinao.

Mahay kosa izy.
, ilay tovovavy kely efa naka Bakalaorea tamin'ny taona lasa (2025), Série D, Mention Bien.

Mbola anisan'ny niadina nanala fanadinana bakalaorea koa izy tamin'ity taona ity (2026), Série S ary mbola nahazo Mention Bien.

Félicitations zanako.

Taorian'ny nahazoany ny bakalaorea tamin'ny taona lasa dia nanao fifaninanana hidirana ao amin'ny ENS (Ecole Normale supérieure) Toliara izy ary miandry ny valiny amin'izao. Mirary soa ho azy.

21/08/2026

Baccalauréat 2026

Efa azo atao manomboka izao ny maka ny relevé de notes eny amin’ny Office du Baccalauréat.

Natao izany ho fitsinjovana an'ireo hivoaka any ivelany, hikarakara fifaninanana, sns...

Address

Mitsinjo Betanimena
Toliary
602

Telephone

+261347445999

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena Toliara II posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Lycée Manarapenitra Mitsinjo Betanimena Toliara II:

Shortcuts

Share

Category